Miseho milay i Lahiniriko

1. xxx ( 03/05/2006 05:15)
Mba gaga iany aho izany hoe inona no antony nandraisana an' Lahiniriko tao am TIM satri mantsy izy dia olona AREMA b mafana fo tamny 2002 reny,isan nametraka ny canal 6 satria membre cabinet tao amny Betsimifira Fredo izy,sa ny mpanao politika gasy maitsy no tsis ilana azy tsony e!
novalian'i xxx ny 07/05/2006 02:10
2. Fiffi ( 03/05/2006 05:19)
sao dia azon'ny ilay fitenenana hoe " ny adala hiany no tsy mba miova" ?
Fa miseo milay ahoana eh ?
3. dadabe ( 03/05/2006 06:04)
asa re ry Fiffi fa angmba ny an'i xxx mety ho alako bika tsy tiko tarehy, satria inona izao no "faux pas "natan'i lahiniriko teo???:-w
4. jentilisa ( 03/05/2006 06:11)
be dia be ka! nigafy ny diplaomasia malagasy izy, nitena any amin'ny tsy tokony hitenenany. Nanamaimbo ny malagasy anie izy tamin'ny fanohanana ampahibemaso ny Iraniana e!

Raha ny tokony ho izy tsy hitako ny tsinin'ny Iraniana manangana ny nokleariny saingy tsy anjarany no miteny amin'ny anaran'ny fanjakana malagasy fa an'i Filoha Ravalomanana. Efa fantatra anefa ny nataon'i Lahiniriko fa izay fantany fa mifanohitra amin'izay mety hataon-dRavalomanana ny nataony haingana
5. ravatorano ( 03/05/2006 06:26)
efa hatry ny ela Ingahy Lahiniriko no nikonokonona sy te handahatra ny zava tsy nety teto amin ny firenena ary tsisy maharatsy an izay.Hevitra ny azy!
Ny maagaga ahy fotsiny dia naoana no niandry an 'iny fiatombohan'ny fivoriana iny vao nilaza fa hiala ho TIM izay midika avy hatrany fa tsy maintsy hiala ho filohan 'ny antenimiera pirenena avy hatrany.
Tsotra ny antony tim no nahatonga azy teo d normaly raha tim no manala anazy eon koa.
Raha nanaraka tsara ny vao2 niseho omaly aho tamin ny tv sy ny hevitra reko tamin ny radio dia tena hanahirana ny fanjakana ny handamina ity raharaha Lahiniriko ity satria na ry zareo tim aza defa hitaka fa efa mivaky amin ny ampahany vitsy ihany izao aloha satria hisy groupe parle'mentera vao2 ho entin i Lahiniriko izay nisitaka tamin'ny tim izany ao.AZza hadino fa taloha raha vao tsy manaraka ny baikon'ny antoko d esorin dry zalahy miitsy eo amin'ny toerana amizao defa nisy fiovana
6. Ragadona ( 03/05/2006 06:37)
Fanarahana am-bokony koa aloha no tsy mampivoatra haingana ny tany an-dalam pandrosoana, variana amin ny fiatsaram-belatsihy sy miatehitra amin ny tombon-tsoa kely(à cours terme)dia misolelaka daholo ny mpitondra ary mahavatra mandainga. Mba diniho ange hoe raran ny amerikanina tsy hanao fitaovana nokleary ny firenena madinika fa hoe loza hoan izao tontolo izao, fa maninona izy ireo no manao sy tsy mitsaha mikaroka hatrany. Ny Eropeana sy ireo firenena matanjaka hafa dia mahatsikaritra ny maha "absurde" an izany fomba izany saingy tombon tsoa iraisana ka ny samy ngeza mifampiaro na fara faharatsiny samy mangina eny fa ny madinika no mifandripaka... Ny tena fahaizana diplomasia dia ny fahafahana mamaha olana ao anatin ny tsy fitovian kevitra fa tsy fanaovana "oui oui"
7. ainga ( 03/05/2006 15:19)
Ragadona : Tsinianao kosa anie izany ilay fifanarahana iraimpirenena momba ny fiadiana mahery vaika ara-nokleary (Charte de non-prolifération...). Rehefa nanao sonia an\'io dia tsy miverin-dàlana intsony ka tsy ilaina iadiankevitra intsony ny hoe maninona ry anona mahazo milalao ary izahay tsy mahazo ! Ny Gasy dia nanao sonia dia izay !

Tsy tokony ho adinoina fa ny fiadiana ara-nokleary dia hafa-kely ka tsy azo alahatra akory amin\'ny fiadiana hafa, na ara-simia na ara-biolojia aza.

Manaraka izany, tadidio koa fa efa be dia be ny fiadiana (ogive sy vecteurs) nopotehan\'ny Amerikana sy ny Rosiana na nahodina (missiles lasa fusées lanceurs de satellites)! Ka ny fiadiana nisy hatrizay aza efa ampy anapotehina impolo ny tany manontolo (na iza na iza tompon\'ireo fiadiana ireo)koa mbola avela hanamboatra koa ve ny hafa ?

fehiny : Diso i Lahiniriko niteniteny foana teny Iran !
8. madera2 ( 03/05/2006 16:39)
tsy mana-kevitra ambara , velomaee!!
9. fijo ( 03/05/2006 20:43)
raha ny heviny aloha ,dia azy manokana iny,tsy olana,fa ilay izy niteny amin'ny anaran'ny madagasikara,no faotana lehibe vitany,ka izay dia azo hitsarana azy.
10. mandrindra ( 04/05/2006 12:52)
sombitsombiny nalaina tao amin'ny lexpress anio 4 may 2006.
hoy i lahiniriko : "les réalisations scientifiques récentes de l'Iran et son accès à la technologie nucléaire pacifique qui constituent un succès pour lui, mais aussi pour tous les pays en voie de développement", selon l'agence iranienne Irna.
io izany no teny nahatonga ny disadisa raha ny fahazahoako azy. raha io marina aloha no nolazainy dia tsy hitako izay olana satria mazava tsara hoe techologie nucléaire pacifique.

Lexpress : "Pour enfoncer le clou, le général Marcel Ranjeva insiste sur "l'absence de caractère officiel de ces voyages et de ces déclarations non mandatés par l'Exécutif"."
Noho izany tsy niteny tamin'ny anaran'ny fanjakana malagasy izany i lahiniriko.

Lexpress tohiny :"“C’est une déclaration personnelle qui n’engage pas l’Etat”, atténue Franck Ramarosaona, conseiller spécial pour les affaires étrangères de Jean Lahiniriko. "

aiza ihany ny marina ? resaka fandrebirebena saimbahoaka sisa izy ity e !!
11. manantsoa ( 04/05/2006 16:27)
Tsy nanota izy fa solafaka ry zareo a.
Mafy anie ry zalahy izany te ho filoham-pirenena izany e.
Tena lasa manao ny tsy fanao mihitsy.
Mila vola be mantsy ireny propagandy ireny ( hanaovana tee-shirt sy casquette ,... ) ka misy ny sasany alaim-panahy mangalatra ,misandoka ,manao vola sandoka,miloka na mivaro-panana ,sns , ....Ka raha mba mahita sponsor amin' ny fomba hafa kosa ve ny sasany dia diso ?
Mbola ho avy ary izany Dollar marobe avy any LIECHTENSTEIN izany fa andraso anie .
12. fijo ( 04/05/2006 19:25)
amin'ny maha filohan'ny andrim panjakana azy aloha,dia tsy tokony nanao io resaka io mihintsy izy.na amin'ny anarany samy irery na ofisialy.
satria raha tsy voahongana eo anie izy,dia io indray no azo hisamborana sy hitsarana azy e.dia vita arapolitika eo.
izay le fisainana ilaina raha mba mitetika zavatra fa tsy entim po.
13. xxx ( 05/05/2006 12:52)
Misy olana izany ry mandrindra eo @ lafiny diplomatique. @ hevitro dia tsy afaka hiteniteny etsy sy eroa na haka position @izatsy na @izaroa ny olom-pajakana rehefa mamita iraka ivelany.
14. fijo ( 05/05/2006 19:42)
na mamita iraka izy na mandeha manao vokansy,raha olom panjakana,dia tokony ahatsapa sy hanana fifehezana tsara izay zavatra lazainy.
raha manao vakansy ve ohatra ravalo"tsy miasa izy izany eto"ka miresaka dia miteny hoe :"ny gasy anie ka mihinana'ny T...ny e"dia ahoana?,,,,satria ve tsy amperinasa dia tsy gravy le resaka?????
15. xxx ( 06/05/2006 04:20)
fa Ravalo ovina tsy nirediredy?
16. fijo ( 06/05/2006 20:58)
efa nirediredy tany aminareo ngah?????
17. xxx ( 07/05/2006 02:10)
fijo:

efa nirediredy tany aminareo ngah?????
tsy aleo avadika ilay fanontaniana? taiza izy no mbola tsy nirediredy? =))


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2029