Mbola mitranga ihany zany zao ny famonoam-bady

1. ravatorano ( 19/04/2006 07:59)
MPAMONO VADY. Misy ny olona dia tsy menatra na kely akory aza sahy manenjana ny sandriny amin’ny …fanaka malemy.
Torana sady vaky loha ilay ramatoa


--------------------------------------------------------------------------------

Efa fanaon’ity lehilahy ny mamono ny vadiny rehefa nahazo toaka kely izy. Tamin’ny alatsinainy hariva anefa dia tena tafahoatran’ny loha, ara-bakiteny, ny zavatra vitany. Omaly maraina dia nodarohany mafy tokoa ny vadiny.


RS


Torana tanteraka ilay ramatoa. Vaky koa ny lohany ary dia tsy maintsy nalefa ho tsaboina any amin’ny hopitaly ilay izy. Raha nahita izany moa ny fokonolona dia tezitra tanteraka dia namely an’ilay lehilahy. Naratra koa rangahy io. Saingy rehefa tonga ny mpamonjy voina anantitra ny vadiny any amin’ny trano fitsaboana dia izy kosa tsy navelan’ny olona anentina fa nasaina niandry polisy teo.

Efa tamin’ny alatsinainy no niseho ny gidragidra teoa min’ireto mpivady ireto. Tsy nahatanty izany intsony ramato koa dia nandeha nandositra tany amin’ny anadahin-dreniny monina eny Besarety. Fantatry ny vadiny ny toerana nalahany ka vao maraina ny andro dia tonga izy. Ireo olona tao an-trano dia nihevitra fa hampody sy hanao raharaham-pihavanana ranamana. Tsy izany anefa no niseho fa avy hatrany dia nodarohany ilay vadiny. Vokatr’izany, naratra mafy tokoa ramatoa, vaky ny lohany ary dia nitarika ny fahatoranany izany.

Tsy vao izao no naharenesana lehilahy mamono vady fa efa hatramin’ny ela tokoa. Misy tantara kely iray ity, mahamernatra ihany nefa tena zavatra nisy tokoa. Novonoin’ny vadiny ity vehivavy iray tamin’ny andro alina be. Tsy nahataty ramatoa ka lasa nandeha nandositra nivoka ny trano. Akanjo mandry faran’izay manify no teny an-kodiny tamin’io fotoana io. Rehefa tafavoaka ny trano anefa izy dia tonga saina ihany satria mbola lavitra ny toerana misy ny ray aman-dreniny. Tamin’izay fotoana izay no nisy fiara iray sendra nandalo. Nosakanan-dramatoa io. Notantarainy tamin’ilay mpamily ny zavatra nanjo azy. Nilaza anefa ity farany fa tsy afaka hanaitra azy izy fa mbola hiasa hanao “ramassage”. Ny marimaritra niraisana dia nanaraka an’ilay mpamily tany amin’ny toeram-piasany ilay vehivavy. Mbola niandry moa fa tsy nanatitra olona avy hatrany ingahy saofera. Dia azo sary an-tsaina avy hatrany ny tohin’ny tantara. Niara-nandry tao izy roa ireo.

Mercredi 19 avril 2006

Midi Madagasikara
novalian'i pitchou ny 25/04/2006 18:54
2. ravatorano ( 19/04/2006 08:04)
na inn na inn aloha fahadisoana ataon ny vavy dia toetra tsy mendrika izany mikasi tanana izany.Tys misy afa tsy ny mifampiresaka ihany ary reefa sanatreian izany ka tsy mifanaraka intsony d aleo lavitra aza misaraka fa ity mamono mamono ty tsy milay kah !:wink:
fa ny an ilay ramatoa faharoa no hafa indray izay zany ilay hoe niala an ankatso dia ambohidempona.
Raha ny faazaoako anazy dia toa nanararaiotra koa izany Ingahy sofera ary tsy nanaiky raha tsy nahazo izay nilainy.Asa aloha fa raha izany no toetra entina amin izao fiainana sarotra izao dia tena bobaka no hivary lavo kle.Izay zany ilay hoe feno fitaka ny tany fa aleo mitandrina ihany :-P:-P:-P
3. Fiffi ( 19/04/2006 08:19)
ravatorano: tena vao namaky an'io mihintsy aho teoa an! tena mampalahelo mihintsy ny toe-javatra tahak'izao , indrindra moa raha azon'ny taoko ny lhl!
4. tiatsara ( 19/04/2006 08:40)
za rehefa mahita ny toy itony dia mampiteniteny foana ahy hoe : tokony asiana ihany ny atao hoe : peine de mort, dia @ zay fay zay lehilahy mikasi-tanana vehivavy, tsy voatery ho mpivady anie, fa mbola misy tokoa ny lehilahy tsy misaina mamono ny vehivavy eo @ fiaraha-monina, nefa ny hery tsy mitovy.

Raha asa an-terivozona mantsy na figadrana fotsiny dia tsy mahavidy ny rà nalatsak'izy ireo, satria misy anie ireo vehivavy no afajaza, maratra mafy toy io vaky loha io ka, misy aza moa dia maty,kamboty tsy fidiny ny zanany.

Fiainan'olona firy no mangirifiry avy eo sy mijaly nohon'ny fihetsika tsy mendrika nataon'ny lehilahy mikasi-tanana iray, izay mody hifona sy hivalovalo angamba, na tsy haiko fa hitako hoe sazy henjana no tokony omena ireny e !

Ny hitako vahaolana koa dia ny mitaiza ny zazalahy manomboka @ fotoana hahatsiarovany saina hoe : tsy fomba ny mikasi-tanana ny vehivavy na inona na inona antony ;
na koa ampikotranona daholo ny ankizivavy kely rehetra mba ho afaka hamaly na fara-faharatsiny hiaro tena e ! fa io aloha tsy dia lojika loatra e !

Hinoako fa raha samy manao izay ny ray amandreny rehetra, mety hihena ihany ny vono mahazo ny vehivavy @ lafiny rehetra : vay an-kandrina, sady maharary no mahamenatra.
5. Fiffi ( 19/04/2006 12:47)
indrisy fa tena mbola misy tokoa ireny lhl izay mamono ny vadiny ireny , na ny tsy ny vadiny aza . Lâcheté daholo ireny fa maninona anefa no tsy izay mitovy hery aminy no hampisehoany ny sandriny ?
6. ravatorano ( 21/04/2006 07:43)
tiatsara
7. pitchou ( 23/04/2006 16:14)
ka ny aty tsinona vono vady autorisé ka! na tratra eo am-pamonoana vady aza le rangah, ka ny fokonolona iray manontolo no nahita maso d tsy koi izany ho an'ny tribonaly! votsorana fotsiny le namono! tsy ny vady ihany no azo vonoina aty fa na ny zanaka (na an'ny tena io na tsy an'ny tena) koa aza!
de rehefa mahita ny tranagn-javatra maromaro sahala @zany enao d ho lasa saina ihany hoe sô d mba ny mpitsara ny ny sahala @zany no tena mila atao an'zany?
8. Fiffi ( 24/04/2006 06:00)
pitchou: fa ahoana koa akia zany hoe autorisé zany ny famonoaa vady sy ny zanaka ? zany ve dia mba rariny ?
9. Fanja1 ( 24/04/2006 15:18)
oujiiiiiiii fa aiza ty misy antsika no mbola mi existe ihany zany ry pitchou? grave klé:evil:
10. pitchou ( 25/04/2006 18:54)
"autorisé" ankolaka fa tsy ara-dalàna e! satria tsy misy fanasaziana sahaza omena azy ireny mintsy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4407