Ny ronono mangotraka ny salaka tapaka ......

1. xxx ( 02/05/2006 16:59)
Ny ronono mangotraka ,ny salàka tapaka ,ny rafozana tonga..tsy hita izay tian'ny mpitondra atao ..izany no zava-misy ara-pôlitika eto MADAGASIKARA @ izao ..ny ao am-bilia tsy lany ny eny ambilàny takarina ...Mbola maro ireo olana mila ho vahàna rien que ny fampihavanam-pirenena sy ity inflation mampiteny ny moana ity ny sasany efa mieritraritra izay ahalàny @ 2007 sahady ..Ny probléme entre TIM koa mbola etsy andaniny ry zareo ihany aza tsy mahasàsa ny lamba maloto ao an-trano !

Ny tenanay aloha dia tsy hifidy @ 2007 e! ny antony na iza na iza lany eo ny hameno paosy no prioritaire fa tsy ny hanasoa ny vahoaka...Raisinay antanan-droa ny t-shirt ,ny vary ,ny satroka penjy,...sns @ propagande na dia handàtsa anay aza pendant 5 ans ..IZAY AVENIR eto MADAGASIKARA dia mbola MAIZINA e!...tsy misy fanantenana
novalian'i fijo ny 04/05/2006 19:28
2. sonwin ( 02/05/2006 17:57)
izao zany ilay hoe sady kivy no very fanantenana no tsy hanao adidy.

Ny fampandrosona tsy miankina amin'ny mpitondra ihany fa miankina amin'ny tsirairay ihany koa. Mba mahagaga ihany ny mbola mahita olona midonana-poana any anaty birao, mihainohaino sy mijorojoro eny an-dalambe, manao rami amin'ny 10 atoandro, sns...fanampiny:mba firy moa no olona vonona handoha hetra marina,tsy misy manao déclaration marina momba ny hareny, mampanofa trano tsy manao déclaration, sns maro, refa hampiditra entana avy any ivelany dia tonga dia ny lalana any ambanin'ny tany no katsahina mialoha ( manq à gagner ho an'ny fanjakana daholo izany),ka hoy aho marina fa manana ny andraikiny lehibe ny mpitondra nefa koa ny isam-batan'olona tokony handray anjara mavitrika amin'ny fampandrosoana...miainga amin'ny fampandrosoany ny tenany sy ny ankohonony, miasa miaraka no fahombiazana. Dia aza kivikivy izany fa mahereza miasa sy mitady saosy.
3. patrick2002 ( 02/05/2006 19:53)
raha ny fahitako an'i xxx tsy hividy izy satria tsy mahazo milatsaka ny candidat ,tiany,fa mbola manefa ny sazy ao @ villa neully,MOA KA TSY IZANY VAH!=D=D
OYE OYE
4. vale ( 02/05/2006 20:56)
marina an'zany!:lol:
5. xxx ( 02/05/2006 23:34)
Tsara ny soson-kevitra nataon'ilay tsy nitonona anarana, fa mba jereo kely aloha. Mazàna mantsy ny Mpitondra foana no voahenjika. Tsy izy ireo ihany no manam-pahadisoana, fa na isika vahoaka koa aza ao anatiny. Fa inona moa ny Fanjakana fa tsy ny vahoaka? Isika tsirairay avy no saro-tiavina sy entina. Alao ambony, alao ambany fa io Mpitondra enjehintsika io anie ka efa mpanefoefo talohan'ny naha-Filoha azy e ! ka mino aho fa tsy ny hameno ny paosiny loatra no masaka ao aminy fa fanafaizana ireo vahoaka sasany zatra ny gaboraraka ka manakenda ny vahoaka mitovy aminy.
6. Fiffi ( 03/05/2006 05:23)
mora koa ny mitsikera fa mba aza variana manao an'io loatra fa mba jereo ko ny réalité eh!
De tsy hifidy zany ? io no hatao hoa "mitsaoka hadidiy" de ahoana izany ? ka naninona no raisina hiany ny tee-shirt sns ..... ?
7. dadabe ( 03/05/2006 06:12)
sonwin=D=D ekena less papa a, mendrika ny ho ministra less lah le :°)
8. fijo ( 03/05/2006 20:49)
le zatra mialangalana nefa be tsikera ity aloha diahialao,fa,io no tena manimba antsika e,ataovy aloha izay azonao atao.dia efa ampy izay
9. mandrindra ( 04/05/2006 12:58)
marina izany ry fijo. fa ilay hoe ataovy aloha izay azo atao dia tsy voatery hoe ho an'ny firenena direkta izany. ataovy aloha izao azo atao ho an'ny tenanao sy ny ankohonanao. rehefa mandeha ny tokatranonao dia efa anjara biriky ho an'ny firenena izay, satria ny tokatrano tsirairay no mitambatra manome ny vahoaka malagasy. tsy izay manana andraikitra ambony ihany no mandray anjara sy afaka mampandroso firenena. samia mandray ny andraikitra tandrifina azy na kely io na lehibe. izay no nahatonga ny hoe ny erikerika no mahatondra-drano.
10. fijo ( 04/05/2006 19:28)
izay mihintsy;ny tena no ataovy izay hananany,dia manana hoazy ny fiarahamonina.
ilay revolisiona sosin'alika iny anie no nanimba antsika e.
aiz aka lasa toa ny fahotana ny fananana harena amin'ny sasany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2404