NASIAKA... izay no azo ilazana ny nambaran'i Laza momba ny famokarana sarimihetsika eto madagasikara, aminy izany dia tsy mbola sahiny akory ny miteny hoe" sinema " ireny vitan'ny mpanao film alefa any @ REX sy RITZ ireny fa zavatra hafa toy ny feuilleton angamba? Fa tsikera hanatsaran-javatra ve izany sa hanakianana. ary ampy ve ny mitsikera fotsiny satria mbola tsy hollywood na bollywood ange ny ato dago ...
Raha ny hevitro manokana dia mitady zavatra sarotra sy compliqué ny mpanao horonantsary mihetsika gasy...Ny vola eo ampela-tanana nefa hita fa voafetra ihany koa en plus tsy hitovy @ an'ny vazaha...
Asa isika izay nahatadidy ny nataon'ny mpanao tantara tao @ RNM taloha maninona raha atao zavatra tsotra toy ireny nefa mahaliana ..isan'ireny ohatra JEAN ROBERT izay nolalaovin'i tpkl DAWILY sady tao @ radio no tao @ télé ...
Izaho sy Lemenakely aloha mitovy hevitra e! azo atao dia azo atao ny manao zavatra tsotra nefa tsara, tsy mila vola be nefa misy lanjany. Dia misia indray miteny hoe ka nahoana no tsy manao ho jerenay.