Peine de mort na fanamelohana ho faty tokony averina!...

21. vahatra22 ( 03/05/2006 15:15)
za lo tena tsy d'accord @ io mintsy e! Atra no tompon'ny aina d izy no manome sy maka ! ka amiko tsy tokony hanao an'izany mintsy ny olona na iza izy na iza! sady nga ko mo ze ataon'ny any @ firenen-dehibe matanjaka any d tsara sy tokony ho alain-tahaka daoly?
22. Fiffi ( 03/05/2006 15:18)
f'ita wa eh ?
23. Rainikarabo ( 03/05/2006 18:00)
sady ny olana aty amintsika mbola tsy azo antoka ny didim-pitsarana,mbola manankery be ny vola ka sao hamono olo-marina. Marina tanteraka ny voalazan'i Ragadona.
24. Fiffi ( 03/05/2006 18:06)
de ho voavidim-bola daholo zany na ny aina aza !
25. pitchou ( 04/05/2006 02:41)
inn mou no mbola tsy voavidin'ny vola eto e
26. Fiffi ( 04/05/2006 04:49)
indrisy !
27. ari.malala ( 04/05/2006 04:59)
Misy lafin-javatra sasany tena tsy rariny dia mahateny ianao hoe vonoy ho faty, ohatra fotsiny izao izay namono nahafaty t@ fomba feno habibiana an'ilay vhv mianaka t@ herintaona ireny (ilay notapahina t@ scie electrique ny lohany de nafenina tany anaty dalle ny vatany avy eo), dia mila hahateny hoe avereno aminy izay nataony, fa marina mihintsy ilay hoe tsy tompon'ny aina isika dia tsy manana zo hanala aina. Sady amin'izao fotoana izao koa tena efa betsaka ny tondromolotra sy ny fanaratsiana ary ny halako bika tsy tiako tarehy, dia sao hahafaty olon-tsy manan-tsiny e!
28. mandrindra ( 04/05/2006 13:29)
aleo averina ny fanamelohana ho faty. ampiharina amin'ireo izay tratra ambodiomby izany na izay hanana porofo mivaingana fa nahavita famonoan'olona. ary ny famonoana azy dia farafaha-elany herinandro ao aorianan'ny nivoahan'ny didimpitsarana, amin'izay tsy mandany volampanjakana any antranomaizana any, ny toerana any rahateo moa aza efa tsy ampy.
29. Fiffi ( 04/05/2006 20:36)
"Tu ne tueras point.
Ary ny didin'Andriamanitra ?
30. mandrindra ( 05/05/2006 19:47)
ny lalana dia tsy tokony asiana fifandraisana amin'ny finoana satria isika dia tsy firenena miankina amin'ny fivavahana.
31. pitchou ( 09/05/2006 09:30)
fiffi> ka misy koa ange le we maso solon'ny maso aina solon'ny aina e! ireo namono @ tsy antony no iantefan'ny hoe tu ne tueras point fa tsy ireo izay tsaraina mba ametrahana ny rariny!:(
32. tiatsara ( 09/05/2006 12:56)
Rehefa voadona mafy eo @ fiaraha-monina dia tena mahateny hoe tokony melohina ho faty ity, ohatran'ny lay teto aminay mbola tsy ampy 1 volana akory : dadany no nanatsatoka antsy ny zanany kely 3 taona, nohon'ny fisarahany t@ mamany, t@ fomba mahatsiravina.

Anefa rehefa mihemotra kely maka saina dia marina ireo hoe : tsy tompon'ny aina + tsy mamono olona.

Isika tsy miankina @ fivavahana fa kosa mahafantatra ny voninahitr'Atra isan'andro e ! noho izany tsy hoe rehefa hanameloka ho faty dia firenena tsy miankina @ fivavahana, fa rehefa milamina ny fiainana tsy misy ny melohina dia hoe : Jehovah no mpiandry ahy !

Zay no mba hevitro, mampangitakitaka be lay mahita zava-mahatsiravina, anefa mbola mahatsemboka sy mahalatsa-dranomaso koa lay mahita an'ireny film tsindromina ireny, dia miala aina, atrehin'ny vahoaka eo, amerikanina io.
Film aza mampanaelo, ka maika fa hoe : Rakoto tao ananona hono voatsindrona fa voaheloka ho faty, tsy tonga dia misaona ny fontsika gasy.

Aoka ihany leisy, fa mampatahotsa, tsy zakan'ny fontsika gasy leisy zany ! tena marina :}:}
33. pitchou ( 10/05/2006 04:46)
tiatsara> tena aleon'ny gasy tokoa mirongatra be ny famonoan'olona na zaza na lehibe @ tsy antony toy izay famonoan'olona araka ny didim-pitsarana ao?
raha ohatra ve izay no hahafongotra ny famonoan'olona tsy aleo atao? satria raha tsy izany d sahala @ mpamporisika ny ratsy ihany isika rehetra? ka @ izay iza no tsaratsara kokoa ? mody miondrika mikimpy ve de we mivavazka hono? sa hilaza hoe izay mahasoa ataon'Andriamanitra? fa angaha tokoa moa mahasoa ny hisian'ireny vovnoan'olona lazaina fa mahatsiravina ireny raha oharina @ fanamelohana ho faty?
dia angamba raha tsy zakan'ny gasy ny mahita olona iharan'ny didim-pitsarana (aleony lavitra mahita olona tsy naninotsinaninona vonoin'ny jiolahy) d tsy voatery alefa @ fahita lavitra ilay izy! angamba ny raharahan'ny keliberano tsy nalefa t@ fahita lavitra!
34. booboo ( 10/05/2006 05:38)
Ny fanamelohana ho faty ange nisy ary mbola misy foana mandrak'ity ...saingy fotsiny ny fokonolona no manao azy fa tsy miraharaha zay làlana any izy. Jereo @ anaovan'ny sasany zay mpangalatra na dahalo tratra fotsiny na chauffeur nahafaty olona azy ataony tsy mivoaka velona tao koa !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6171