Hita sy tsapa fa miha roboka @ fisotroana toaka ny tanora!!

1. petsambava ( 25/04/2006 19:56)
Zava-doza !!izay angamba no azo ilazàna azy ny fahitàna ireo tanora eto an-tanindrazana roboka @ fisotroana zava- mahamamo toy ny toaka sy ny labiera ...Inona no antony? ao ny tsy an'asa ,ao ny manana olana ara-panambadiana ,sns...
REVY io razoky a!!!izany no valinteny avalindry zalahy ...MAMO avy eo dia miady, migafy etc....ny tena mampalahelo dia maro ireo namoy ny ainy tsy fidiny noho ny tsy fahampian-tsakafo nefa ny toaka bobohana.Ny vady aman-janaka mahia toy ny kitay misy mandany ny karàma 1 volana @ toaka ,misy mitrosa mihintsy ...ZAVA-MISY IZANY!
Ao koa ny mi-consomme 500fmg na 100ar ireny toaka en vrac ireny in1 na in 2 isan'andro

Aza mbà manambady mamolava ihany hoa
fa mpamelona irony EPICERIE
ny tenany anefa dia mahia
ny vadiny dia antitra tsy fidiny
vao jerena dia vehivavy fara-hidiny...hoy ilay hira
http://www.madanight.com/madagascar-photo-20368.htm
novalian'i cutie ny 26/04/2006 10:36
2. Lejim ( 25/04/2006 23:04)
Zah ary saika hamaly hoe: revy io ry petsambava a! lol
Fa marina anie izany, revy io, izay mivaro-lavo ihany no ratsy!
3. vegas ( 26/04/2006 00:13)
Rehefa tsy isotro tôka nefa de haninona? Hisalaka tanana ve?
4. Fiffi ( 26/04/2006 03:46)
petsambava: fa @ fomba ahoana aloha no ahafantarana fa misotro taoko ireo olona hita ao @ io sary io ? toa betsaka hiany ny zava-pisotro hamidiny ao .
Tsy tokony hatao koa angamba hoe ireo tanora eto an-tanindrazana roboka @ fisotroana zava- mahamamo toy ny toaka sy ny labiera ... tsy mandaha ny lazainao aho fa angamba tokony natao hoe "misy ireo tanora fa tsy tanora satria mino aho fa tsy ireo tanora rehetra no manao an'izany! Satria misy tokoa ny tanora matotra , indrindra raha efa manambady sy manan-janaka .
Marina ny anao fa mampalahelo tokoa ny fahitana ny zava-misy tahak'izao , arakin'ny lazainao hoe hisy hamaly indray hoe "revy" zany a fiainana daholo izany. saingy ny taoka hono tsy mba azo hatao namana nefa dia tena misy tokoa ny manao namana azy.
5. sonwin ( 26/04/2006 05:38)
marina ny an'i Lejim
6. Rafotsy ( 26/04/2006 05:56)
Nijery ilay sary koa aho ary tsy hitako marina izay tokony andraisanan'i petsambava ilay conclusion ny !
Tanora miala hetaheta sy voly no hitako eo !
Raha hitanareo eny @ terrasse de café koa aho izany dia misy ny ilaza fa roboka @ toaka ny diaspora indrindra ireo zokinjokiny fa sarotra ny fiainana aty ivelany ? Kanefa petit noir no sotroiko na vittel menthe ? Kanefa tsy tazan'ilay mpandalo ?
7. xxx ( 26/04/2006 06:15)
ilay sary anie illustration fotsiny e !fa mbà mandalova harivariva @ ireny épicerie ireny na bar ny anabaviko moa dia tsy mety mihintsy raha irahina fa feno lehilahy ny épicerie mpivarotra toaka ireny hoy izy!!!
8. rurik ( 26/04/2006 06:19)
mahita ilay we THB angamba izy dia lazainy fa zava mahamamo daholo no ao nefa toa tsy zava mahamamo ihany no itako ao fa toa misy na au vive.
Marina aloha fa tena misy ny mivary lavo fa tsy ny rehetra kosa eeeeeeee.
9. 4mimananelatra ( 26/04/2006 07:16)
ity izao misy sipa misotra ice tea
http://www.madanight.com/madagascar-photo-20453.htm

ity indray café
http://www.madanight.com/madagascar-photo-270008.htm

ity rano fotsiny
http://www.madanight.com/madagascar-photo-27010.htm

itony ny seza fiandrianana e
http://www.madanight.com/madagascar-photo-27045.htm

dia rehefa avy eo raikitra @ izay ny combat e, sy ny confrontation du procés verbal
http://www.madanight.com/madagascar-photo-27056.htm
10. xxx ( 26/04/2006 07:45)
sao dia ataon'ialahy hoe mamo lava lesy aho
sao dia ataon'ialahy hoe katry lava lesy aho a
tsia lesy a
mba misotrosotro lesy aho a:-D:-D
11. lemenakely ( 26/04/2006 08:11)
Ny zava-misy aloha matoa ireny orin'asa mpanamboatra zava-pisotro misy alikaola sy ny importateur ireny mandeha(DZAMA ,ROYAL SPIRIT,STAR ,SOMADIS...) misy tsy maharaka ny commande aza ...dia misy ny consommateurs izany. Ara-barotra moa dia ao ny offre dia misy ny demande izany e..
Ny tena maha lasa saina anefa dia tsy vitan'ny hoe zava-pisotro mahamamo fa mbola ao koa ny sigara izay efa mihalafo ..misy aza mbola avo lenta kokoa dia ny rongony izany

Nisy mésure aloha noraisin'ny fanjakàna toy ny famerana ny publicité momba azy ireny sy ny ora fikatonan'ny bar sy épicerie @ 22h 00 nefa na izany aza dia hita sy tsapa fa fandaniam-bola ho an'ny demande ary tena fidiram-bola ho an'ny offre!!
12. cutie ( 26/04/2006 10:36)
Mpandefa : Lejim [ Valio ] 26-04-2006 04:04:09
Lohateny : Re : Hita sy tsapa fa miha roboka @ fisotroana toaka ny tan
Zah ary saika hamaly hoe: revy io ry petsambava a! lol
Fa marina anie izany, revy io, izay mivaro-lavo ihany no ratsy!
miombon-kevitra za
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4532