Manahirana ty resaka taxibe eto Tanà ty an

1. ravatorano ( 19/04/2006 07:50)
Teny zato, Kabary arivo…

Dia ahoana ihany e !

Tsy ahitam-baliny ho an’ny mpametraka azy mihitsy, hatramin’izao, ny fanontaniana manodidina ny famahana ny olana ara-pitateram-bahoaka eto an-drenivohitra.
Henjanina ny didy ifehezana ny mpitatitra nefa toa ny mpandeha indray aza no mangana satria any no miala vonkina sy manampatra ny fahefany ny mpamily sy ny mpanampiny. Tsinjarainy ho ampahany telo aman’efatra ny halavan’ny zotra voatondro iasany ka any an-kebankeban-tany no ariany izay tsy mahazaka izany. Misy ihany koa ireo tsy mamita ny làlany fa miverina amin’izay tiany fotsiny, ankoatra ireo mitokozihitra isaky ny misy fijanonana. Ny hariva aza moa dia efa tsy fantatra intsony na amin’ny firy marina no mifarana ny fivezivezen’ny fiara taxi be na amin’ny firy...ka ny aza tara fodiana fotsiny.
Valin-teny mpahazo ny mpandeha sahy manakiana ny fidangan’ny kojakoja sy ny vidin-tsolika, ary mampalahelo fa misy sahy manasoketa ny mpitandro filaminana ho mandray vola aman’aliny aminy mihitsy nefa tsy maintsy atao izay tsy hahabanga ny « versement ».
Vaha olana nety sy efa nandrasan’ny mpanjifa ny hampiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo lamasinina « tramway » nohafarana, nefa toa andrasan-tsy latsaka toa embok’akondro ihany no hiafarany satria mihemotra lava, tsy ho andrin’ny efa « may » ka mampanontany tena ny mpampiasa fitateram-bahoaka ny amin’ny fepetra tokony ho raisin’ny manam-pahefana, na hifehy tsara ny efa misy na hanafaingana ny andrasana. Raha tsy izany dia ahiana hanara-dia ireo fitateram-bahoaka natsangan’ny mpitondra nifandimby teto an-drenivohitra ihany koa ireto vao kasaina ireto, sanatrian’ny vava ladian’ny lela... Sa ahoana ?

19/04/06 - Manou / Madagascar tribune
novalian'i vahatra22 ny 19/05/2006 06:52
2. ravatorano ( 19/04/2006 08:09)
io d marina io resaka eo ambony io ary tokony hasian ny komina ezaka miitsy ny fanaraha maso ireo betax ireo fa mampijaly ny mpanjifa tokoa.Zé revin dry lerony iany io injinja reefa maita lavaka tampoka eny antenatenany eny izy.Avadiny fiara enao na tsy tonga any amin'ny farany izy.
Zao koa ny mpanjifa koa tsy mba miray saina sy miray hina miitsy d manararaotra toy ny banga mimé alina zalah.Eto amitsika tsy mbola nahita mpitatitra tena mba hoe nanaraka izay voalaza ao anatin'ny cahier de charge izany zà.Ny mpamily tsy maalala an izany ,ny goal ihany koa ny receveur mantsy e d raha vao miresaka an izany enao d zalah ireo indray no mimé !
ntsssssssss
3. Fiffi ( 19/04/2006 08:21)
ka ny olana anie dia izao an! tsy mba misy ny fanaraha-maso fa dia inona loatra re no maha-variana ny mpitondra ao an ? efa misy koa ny ben'ny tanana na ny manodidina azy ireo fa dia toa tsy misy miraiky @ izany mihintsy.
4. ainaheri ( 19/04/2006 13:32)
Eny ee toa heno fa ho avy lay Tramway fa lay izy aza hono mbola avadika ho gazoali d avy eo to Alarobia,Ambohimanambola ny trajetny araka fahenoako azy!! fa to tsy miditra ny renivohitra (eny Analakely sy ny manodidina no tiako tenenina)
5. Fiffi ( 19/04/2006 15:36)
fa ho aiza fotsiny zany ?
6. ravatorano ( 20/04/2006 06:43)
misy koa hono zany ambihijanaka alarobia
fa marna fa mbola havadika gasoil lé izy d eo indray zany sika
ny fitovana efa ao fa ny mandefa anazy sisany hihihihih
7. Fiffi ( 20/04/2006 08:23)
ravatorano: fa nga hoe tsy manana petrole indray isika ?
8. vahatra22 ( 19/05/2006 06:52)
za ko lo efa natsikaritra foana @ ty resaka taxi be ty e! efa betsaka mintsy no mimenomenona ! fa nen'i ravatorano no tena marina hoe tokony miray hina le voyageur d ohatra hoe samy tsy misy mitaingina ! d @ zay ry zareo fay!otran'ny izy ihany mantsy no mahay mampifilafila! zay foana oa le mahavoa antsika gasy le mifanindrinindry!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1011