BD gasy t@ taona 80-90 nahafinaritra tokoa!!

1. petsambava ( 19/04/2006 21:33)
Asa raha mbà nisy nahatadidy isika fa na mafy aza ny fiainana teto MADAGASIKARA t@ ireny dia mbà nisy an'ireny bande dessinées gasy ireny kosa mbà nahaliana isan'ireny ohatra :KODITRA ,BENANDRO ,TSIMANIVA, DANZ ...kolo-tsaina gasy ary tena tokony mbola hitohy ireny raha ny fijeriko azy manokana fa indrisy naninona no tsy nitohy intsony. @ izao dia toy ny mitady volmena ny mitady azy ireny
novalian'i 9318tae ny 22/09/2015 08:18
2. Herimiafina ( 19/04/2006 22:14)
Ny ahy ny tena reveko tamin'ireny i Grand Maître Ramazana sy Rasarivarahana, de i NOFY de i Ra-Danz, hehehehe:-D:-D

Asa koa ianareo raha misy mahatadidy an'i TOVO KELY sy ry RABIRY, tovokely no anaran'ilay BD raha tsy diso aho.

Favy kah1 Asa raha mbola misy amin'izao fotoana izao ny Edition Tsileondriaka sns. hummmmmm:@
3. bandykell ( 19/04/2006 23:22)
petsambava:

Asa raha mbà nisy nahatadidy isika fa na mafy aza ny fiainana teto MADAGASIKARA t@ ireny dia mbà nisy an'ireny bande dessinées gasy ireny kosa mbà nahaliana isan'ireny ohatra :KODITRA ,BENANDRO ,TSIMANIVA, DANZ ...kolo-tsaina gasy ary tena tokony mbola hitohy ireny raha ny fijeriko azy manokana fa indrisy naninona no tsy nitohy intsony. @ izao dia toy ny mitady volmena ny mitady azy ireny

za kou manaiky anao @ zany ry petsambava, ny ahy alou SIRINGO no tena reveko i BOBEL nampatahotra souvenir nilay be reny sisa eeeee

4. caprio ( 20/04/2006 08:51)
za koa aloha tena tsy tapaka mihintsy t@ireny e ary tena nahafinaritra ahy mihintsy tadidiko daholo reny ka asa na mbola misy mahatahiry betsaka hiany fa tena fahatsiarovako ny fahazazako mihintsy ireny ka,ohatra:ra-danz dia ahitana ny tantaran,i avotra i insepecteur toky sy dambelona. koditra dia ahitana an,i rabehevitra sy bobel ary profesora mahiratra.benandro dia ahitana an,i benandro sy lemena ary imija...sns misy koa ry ravo izay ahitana an,i imbolaniala ao anatiny ry valy izay ahitana an,i bota mpanao tily ao koa ry jery ry jina misy koa ry tsimaniva boky mampihomehy maro tsy voatanisa fa asa loatra izay antony tsy nisiny intsony taty aoriana kanefa anie ny aty an-dafy aty dia mbola manjaka ny bd mandraka ankehitriny e
5. onjah ( 20/04/2006 11:20)
Ny ahy koa dia BENANDRO no tena nankafiziko tsy izaho irery fa izahay rehetra tao antrano(Dada, zoky, zandry, I neny ihany no tsy dia niraika firy). Raha tsy diso fitadidy aho dia toa tena tsy vita hatramin'ny farany ilay tantara, nisy fotoana nahatapahany ela ela mantsy, avy eo nivoaka kely indray dia tsy naharaka intsony izahay avy eo na mbola nitohy na tsia.
Tena mbola nahatahiry ny laharana faha-6 ka hatramin'ny 29 izahay raha tsy diso ihany koa ny fitadidiko,vao mivoaka dia mividy foana i dadanay tamin'izany fotoana izany, mino aho fa mbola voatahiry ao ireo boky ireo raha tsy hoe efa nisy nampiasa handrehetana afo angaha :(.
Ny boky sasany izay efa voatanisa ao ambony indray dia tsy dia araka hatramin'ny voalohany ny tantara fa mba nanaraka ihany indraindray (Koditra, RA-Danz, Hehy, sns.)
Raha ny fahitako azy indray ny amin'ny naha-fongana ny fanontana-pirinty azy ireny dia toa tsy dia nandeha intsony taty aoriana, tsy hay na noho ny fihenan'ny fahefan'ny olona mividy angamba no antony. Hany ka voatery nikatona ny ankamaroan'ny orinasa namokatra azy ireny.


6. Bariry ( 20/04/2006 13:05)
Iee, ny tena noreveko tamin'ireny dia Radamaranja ilay Tsimatimanota, Radanz, Benandro...:D
7. Fiffi ( 20/04/2006 18:03)
io misy site sao dia mahaliana anareo . http://batoto.free.fr/articles.php?lng=fr&pg=521
8. Fiffi ( 20/04/2006 18:09)
http://www.madanight.com/viewarticle_475.htm

9. naughtyboy ( 30/04/2006 12:26)
ny ahy alo i DODA no tsy afako sy i Dondrona tena lasa tantara tsy tsarona ko izy reny fa sao mba misy sopapan'ireny zay mahafantatra re azafady
10. 9318tae ( 22/09/2015 08:12)
salama e !
Asa na iza no mba manana ilay boky kely hatsikana taloha Doda. Ny gazety Matin no mpamoaka azy, iray isan'andro. Avy eo dia natambany ho boky. Ka iny no mba tadiaviko mafy. Sasatra aho manontany eny Ambohijatovo nefa tsy mahita. Koa izay manana anie dia mba indramiko kely e ! Misaotra mialoha o !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4179