Lahatra,anjara...tsiny ,tody manao ahoana ankehitriny?

1. petsambava ( 04/05/2006 07:08)
Eo @ fiaraha-monina malagasy indrindra fahiny dia nanan-danja tokoa ny atao hoe lahatra sy ny anjara : ny fahafatesana , ny fanambadiana...
Tsy latsak'izany koa ny tsiny sy ny tody henatra tokoa izany hoe nanana tsiny izany fahiny sy ny hoe hanody azy ny ratsy vitany!

Ankehitriny dia hita fa mizara 2 mazàva tsara nony tonga ny fandrosoana ,ao ireo mbola mitàna an'izany sy mino ao ny tsy miraharaha intsony.
Misy ny miteny hoe refa maty dia maty e .
Ao nefa raha mankeny ambanivohitra ianao ohatra dia mbola maheno ny tenin'ny olona hoe lasan'ireo tsy mataho-tody ny ombinay alina...
Izaho anefa dia mahita fa tsara raha mbola tazomina ireo fahendrén'ny Ntaolo malagasy fahiny e izay no mbola mahagasy ny gasy!
Ny hevitrareo:?:?::?:
2. Fiffi ( 04/05/2006 08:24)
ny Malagasy anie ka tena mbola ao anatin'ny olona feno fahendrena eh! mbola hafa hiany ny gasy , sady manaja ny nolazain'ny Ntaolo , tsy manao ambanin-javatra an'izany afatsin'ny hoe tsy te-ahalala an'izany intsony , nefa ve misy ireo ?
3. diamondra27 ( 04/05/2006 09:06)
misy tsara misy ratsy amiko ny fombamahagasy
4. cutie ( 04/05/2006 09:44)
Izaho anefa dia mahita fa tsara raha mbola tazomina ireo fahendrén'ny Ntaolo malagasy fahiny e izay no mbola mahagasy ny gasy!
Ny hevitrareo?:

za koa manaiky an'zany :P
5. llalah ( 04/05/2006 11:58)
Amiko manokana dia misy ny lahatra , ny anjara ,ny tsiny ; ny tody fa ny fahitako ny fandraisan'ny malagasy izany ankehitriny dia inina tsy raharahina fa rehefa any ela ny ela ka mihatra aminy ny zavatra anankiray izay miseho tsy ampoiziny eo @ fiainana andavanandrony dia latsa- nenina mangina izy
Ny ankamaroan'ny malagasy dia efa tsy dia mieritreritra loatra izany intsony satria mafy angamba ny fiainana ka ny sasany aza manao hoe "
" Ny tody mbola ho ela ve no tsy hanaovan-dratsy asa aloha eeeeeee



6. nambinintsoa15 ( 10/08/2015 02:56)
link text
ny olona rehefa manao ratsy no iharan'ny tsiny na ho entin'ny vitan'dratsy.
tokony ivavaka sy ieritreritra ny tokony ataony ny olona tsiraray satria manjary iharan'izany
Ny malagasy sy ny Ntaolo taloha dia mbola mandala an'izany hatrany tamin'ny androny hany ka mande tsara ny fianany noho izany tokony andinika tsara isika tsiraray avy mba hiray hina sy hifanaja ary hifankatia amin'ny zavatra zay atao
7. andriamananjara96 ( 29/10/2015 17:53)
Inona kay ny atao oe "tsiny Sy NY tody" @NY lesona Malagasy oan'izay mahay? zfdy e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2181