Izay orin'asa tantanan'ny fanjakàna tantely afa-drakotra ...

1. xxx ( 02/05/2006 18:34)
Mandrak'ankehitriny izay orin'asa tantànan'ny fanjakàna dia tantely afa-drakotra:toy ny JIRAMA ohatra :ny antony dia be ireo gabo- raraka ,poste politique ihany koa moa ka dia mazava ho azy. Raha nahitàna solution ny tao @ AIR MADAGASCAR noho ny fiaraha-miasa t@ LUFTHANSA CONSULTING maninona no tsy tokony ho atao koa @ JIRAMA e!
Izaho aloha dia miàla tsiny fa tsy mahafa-po ny qualité de service izay omen'ny JIRAMA mandrak'ankehitrio e sady efa lafo nefa dia mampalahelo raha mampiasa ordinnateur ianao ohatra ka tsy manana onduleur dia mampanahy ihany satria indraindray miakatra tampoka ny tension.
Ny rano dia surtout rehefa fahavaratra dia maimbo eau de javel no hita fa maloto.Raha misy fuite moa ka mbà miantso depanneur efa firy andro vao tonga.
Nefa raha tsy mahaloa vidin-jiro sy rano ianao mailaka mihintsy ry zareo ny hanapaka.
Na hampiditra rano izany ary ianao mbola azo atao hoe ady mangotraka vao mahatafiditra ,raha mahalàla olona ka mandoa écolage dia mety ho haingana ihany ,sinon eo ianao no raisina...Tsy fanaratsiana be fahatàny fa zava-misy no tenenina e:evil::evil:
novalian'i xxx ny 06/06/2006 07:28
2. Fiffi ( 02/05/2006 19:11)
ka inona ary no hazo hatao ?
3. xxx ( 10/05/2006 10:19)
Tena kivy mihitsy ny tenanay @ io JIRAMA io, rehefa tsy zakan-drafanja io maninona no fikiriny e ? mba fantrareo moa fa efa aman'aliny zao ny olona mandoa devis tany t@ 2004 nefa dia MIESONA LAZAINY FA TSY MISY MATERIELS NEFA NY VOLAM-BAHOAKA efa laniny' avy eo milaza tsy mandray DEVIS vaovao raha tsy regler ny teo aloha nefa INONA AKORY FA ZE MANDOA ECOLLAGE TAFITA FOANA E!, sady efa tsy misy qualite de service no mbola fetsifetsy ihany. Ao koa angamba raha matoa TSY VOASAKAN'NY mpitondra mihitsy zany, fa tsy vao ianao no mimenomenona amin'izany.
4. xxx ( 06/06/2006 07:28)
Dia iza indray zany no hasolo ny fanjakana:?:izany tantely afa-drakotra izany moa ilay maniditsidina tsy mahita izay lalan-kizorana sady mimonomonona no manindrotsindrona izay mifanena aminy eny ?:lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2314