raikitra zany fa d ho avy tsy ho ela ny fanonganana e

1. ravatorano ( 03/05/2006 06:44)
Fanonganana an'i Lahiniriko

102 ireo sonia voaangona

Nanomboka omaly ny fotoam-pivorian'ny solombavam-bahoakan'i Madagasikara izay mety hafampana tokoa manoloana ny fikotrehin'ny avy eo anivon'ny depiote TIM hanaisotra an'i Lahiniriko amin'ny toerany.
Taorian'ny fahatongavan'ny filohan'ity andrimpanjakana etsy Tsimbazaza ity teto an-tanindrazana avy any Iran dia mitohy ny disadisa eo amin'ireo mpiray antoko, ka ny alahady lasa teo dia nisy ny fivoriana maika teny amin'ny « Magro » ary nitohy hatreny Iavoloha mba hanaovana tatitra amin'ny filohan'ny Repoblika sy hakany tso-drano amin'ity ray amandreny ity. 102 ireo depiote nanao sonia hanongana an'i Lahiniriko io alahady io ary mbola nitohy ny ampitso tetsy amin'ny « Magro ». Io andro alahady io ihany, tokony ho tamin'ny telo ora tolakandro, no namory ireo depiote mahatratra 25 i Lahiniriko teny Imarivolanitra, toerana fonenany. Mihevitra ireto depiote 25 ireto fa hiaro hatramin'ny farany ity filohany ity. Manoloana ity fanonganana etsy Tsimbazaza ity dia mandeha ny resa-bola tsy hita pesipesenina hanambazana ireto solombavam-bahoaka ireto mba hahatontosa izao faniriana ny hanala an'i Lahiniriko amin'ny toerany izao.
Tsara ny manamarika fa 105 no vato tadiavina vao afaka miala amin'ny toerany ity filohan'andrim-panjakana ity. Omaly dia ireny niarahan’ny rehetra nandre ireny ny fanambarana nataon’i Lahiniriko fa hametra-pialana tsy ho ao anatin’i TIM intsony ny tenany, ary efa tafakatra 40 mahery ireo depiote avy ao amin’i TIM nambarany fa leon’ny didy jadona ka vonona hiaraka aminy. « Tsy hijanona hatreo ny tolonay, hoy kosa ny ankilany, ka manomboka izao dia tsy vitan’ny miala ao amin’i Tim fotsiny ny lehilahy fa hoesorina tsy ho eo amin’ny toeran’ny filohan’i Andrim-panjakana intsony ». Io isa 102 io moa no nambaran’ny solombavam-bahoaka TIM fa sonia efa voaomana omaly antoandro haroso hanaovana latsa-bato eo anoloan’ity andrim-panjakana iray ity. Io aloha no tarehimarika heno teny an-toerana fa hanao ahoana kosa ny endrim-piovana rehefa tonga ny latsa-bato hataon’ny depiote ? Hisy hamadika sa hitazona ny heviny ny tsirairay ?
MADAGASCAR TRIBUNE
03/05/06 - Naivo kely
novalian'i xxx ny 24/05/2006 18:16
2. Fiffi ( 03/05/2006 08:04)
hummmmm ! mampiheritreritra mafy tokoa zany fandehan-javatra izany an!
3. xxx ( 03/05/2006 08:34)
MAmpiheritreritra aloha, fa raha ny tantara hatrany amboalohany dia ny tsy fantatsika vahoaka dia AREMA ihany izy io, conseillé n'ny mpiraiminisitra Tantely anie io e ! fa nivadika satria nilentika ny sambo, ankehitriny rehefa ho avy indray ny fifidianana dia mandoto rano indray aloha sao ahazo toerana indray fa ao ambadikio ihany ny Deba e ! izao milaza aminareo eto dia manana namana député ary mahalala tsara ny fandehan'io afera io, na dia io trafikana fitaovam-piadiana io aza anie dia mampiheritreritra e! maninona no vao tonga avy any ivelany izy dia nisy io any Bekily, io anie no toerana nahalany azy ho député e ! izany fandehan-javatra izany ve dia tsy mampiheritreritra e ! atao inona fitaovampiadiana nefa tsy tany miady tsy inona miseho sa entina anankorontanana indray mba hidiran-dry zalahy mpitsoa-ponenanana ? Politika goavana io fa anjarantsika vahoaka no mindinika fa lalaovin'ireo mpanao politika tranainy ireo isika, koa samia misaintsaina tsara aloha.
4. memerz ( 03/05/2006 12:06)
Valiny: Dadah ao @ mahaleo sy Raoul ireto ampitenenina ireto.
Dadah:-" la politique, politicienne, sont des trucs merdiques",
Raoul:-" alors, si tu ne veux pas faire de la politique, laisse les gens qui en veulent faire le faire".
Dadah:-" tsy miditra @ zany aho "
Raoul:-" Donc tu laisse les gens semer la merde alors !!"
Dadah:-" zà tsy miditra @ zany hoa, fa ataovy ny an'lisany !!"
Raoul:-" dia izay ataon'là fa aleo aza izany tsika hihianan'ny ama..... eto".
Jereo film MAHALEO 2005 raha te hanamarina.
Mamporisika antsika rehetra handinika io!.
5. jentilisa ( 03/05/2006 12:21)
tena mandady ny trambo ry zareo a! tena mandady!
6. Fiffi ( 03/05/2006 12:50)
hitako io resaka io tao @ le film an!
7. Achia ( 04/05/2006 07:11)
Efa hitako io filme io fa ny tadidiko de ny tenin'i Dama nanao hoe : bedabe ny mpijapy ao , ireo namadika palitao zany no tiany ho tenenina
8. majinikakely ( 04/05/2006 11:45)
http://www.lexpressmada.com/article.php?id=43009&r=6&d=2006-05-04
io zany ny tohiny eh !
:-w:-w:-w:-w
9. Samoana ( 04/05/2006 12:14)
Antokon'asan'ny mpanao pôlitika mihintsy ity tsy mifanara-kevitra sy mifanonganongana ity e !
Mitovy ny hevitra rehefa hangataka 4x4 ary mifanilika kosa rehefa hoe hanongana ny fahantran'ny vahoaka:twisted:
10. majinikakely ( 08/05/2006 08:03)
za d tena leo andry zalah ireo
tena ntssssssssssssssssssssss
11. Fiffi ( 08/05/2006 08:40)
politika daholo zany eh!
12. vitsika ( 20/05/2006 11:38)
Ry Malagasy namako ianareo mahalala ny marina tahaka ny halalako ny mety ka hoy ny teniko :Raha mbola io fomba fitondrana io no eo tsy handroso haingana i Gasikara.eny ho tsara ny tanana ,vita ny lalana ,ho an'iza nefa izany ?firy isan'jaton'i Gasy nefa no mahazo tombotsoa amin'izany ?eny ekeko fa ezaka izany fa saingy ny base aiza ?antsika no mamaly .ny teniko hevitra ka anjaranao no mandalina azy .
13. Fiffi ( 24/05/2006 03:46)
vitsika:
eny ho tsara ny tanana ,vita ny lalana ,ho an'iza nefa izany ?firy isan'jaton'i Gasy nefa no mahazo tombotsoa amin'izany ?eny ekeko fa ezaka izany fa saingy ny base aiza ?antsika no mamaly .ny teniko hevitra ka anjaranao no mandalina azy .
hummmm! aiza ny base ahoana ?


14. xxx ( 24/05/2006 18:16)
ny vitsika nga mba mampiasa lalana e any amban'ny tany foana , oay diso aho kaika mo misy lalambitsika fa keeelibe :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2195