Halatr'omby sy ny dahalo ho foana raha toa ka....

1. xxx ( 03/05/2006 15:11)
Io resaka halatr'omby sy dahalo io dia tsy vao omaly akory fa efa ela na t@ fanjanahan-tany aza dia efa nisy.Maro ny antony ao aloha ny ara-pomba sy netim-paharazana ny bara ohatra mbà hampisehoany ny tanjany sy ahazoany vady dia tsy vitan'ny hoe mitolon'omby fa mangalatra omby ihany koa.
Fa @ izao fotoana dia lasa ohatran'ny mafia kely izany ity resaka halatr'omby ity, misy ny dahalo eny an-tanety dia misy koa ny dahalo eny ambony latabatra.
Ny zavatra nahagaga ohatra indray mandeha nanazava sy niresaka ny raharaha Ikelihorombe Atoa JOHARY RAVOAJANAHARY tao @ TVM ny ampitson'iny toa nampanantsoina tany @ ministéra mpiandraikitra .
Na taloha aza tadidiko tsara fony nahavelona an' i Tpkl MONJA JAONA dia nandroso nihemotra toy ny lelon-jaza ilay resaka DINA ,naninona no tsy nampiarina nefa hevitra tsara?
Midika izany fa tena misy olona mpiaro ary mpiray petsapetsa @ ireo dahalo ireo mihintsy ao @ fitondràna ao mandrak'ankehitrio!
Amiko manokana foana io halatr'omby io raha toa mandray ny andraikiny ny fanjakàna ...raha ireny ULM 2 akanga sisa nanamborana ireny aloha dia tsy ho ampy e! moyens izay .Tsy ny olona no tsy ampy raha ao @ tafika fa ny moyens ,tokony hanao investissement ny fitondràna @ resaka logistique dia foana ho azy io halatr'omby io ...ny resaka passeportn'omby sy ny marques dia tsy misy dikany azon'ny mpangalatra ovaina izany!!
2. ainaheri ( 03/05/2006 16:06)
xxxx nga tsy fantatrao fa misy @ reo mpitondra fanjakana reo reo dahalo raha tsy zany v tsy efa fongana io fa voavidy vola ny rehetra na ny zandary na mpitsara,ny fokonolana mo manginy fotsiny mangina noho ny valifaty ahazo azy!!
Alaivo sary antsaina omby amandrivony no ndray very d mankaiza fotsiny??raha mba azo atao anty paosy mo maninona fa zvtr ngozabe iny!!!
3. Fiffi ( 03/05/2006 16:34)
mba mazana ko zany an!
4. Herimiafina ( 03/05/2006 16:48)
Raha nihetsika ve ny tafika hanongotra io asa ratsy io tsy efa tamin,ny andron'i Pdt Tsiranana dia efa foana io.

Ny tena marina, ny systeme d'élevage any Dago mihintsy no Contemplatif, hireharehana amin'ny harena hananana ny omby hahazoana vady fa tsy natao ho an»'ny production mihintsy. Vitsy noho izany no tena destiné entina amin'ny abattoir entina hamelomana ny any andrenivohitra.

"Raha tsy nisy ny dahalo dia tsy nihinankena ny malagasy".

Fomba fijeriko io ary mba kiano kely azafady fa te ho kianina be ndray zaho androany. :@
5. sonwin ( 03/05/2006 16:59)
araky ny hevitr'ise ve zany ry HM dia ny dahalo ihany no mivarotra omby hamidy atao hena ohanina?
6. Herimiafina ( 03/05/2006 17:18)
Ny omby angalarin'ny dahalo dia destination toerankafa dia abatoir dia lasa eny antsena.

Ny tsy angalariny indray natao ho jerijerena fotsiny fa tsy miditra any ankibon'ny olona. Contemplatif.

tsy mbola naheno ve ianareo ohatra fa ny dahalo lazaina fa tratar dia ireo izay tsy ao anatin'ny reseau, na maateurs fa tsy le tena vrai dahalo mpanao azy.

Systeme organisé ny dahalo ary tafiditra ao daholo na depioté na sous prefet na minisitra na lehiben,ny brigade. Mba hisian'ny omby any amin'ny abatoira.
7. Rainikarabo ( 03/05/2006 18:04)
marina tapany 40% ny hevitr'ise.
8. patrick2002 ( 04/05/2006 02:18)
Marina ny anI herimiafina ,fa mba hanampiako kely hoe inona no niantombohan'ny halatr'omby ,dia:
Taloha t@ andron'ny fanjanahan-tany raha nitsiriritra ny omby gasy ny colon mba hatao varotra haondrana an'i europe,dia nangataka t@ mpanan'omby mba hivarotra ny ombiny ireo anefa tsy nety nivarotra ny ombiny omby 2 sy 3 novarotiny,tsy nahomby iny tetika iny,nasian'ny mpanjanaka indray ny hetran'omby ,@ izay ny mpanan'omby mba hivarotra ny ombiny,ireo indray lasa nitondra ny ombiny nitsoaka tamina zone isolé tsy tongan'ny fiara sahala @ tsiroanomandindy ankavandra,tsy mbola nisy moa tamin'izany ny helicoptere ka notazanina fotsiny tsy hita izay hanenjehana ny tompon'omby, ny gendarme nalefa hisambotra matinb'i tazo,eny ampandehanana tsy nahomby indray iny tetika iny,avy eo dia nalefa ny mpangalatra omby haka ny ombiny ireo mpanana omby hamidy @ compagnie marseillaise ,avy eo aondrana any europe teo no nahitana vokany ,ka dia najanona tamin'io ny toedraharaha,raikitra ny halatromby tao madagasikara izay ny fitondrana mpanjanaka no tao ambadikiny ,nitohy izany t@ androny psd,rehefa foana ilay compagnie goavana dia niditra ny fitondrana revolisionera ,ka nanjary decentralisé ny halatromby,asa na liberalisé angamba no hilazana azy
tafiditra tao daholo na ,president tribunal ,na commandent brigade ,deputé, president fivondronana,officier superieure sns .tsy voafehy intsony ny halatromby.
9. Herimiafina ( 05/05/2006 13:39)
Izay mihintsy leisy ra-patrick. Ary hain'i toi ve le hoe Bara-Bory e? resafa foko ilay izy fa tsy tadidiko tsara fa manana anjara asa lehibe ao anatin'ny resaka dahalo hono izy ireo! Asa aloha fa de izay hono e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.414