Aleo very tsikalakakam-pihavanana toy izay very .....

1. petsambava ( 28/04/2006 07:43)
"Aleo very tsikalakalam-pihavanana toy izay very tsikalakalam-bola."Izany tokoa indrisy no zava-miseho ankehitriny matoa miady izao ny mpivady dia vola izay ,matoa ny mpanakanto misaraka dia ara-bola izay ,matoa ny mpianadahy na ny mpiralahy miady vola izay,ny mpanao pôlitika moa dia tsy lazaina intsony...efa hainareo.
Ny zavatra hita aloha dia mihavery ny fahendren'ny Ntaolo fahiny ..taloha na ny tain'omby mivadika aza tsy nisy sahy naka intsony ..izao na ny vady ao an-trano raha tsy mailo lasandry zalahy raha vao mihànahàna hi hi hi:-D:-D
novalian'i vahatra22 ny 08/05/2006 13:58
2. Fiffi ( 28/04/2006 10:22)
marina daholo izany voalaza izany satria antony iray tokoa mampisasaka na manimba fihavanana ny vola , aingy kosa , tsy ny vola hiany anefa no tena anton'ireny fa misy betsaka koa. Fa ny dinika eto moa izany resaka vola ka dia aleo tohizana @ vola !
"Dia ao koa ny hoe ny vola hono tsy maha-rangaha "
dfa na izany aza dia io aloha ny fomba fitenenana fa tsy aleo kosa ve havadika ?
3. fijo ( 30/04/2006 19:11)
ka ny vola anie no andriamanitra mahery indrindra e.na mopera sy rapasy aza miondroka vao mahita azy
4. mirana5 ( 02/05/2006 10:18)
K:snif:a raha tsy misy ny vola ange é na koa manao^:^ sady tsy afaka :miam: sy:@, ka ahoana?
5. mandrindra ( 02/05/2006 11:33)
vola, vola, vola ihany
no himatesana eto an-tany
6. pitchou ( 02/05/2006 16:44)
samy manana ny himatesany kosa io e! aiza no d we vola ihany! saingy ny vola fôna mou no voateniteny ary ny vola tô mahasokatra varavarana maro
7. cutie ( 05/05/2006 23:31)
tsy azo atambatra nga le vola sy fihavanana @ zay tsy misy very :-D:-D:-D
8. vahatra22 ( 08/05/2006 13:58)
tena marina zany! maro mintsy no very tsikalakalam-pihavanana noho io resa-bola io! fa ny hany azo atao d miezaka mitandro ny fihavanana tsy ho rava!:oops:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.13