godro²

1. fasoa1 ( 20/04/2006 15:23)
Manahona daolo nareo ato:P
tena mahafinaritra zany mahita nareo mirayhina ato zany :D
ka zao e sao de misy manana recette godrogodro(zay ve?)fa ba te hihinana zay aty antany lavitra e!
Misaotra betsaka de ho ela velona daolo
Fasoa:oops:
novalian'i soanja ny 22/04/2006 01:51
2. kinaoly ( 20/04/2006 15:45)
http://membres.lycos.fr/fanasina/godrogodro.htm

Nahitsin'i lanto
novalian'i kinaoly ny 20/04/2006 15:58
3. kinaoly ( 20/04/2006 15:47)
euhhh nety ve le nosoratako teo ? :{
4. Fiffi ( 20/04/2006 16:45)
ary tena tsy nahafantatra an'izany indray zah an! fa dia misaotra ry kinaoly fa dia ho jerena indray zany an!:)
5. cutie ( 20/04/2006 20:25)
efa forum nandeha teto io,fa tsy haiko we lasa aiza le forum :-D:-D:-D
6. caprio ( 21/04/2006 07:12)
manaona daholo o!ny godro2 zany dia vary vao totoina mihintsy no fanaovana azy dia afanaina ny rano atao matimaty dia alaina ny vovona coco dia alefa ao anatin,ilay rano dia potsipotserina @tanana ao anaty rano ao ilay coco mba ho lasa hoatry ny ronono dia tsihifina na izay tinao hiany na ajanonao ao aza ilay faikany iny dia asianao siramamy betsaka mba ho mamy tsara dia avy eo dia maka lapoaly enao dia maka siramamy kely doranao ao anatin,ilay lapoaly dia rehefa maron tsara ilay izy fa tsy atao mainty be an dia alefanao ao anatin,ilay ranona coco aingana fa sao dia mandry indray dia iny no manome ilay lokony maron iny dia avy eo dia alefanao ao ilay koba na vary voatoto fa tsy mety ny lafarinina an dia avy eo dia averinao eo ambony fatana dia karohina foana mba tsy hiraikitra dia rehefa marihitra iny izy ka efa mafimafy ny fanodinanao azy dia esory eo ambony fatana @izay dia maka lasitra tsara enao dia asivo menaka kely ny manodidina ilay lasitra dia alefaso ao ilay izy efa maditidity tsara iny dia asivo afo kely fotsiny ao ambany dia saromy dia asivo afo maherihery koa eo ambonin,ilay sarony dia sokafy matetitetika ka rehefa hitanao fa somary efa mivadika menamena ny eo atampony dia vita izy zay dia andraso mangatsiaka tsara aloha zay vao asorina ao anatin,ilay lasitra dia mazotoa homana dia hisao ao ny anjarako an
7. fasoa1 ( 21/04/2006 10:17)
misaotra betsaka Lanto sy Caprio fa tena manana havana manan anareo an!za mantsy aty ampitandranomasina no misy ahy de mba te hahandro godro²,misy olona fantatro mahay an'io mantsy aty de tsy mety miteny le recette fa secret ono.Andraso fa hanao aho de asaiko andramany avy eo sa ahona?merci beaucoup les filles!biz
Fasoa
8. soanja ( 22/04/2006 01:51)
caprio:

manaona daholo o!ny godro2 zany dia vary vao totoina mihintsy no fanaovana azy dia afanaina ny rano atao matimaty dia alaina ny vovona coco dia alefa ao anatin,ilay rano dia potsipotserina @tanana ao anaty rano ao ilay coco mba ho lasa hoatry ny ronono dia tsihifina na izay tinao hiany na ajanonao ao aza ilay faikany iny dia asianao siramamy betsaka mba ho mamy tsara dia avy eo dia maka lapoaly enao dia maka siramamy kely doranao ao anatin,ilay lapoaly dia rehefa maron tsara ilay izy fa tsy atao mainty be an dia alefanao ao anatin,ilay ranona coco aingana fa sao dia mandry indray dia iny no manome ilay lokony maron iny dia avy eo dia alefanao ao ilay koba na vary voatoto fa tsy mety ny lafarinina an dia avy eo dia averinao eo ambony fatana dia karohina foana mba tsy hiraikitra dia rehefa marihitra iny izy ka efa mafimafy ny fanodinanao azy dia esory eo ambony fatana @izay dia maka lasitra tsara enao dia asivo menaka kely ny manodidina ilay lasitra dia alefaso ao ilay izy efa maditidity tsara iny dia asivo afo kely fotsiny ao ambany dia saromy dia asivo afo maherihery koa eo ambonin,ilay sarony dia sokafy matetitetika ka rehefa hitanao fa somary efa mivadika menamena ny eo atampony dia vita izy zay dia andraso mangatsiaka tsara aloha zay vao asorina ao anatin,ilay lasitra dia mazotoa homana dia hisao ao ny anjarako an

Misaotra betsaka an'i Caprio amin'ny torohevitra fa hono hoy aho tsy mety mihitsy ve izany ny lafaoro raha handrahoana azy?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.172