MADACOM(CELTEL)-ORANGE mpanakarena mpitery rononon'aliaka!!!

1. 4mimananelatra ( 05/05/2006 09:39)
Mety ho gaga angamba ianareo mahita ny titre hoe MADACOM ho lasa (CELTEL) moa sy ORANGE mpanakarena mpitery rononon'aliaka satria:MPANGALATRA !raha mbà mividy crédit 50.000fmg ianao ohatra ORANGE dia miantso MADACOM miresaka même pas 3 min dia 30.000fmg ny crédits restant .Ny service clientéle ORANGE @ izany miavonavona be ! sady manao valy boraingina .Ny valintenindry zareo dia tsy mitombina mihintsy !
Raha manao abonnement moa dia ianao dia amidy mbàmin'ny pataloha angamba hikaràma ho an'ny phone!
Ilaina ny portable tsy mandà aho nefa ilay fangalàrana be kosa tsy mety!
novalian'i Santiona ny 12/07/2006 05:16
2. ainaheri ( 05/05/2006 10:05)
Nohon'ny fahantrana no mahatonga an'zany ka hany lasa manentsitadiny ny mpitondra fa tokony ry zareo no andamina an'zany ka zarany aza misy mpandraharaha ao aminy ka manao zay tiany atao aza ireo d odiany fanina!!!!
3. ainaheri ( 05/05/2006 10:07)
sady io efa nataon'ny Fran6 Turbo hatsikana izy zay t@ lezamoro @ VCD!!!
4. dadabe ( 05/05/2006 10:33)
hay ve e
5. Fiffi ( 05/05/2006 10:51)
ialy ronon'aliaka aloha toa hafahafa hiany.
Zany hoe mpangalatra ry zareo nefa hitany hiany fa mbola tena misy hiany ny abonné sy ny mividy carte de tsy mivaky loha ry zareo fa de c'est à prendre ou à laisser ka mampalahelo ny toy izao.
6. ainaheri ( 05/05/2006 11:21)
zay lay izy ko tsy manana choix ianao d manararaotra izy!!
Fiffi>> lay à prendre ou à laisser ao @ TF1 mba ahazoambola:-D:-D fa ty ndray ny anao no kaofiny ko :lol:
7. Herimiafina ( 05/05/2006 15:24)
Raha tsy mangalatra izy de tsy misy benefice, raha tsy misy benefice de miala any Dago, de raha miala any Dago de malahelo ny olona de mi-grevy, de raha mi-grevy de matahotra ny fanjakana sao hiongana, de aleony eo ihany aloha io, zara aza misy an,io hoy izy.

izay no antsoina hoe sciences politika e! :°)
8. vats ( 08/05/2006 05:28)
tena marina io. Izaho mampiasa puce roa fa ny orange no tena fampiasako matetika. Tena leo mihintsy aho. ohatra amin'ilay fampidirana numero famille (4 ho an'ny orange) dia tena tsy araka mihintsy ny fandehany hoe maninona? misy zavatra tena fanahy iniana tsy mazava mihintsy amin'ilay fampidirana azy. Dia raha miantso ny any amin'ny sce clientèle ianao dia hoy izy hoe raha mampiditra min'izao indray dia mandoa 5000 Ar. tena tsy manjary e. Ohatra iray avao io nambarako io fa tsy izay ihany!!!
9. arson ( 12/05/2006 06:49)
za koa aloha dia efa tratra tsara mihitsy fa MADACOM indray io.Aiza ve re olona dia efa lazainy zao fa 360ar ny miantso (@punchy).@io anefa za vao avy nampiditra 5000ar,1mn sy 43s teo ve rangà no laniko dia efa latsaka be ilay izy.tonga dia nangalarany 2mn be zao.Nantsoiko avy hatrany ary norahonako mihintsy ny service clt t@'izay hoe halaiko baraka @ haino aman-jery nareo fa izaho tsy matahotra.Kinanjo hoy ianareo:andro zoma tsara t@izay ny sabotsynio nomeny credit gratuit zà,ngamba efa ho 10000ar teo;fa tonga dia nantsoiko daholo aloha izay tiako nantsoina rehetra mandram-pahatapitrany sao dia tapahiny.otr'izay ihany ny fanaovana azy e!
sady ny maha gravy azy koa anie reto de zao raha mba mangataka ny facture détaillant ianao dia mandoa 6000ar hoe,raha tsy kivindro no niteraka ahy na enao no velomina koa za no andeha andany vola @'izany?SANATRIA
herimiafina:ao dia ataoko hoe siansa politika ilay izy tsy maninona fa tokony mba asiana fieritreretana kosa ilay izy e!fantatsika tsirairay ihany mantsy zao fiainana mivadibadika be izao.
10. booboo ( 12/05/2006 07:43)
zà dia teny @ ireny amoron-dalana reny zà no niantso ny farany t@ tany ( tsy haiko ny anarany ) fa mbola voa ihany e ! ( ovain-dry tavany ny durée de communication dé mandoa mihoatra noho ny tokony ho izy avy teo ! ).
11. methode ( 12/05/2006 20:25)
De ahoana indray izany ny hevitra! Zay aloha mbola avy aty alavitra aty e de lafo raha miantso!Ny tombontsoa eto Burkina aloha hatramin'izao amin'ny Telecel dia mitovy daholo ny SMS na aiza andefasana azy na aiza! De io aloha no ampiasaina fa raha miantso izany vetivety de lany ny carte!
12. Santiona ( 12/07/2006 05:16)
Mampalahelo mihitsy izany ry zareo.
Asa na anao ahoana ndray ty MADACOM niova CELTEL ty.
Ny sms gratuit @ internet aloha efa tsy misy e! Fa mbola dinihin-dry zareo hono.
PS:Marina ve zany TELMA anao telephone mobile zany e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.345