kolikoly eo @ raharaham-panjakana

1. rasah ( 28/04/2006 07:09)
tsy handaitra mihitsy ny ady atao @ kolikoly eny anivon'ny biraom-panjakana raha tsy misy fanovana rafitra lehibe.raha tsy fantan'ny mpila raharaha @ ireny birao ireny mantsy izay olona mahefa afaka mahaha ny olany dia voasarika hatrany izy hanao hitsin-dalana ka manao kolikoly
novalian'i naej ny 09/05/2006 12:55
2. Fiffi ( 28/04/2006 10:28)
izany hoe ilay kolikoly aloha no tena mbola tadiaviko hoe inona ?
3. 4mimananelatra ( 28/04/2006 12:09)
tsolotra re izany e na écolage na piston mitovy daholo!!!
4. fijo ( 28/04/2006 18:01)
marina io voalaza io.ny vahaolana dia tokony asiana ,boatin'afatra kely natokana hoan'ny BIANCO isaky ny minisitera,dia asaina manao "badge" ny mpiasa rehetra,ka raha misy mitaky ecolazy,dia raisina ny anarany,dia anaovana tatitra ,ary alatsaka ao anatin'ilay boaty kely,izay ny bianco ihany no hafaka hanokatra azy.
mety hampihena ny tsolotra izay.
raha toa koa,ka itanao,fa milona be nyzavatra ataonao,dia manao tatitra mzava miaraka amin'ny andro,hora ary ny anaran'ilay mpiasa nandray ny tena ary alefa ao.dia anjaran'ny bianco,no manadihady hoe tena rariny ve io fempotoana io sa ahoana?
mino aho fa hampiova ny fomba fiasa sy fisainana izay
5. rabaradaka ( 30/04/2006 07:20)
Marina fa miady amin'ity kolikoly ity ny fitondram-panjakana, nefa tena loza be no mitranga ankehitriny fa tena anjakan'ny risoriso izay atao rehetra, ny mampalahelo dia ny polisy syny chauffeur tratra manao afera no miditra am-ponja fa ry zareo ngezalahy tsy andairan'ny fanenjehana. Tena marina e !
6. fijo ( 30/04/2006 17:19)
hatraty io e,ary eran tany dia toa izay foana.
7. tovolahy007 ( 01/05/2006 01:11)
salama e!
Amiko de zao e,raha tiana ny ahafoana ny kolikoly de ataovy betsaka ny karamanireo mpiasa-panjakana ireo.Ny fahitako azy mantsy de zao,tsy ampy sady kely ny karama raisin'izireo ka hany izy ka mitady zay fomba mba entina hanampiana izany karamany izany.Ka refa betsaka ny karama raisiny nefa mbola manao io tsolotra io iany izy dia efa namany mangalatra izy zany ka ny fonja no mendrika azy.
Vola no olana de vahana @ alalany vola iany le olana e.
8. fijo ( 06/05/2006 03:20)
ka ny karama miankina amin'ny tetibolam panjakana hoentina miasa isan taona,fa tsy azo atao hoe ampiakariko ity fa kely.raha izay no mitranga dia lasa 1000 000 000ar ny 1€
9. naej ( 09/05/2006 12:55)
KOLIKOLY? ny olona tia kely sy tia tena ary tsy misy feon'ny fieritreretana no manao azy . tohanako ilay hevitry ny namana iray hoe ASINA URNE NY BIANCO isaky ny Biraom-panjakana dia atao ao ny anaran'izay be vinany sy ny zavatra nataony, dia ampiko kely hoe:ASIO Affiche milaza ny montant aloa tokony aloa isaky ny asa atao ary ampiana sora-baventy hoe: tsy manao risoriso.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0522