Notapahan'ilay ramatoa ny filahian'ilay rangahy !
1. xxx
(
05/05/2006 07:06)
Asa na noho ny hamafin'ny fiainana ve fa dia mahavita zavatra tsy ampoizina mihintsy ny olona ankehitriny.Hita ao @ la gazette de la grande île androany io zava-niseho io tao SAB-NAM,ary voalàza fa noho ny tsy fananam-bola dia mbola mikirazorazo hatramin'izao.
Vita didi-poitra fan2 ingahy rainy izany:-D:-D

novalian'i benito ny 04/06/2006 23:35
2. Fiffi
(
05/05/2006 07:29)
Sabotsy Namehana : Notapahin-dramatoa ny filahiam-badiny.
Noho ny tsy fananany vola hoentina mitsabo tena, dia mbola mikirozaroza hatramin’izao ny filahian’ity raim-pianakaviana iray izay mipetraka eny amin’ny faritra Sabotsy Namehana eny.
Araka ny vaovao voaray tokoa mantsy, dia ralehilahy niaraka tamin-janany telo mianadahy no hany tao an-trano fa ilay renim-pianakaviana kosa mbola tany amin’izay nalehany. Nony tonga ramatoa ny hariva tokony ho tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any, izay somary efa jenjin’ny zava-pisotro, avy dia nivatravatra nigidragidra am-badiny izay efa misalobona matory. Fifamaliana tsy dia misy antony loatra no nahatonga ny loza, raha ny fitantarana, saingy tampoka teo ary tena tsy nampozin-drangahy dia antsy no teny an-tanan-dravehivavy izay tsy niahotra akory nitolona azy sy nisintona ny filahian’ity farany, ary nanapaka izany rehefa voatazony soa aman-tsara. Tsy dia tapaka tanteraka anefa ilay “zavatra” fa mbola misy hozatra mitazona aloha hatramin’izao. Ny tomany sy ny kiakiakan’ireo zanany no nanaitra sy nampivoaka ny manodidina nijery ny zava-niseho. Akory ny hatarain’ireo nanatrika nahita ity zava-mitranga, ary dia nitondra an’ity raim-pianakaviana tany amin’ny toeram-pitsaboana akaiky teo. Noho ny hasarotan’ny fitsaboana anefa, dia voatery nalefa niakatra ho aty amin’ny hôpitaly lehibe iray eto andrenivohitra ilay raim-pianakaviana. Indrisy anefa, fa noho ny tsy fananany vola ho amin’izany dia tsy nety nandray ilay naratra ny toeram-pitsaboana. Voalaza mantsy, fa manodidina ny valo alina sy iray hetsy ariary any ho any ( 180.000 Ariary ) ny vola tokony ho nalohany sy ny fanohizana indray ilay zavatra tapaka. Ny eo am-pelatanana anefa tsy misy, ary dia voatery nody sy notsabotsaboina eny ilay fery.
Ny vaovao azo omaly, teny anivon’ny mpiara-monina amin’ity niharan-doza no nahalalana fa hay somary masiatsiaka sy misetrasetra amim-badiny izay hatrany ity ramatoa ity, rehefa mahazoazo sy vonton-kafanana amin’izay ombany. Ramatoa izay voalaza fa sady tanora no tsara tarehy noho ilay rangahy, ary manana anton’asa araka izay fahatsarany izay.
Azo lazaina ho mampalahelo ihany ity fihetsika sy fahasahian-dravehivavy ity, asa efa ampy tokoa ve ny zaza telo azy roa, ka aleo faranana hatreo amin’ny fanapahana an’ilay zavatra ny raharaha, na ihany koa mety ho misy antony hafa. Raha fahatezerana tsotra mantsy tsy hahavitana heloka amin’ny andefimandry tahaka izao.
J : la Gazette de la Grande Ile

4. ainaheri
(
05/05/2006 09:15)
Aona ndray nareo veh @zany?? tsy ny leh tsony zao no manao ankeriny fa ny veh no manolana :lol: an2 tsy nanolana fa nanao arahaba ririnina:-D
5. xxx
(
05/05/2006 09:24)
alefaso ao @ kotosôsy hatao lasopy soucril refa tsy hita zay hanaovana azy e!!
10. ainaheri
(
05/05/2006 11:26)
6L20>> mety marina lay we tsy mahavita devoir,fa na lay ramatoa aza anie to tovovavin'ny alina ra araka ny filazan'ny mpampita vao2 ee
11. babalahy
(
05/05/2006 11:50)
Aiza ho aiza zany ny fanjakana mitsinjo ny madinika de nalefa nody tsy voatsabo ilay maratra.Zany no tena mampalahelo.De ho faty zany ialy ranamana nefa samy malagasy tsy mifampitsinjo mihitsy.
12. ainaheri
(
05/05/2006 12:01)
babalahy>> ka efa nisy reportagen'io t@ F2, Hop sy ny fitaovana ampiasainy fa ra tsy manambola ianao d maty,nefa"NY LALANA NATAO TSARA FA NY FAHASALAMAMBAHOAKA NATAO TSIRAMBINA NA NATAO AMBANINJAVATRA NY MARIMARINA KOKOA"
13. zandikely
(
05/05/2006 14:51)
Tena mampalahelo tokoa fa raha tsy manana vola izany dia tsy mety ho voasabo mihitsy. Tena mampalahelo....Izany tokoa no atao hoe FAHAMARINANA sy FAHAMASINANA angamba
14. Herimiafina
(
05/05/2006 15:09)
Zinona moa io fa dia resaka hasarotampiaro no mahatonga an'io e! ary matetika ny saropiaro no tena manao azy matoa tsy mahatanty, ny samy PREDATEUR amin'ny écologie tsy de mifankatia loatra, hehehe:-D
Momba ilay fitsaboana indray leiry ry Zandikely de tena mampalahelo mihintsy io toejavatra io an, inona moa fa de politikan'ny World bank io resaka recouvrement des coût io e, mampimenomenoan hatrany Brésil io fa aza gaga ise. Gravy an.

16. FARAGELO
(
06/05/2006 07:55)
Tsy misy sary ve ty zava-niseho eh?
Efa nisy tranga hoatr'izany taty Mahajanga telo taona lasa izay, fa sitrana soa amn-tsara ilay rangahy ary efa nanaovana re-animation speciale ilay fika de mino aho fa hahavita in-1 izy atsy hoa atsy;
Fa mino kosa zaho fa ilay nanapaka azy tsy omeno koa eh, hi hihi !! tsy zaho ts'izy! :-D :-D

17. vahatra22
(
18/05/2006 15:02)
amiko lo d tena alika le ramatoa e! efa tafahoatra ny nataony! mino a fa hanody azy tsy ho ela zao! sady tsy mieritreritra an'le zanany izy fa tia tena! ary i xxx refa mihanihany d mba fidifidio ihany ze blague atao fa ndraindray tena matsiravina ! veta2 loatra! manjary manimba an'le forum!