NY SISIN-DALALANA ? natao ho an'iza......

1. gasypantin ( 02/05/2006 10:32)
Mbà mampanontany tena ry zareo ny zava-misy mandak'ankehitrio dia ny momba ny sisin-dàlana na ny trottoir .Anarchie na samy manao izay tiany atao ? izany ve moa no nifanarahana ....
-ao ny mivarotra
http://www.01madagascar.net/images/news/gf/020-trottoir-17.jpg
-ao ny manahy vary
http://www.01madagascar.net/images/news/gf/020-trottoir-16.jpg

sns..
àry ny tena mahasosotra dia sady tsy fafàna ilay izy avy eo fa avela @ izao dia ireny no entin'ny orana matetika ka manentsina ireo évacuation-drano dia tsy mahagàga raha hatreny ampoto-pé ny rano refa avy ny orana.Ekena fa mahantra ny tanàna nefa na dia izany aza ve?
novalian'i Fiffi ny 16/05/2006 12:54
2. Fiffi ( 02/05/2006 11:11)
na izany aza ve ? marina ny anao! ary noheveriko fa hoe tsy azo hatao intsony ireny mivarobarotra eny @ sisin-dalana ireny.
Ilay manaha vary aloha dia tena mba hafahafa mihintsy an! nefa moa inona no hazony hatao raha tsy misy toerana hanaovany an'izany ? na izany aza dia tsy mety aloha le hoe avela eo daholo ny loto eh!
3. xxx ( 03/05/2006 06:37)
zao e! any @ le fototry ny olana no tokony jerena fa tsy faly manome tsiny ny hafa fotsiny.Satria tsy iainanao le fiainana misy ireny olona ireny de sarotra be aminao ny hi-comprendre ny tena problème mahatonga azy hanao toy ireny fa ny hany fantatrao fotsiny de hoe tsy tokony hatao izany de izay!
Marina tokoa fa tsy tokony hatao le izy nefa tsy ireny olona ireny irery no mahatonga izany fa misy facteur be de be tafiditra.
Raha hitady vaha-olana de hatrany @ fotony no hamahana ny olana fa tsy hoe solution akaiky kely toy ny hoe esory eo fotsiny ny mpivarotra de izay! Rehefa miala eny ireny de mety ho eny Tsaralalana ny vehivavy @ hariva na hangarom-paosy sy hangalatra ny lehilahy.
Rehefa misondrotra ny toe-karena ankapoben'ny firenena de miala ho azy eny ireny mpivarotra amoron-dalana ireny na tsy roahinao aza.
Fa raha mbola mahantra noho ny serveur-na restaurant sy ny agent de sécurité any @ firenen-kafa ny ingénieur sy ny dokotera eto Madagasikara de tsy maintsy ho feno mpivarotra ny moron-dalana.
4. Rainikarabo ( 03/05/2006 18:05)
:roll:
5. gasypantin ( 06/05/2006 10:50)
io indray ry akàma tsy atao ho karazana elo miaro orana lava ny fahantràna a! asa ianao raha nahatadidy ny bordel teo ANALAKELY taloha fa nandray fepetra henjana ingahy RAZANAMASY nanàla ny mpivarotra rehetra teo ANALAKELY sy nanàla ny trano hazo teny amoron-dàlana,nanao ahoana ny vokany?anao ny mamaly ry xxx
6. vale ( 16/05/2006 12:48)
xxx; na nofoanana aza ny fivarotana eny amoron-dalana , moa tsy nisy toerana nasolo izany ve? ary ny mahagaga amin'io koa dia te hihangona ao an-drenivohitra daholo ny ankabeazan'ny olona, nefa raha mamboly sy miompy any ambanivohitra ve tsy ho tsaratsara kokoa eh! io fitiavam-bola io wa!!!:P

manarak'izay, miteraka loto ny fivarotana eny amoron-dalana, reny mpanao vary tsangana, mpivarotra nems,sns reny ohatra, tsy maintsy hisy sakafo miraraka eny ary raha tsy manadio lay toerana izy avy eo, dia hiteraka ny vôlavo sns,,,

zavatra iray tokony hataon'ny fanjakana koa angamba dia mampitombo ny isan'ny "poubelles", eny amoron-dalana mba tsy hanipatsipazan'ny olona ny fako madinidinika, eny an-dalambe eny!

xxx; ny fahadiovana kosa tsisy hidiran'ny fahantrana an! angaha ny pômpy publika moa no tsy misy? na koa ny kofafa no dia lafo be manakory??;-)
7. Fiffi ( 16/05/2006 12:54)
xxx: ka le izy anie de zao eh! tsy dihovina ny tanana ! romotra ianareo , be menomenona fa hoe maloto etsy sy eroa ! Dihovina indray ny tanana ; de vao maika pire ny fimenomenonana ! de ahoana zany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1939