INFLATION eto MADAGASIKARA mampieritreritra!!!!

1. 4mimananelatra ( 25/04/2006 09:22)
Mampieritreritra ary tena mahalasa saina ihany ny inflation na ny fidangan'ny vidim-piainana eo MADAGASIKARA eto !!!ny toe-karena(économie) dia ny carburants na ny solika no fototra iray andehanany ankoatry ny jiro sy rano .Or ny 1 litre d'essence izao efa ho 12.000 fmg izany hoe efa mila ho 1 euros nefa ny smig eto MADAGASIKARA aza même pas 20 euros,tsy fideràna ireo mpitondra teo aloha kosa aloha fa dia nisy foana ny subvention izay natao mbà tsy ho sempotra ny vahoaka @ fidangàn'ny vidin'ny solika !!!MANINONA NO TSY ATAON'NY MPITONDRA @ IZAO IZANY?
http://www.madanight.com/viewarticle_794.htm
2. Fiffi ( 25/04/2006 09:45)
indrisy fa tena mampalahelo be tokoa ny mahazo ny Malagasy nohon'izao fisondrotan'ny zavatra rehetra izao , saingy ny aty ivelany koa anie ka tena olana be koa an! aiza ve ka ny 1l mahatratra 1.35€ na 1.25€ , efa ho 17.500FMG na 18.900FGM . Saingy tsy mitovy arakin'ny nolazainao satria raha jerena ny smig any tena kely dia kely tokoa.
3. Fiffi ( 25/04/2006 09:47)
Vidin'ny solika
Tsy mitsahatra miakatra ny vidin'ny solika. Ny solika fampiasa ao an-tokantrano dia niakatra hatrany amin'ny 10,3%.
Ny sabotsy tamin'ny misasakalina no nihatra izao sondro-bidy izao, teto Madagasikara. Ho an'ny tobin-tsolitany Galana sy Total dia nahitana fiakarana 6,6% ny lasantsy voadio (sans plomb) satria raha Ar 2090 ny litatra teo aloha dia lasa Ar 2230 izany, Ar 140 no elanelany. Ny lasantsy tsotra no tena nahitana fisondrotana satria raha Ar 1790 izany teo aloha, tamin'ireo toby famatsiana solika maro an'isa, dia tafakatra hatrany amin'ny Ar 1920 ny vidin'ny litatra. Izany hoe niakatra hatrany amin'ny 12,8%, nisy fiakarana Ar 230.
Ny vidin'ny solika fandrehitra koa dia nahitana sondro-bidy 10,5%. Ar 1230 ny vidin'ny litatra tamin'ireo mpamatsy roa maro an'isa, samy nanana ny vidiny anefa izy ireo tamin'ity fiakarana farany ity satria ny an'ny Galana dia nisondrotra ho Ar 1360, ny an'ny Total kosa dia niakatra ho Ar 1340 ny litatra. Nahitana elanelany Ar 130.
Ny vidin'ny gas-oil indray tamin'ny tobin'ny Galana dia Ar 1596 teo aloha, niakatra Ar 1740 izany ankehitriny, raha ny isan-jato izany dia manome fisondrotana 9%. Tsy dia mifanalavitra amin'izay koa anefa ny sondrom-bidin'ny gas-oil any amin'ny Total satria raha Ar 1596 izany teo aloha dia lasa Ar 1730 izao, nisy fiakarana Ar 144.
Tsy azo ihoarana ny vidin'ny solika eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena satria efa mananika ny 62 dolara ny barila.
Patrick Andriamahefa L'Express de Madagascar
4. kally ( 25/04/2006 10:04)
Mahagaga ahy tsy misy olona mba manao kajikajy tsotsotra ka mahita ve fa ny fanjakana sy ny governemanta no tena mihinam-be @ io resaka solika io : Raha 72 dolara ny barila , ohatrinona izany ny vidin'ny iray litatra,ampio ny vidin'ny fitaterana sy ny fanadiovana azy dia ataovy amn'izany ny kajy tsotsotra fa raha ny tena marina tsy tokony ho io vidiny amin'izao io ny vidin'ny solika fa ambany lavitra, dia tsy misy miteny fa hoe ka izay no izy e!raha izaho ny governemanta marina tsy amidiko 5000 ny iray litatra rehefa tsy misy miteny dia lazaiko hoe ka ny barila tsinona 80 dolara koa!!!
5. xxx ( 25/04/2006 11:49)
lazaiko aminao fa na 50.000fmg aza ny litren'ny essence dia misy mahavidy foana izay no tena mahagaga ,(c.f crise t@ 2002 nisy période nahatratra 45.000fmg ny litre nefa tsy essence pure fa mitampoka zavatra hafahafa!!!)
6. Herimiafina ( 25/04/2006 13:20)
Misy foana io inflation io raha mbola mandeha amin,ny prinicp-e de parité par rapport aux devises ny pannier de devises-tsika nefa isika mbola mivelona amin'ny importation.

Momba ny solika dia iny no mba hany fidirambolan'ny Fanjakana ka aleo hasondrony any, amin'izay koa mihena ny isan'ny fiara efa tsy tokony handeha intsony ao Dago.

Milaza fa miaina amin'ny SMIG daholo nefa toa manana fiara valerana 10 millions mantsy ny malagasy amin'izao ary mi-grevy any amin'ny resaka bien de luxe toy ny lasantsy. Asa aiza le incoherence. :@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7716