LAVONS NOS LINGES SALES EN FAMILLE!!!

1. 4mimananelatra ( 18/04/2006 08:08)
MAHALASA SAINA ihany ny zava-miseho ara-pôlitika eto MADAGASIKARA @ izao fotoana izao hoy ny NTAOLO MALAGASY hoe :ny tokatrano tsy ahahaka .Jereo ohatra ny interview izay nataon'ingahy ZAFY ALBERT tao @ RFI vao haingana
http://www.assidu-madagascar.org/izao/html/viewzafy.htm

Toy izany koa ny interview izay nataon'i SERGE ZAFIMAHOVA tao @ RFO La Réunion vao haingana koa

http://www.rfi.fr/actufr/articles/076/article_42950.asp
Etsy andaniny hita ao @ gazette l'express de Madagascar izay nivoaka androany 18 aprily jereo ao @ wanadoo.mg fa ny bén'ny tanàna Atoa PATRICK RAMIARAMANANA dia mandràra tsy asiana fepetra ny fivoriana rehetra ataon'ny mpanohitra an-dalambé.

Tsy tokony isika mianakavy ihany ve no hanàsa ny lamba malotontsika fa tsy entina erak'ity médias vahiny rehetra ity ...ny zavatra tsapa dia mihenjan-droa ny tady ! ka ahiana ho tapaka ...ny anongotsongoana ny maty hono matahotra ny handevim-belona!!
raha olana ara-pôlitika tsy maintsy pôlitika ihany no vaha olana!!

répondu par xxx le 19/04/2006 18:36
2. 4mimananelatra ( 18/04/2006 08:15)
Ity ny interviewn'i ZAFY ALBERT fa nisy diso kely
http://www.assidu-madagascar.org/izao/html/viewszafy.htm
3. Fiffi ( 18/04/2006 11:05)
andraso aloha dinihina tsara ireo !
4. Fiffi ( 18/04/2006 12:44)
de hoe lasa nahantra be hono ny gasy nefa tsy iza aloha no naha tonga an'izany ? i Ra8 kosa anie ka mba manarina eh! saingy efa difitra loatra M/car nanaovan'ireo mpitondra teo aloha , fa angaha moramora ny hanangana azy ?
5. ainga ( 18/04/2006 12:58)
Fa Ravao mpanasa lamba ngaha havanareo fa tsy olona mpiasa fotsiny no hoe " lavons nos linges sales en famille". Manaraka izany taiza no nisy nanasa linges propres ?
Ny an-dRasoa aza entiny mody ny lambanao dia miverina madio sy voapasoka ireo andro vitsivitsy avy eo. En famille ahoana e ?(l)
6. Herimiafina ( 18/04/2006 13:04)
4mimananelatra:

MAHALASA SAINA ihany ny zava-miseho ara-pôlitika eto MADAGASIKARA @ izao fotoana izao hoy ny NTAOLO MALAGASY hoe :ny tokatrano tsy ahahaka .Jereo ohatra ny interview izay nataon'ingahy ZAFY ALBERT tao @ RFI vao haingana
http://www.assidu-madagascar.org/izao/html/viewzafy.htm

Toy izany koa ny interview izay nataon'i SERGE ZAFIMAHOVA tao @ RFO La Réunion vao haingana koa

http://www.rfi.fr/actufr/articles/076/article_42950.asp
Etsy andaniny hita ao @ gazette l'express de Madagascar izay nivoaka androany 18 aprily jereo ao @ wanadoo.mg fa ny bén'ny tanàna Atoa PATRICK RAMIARAMANANA dia mandràra tsy asiana fepetra ny fivoriana rehetra ataon'ny mpanohitra an-dalambé.

Tsy tokony isika mianakavy ihany ve no hanàsa ny lamba malotontsika fa tsy entina erak'ity médias vahiny rehetra ity ...ny zavatra tsapa dia mihenjan-droa ny tady ! ka ahiana ho tapaka ...ny anongotsongoana ny maty hono matahotra ny handevim-belona!!
raha olana ara-pôlitika tsy maintsy pôlitika ihany no vaha olana!!




Fa maninona no nilatsaka ambany be toy izany ny fahantrana. 70% lasa 80% tsy azo lavina.

Fa ny fanontaniako: iza no nitondra nakany amin'io 70% io talohan'"ny niakarandRavalomanana teo?

Dia ny mpomba an'izay annao an'izany ihany ve no averaina tsy lasa any amin'ny 140% ny iafarany?

7. maditra ( 18/04/2006 14:26)
Angamba ny zavatra tsara atao an-tsaina dia hoe: Samy manana andraikiny avy ny tsirairay hampandroso ny tenany, fa tsy hiandry ny fanjakana ihany.
Faharoa, tsy ireo mpitondra antsika ireo no tena mitantana ny toe-karenantsika any. Ny mpamatsy vola no manao izany. Ny tian'ny mpamatsy vola atao dia ny hahatonga ny firenena madinika, hiankina hantrany amin'ny firenena mandroso. Izany hoe, tsy te hanafaka ny firenena @ fahantrana mihitsy ireo mpamatsy vola ireo satria ny mpamatsy vola dia ny firenena matanjaka ihany. Tombotsoa ho azy ny fisian'ny firenena sahirana noho izy!
Noho izany, tsy tokony hanome tsiny loatra ny mpitondra isika, kanefa koa tsy dia tokony hifanilika andraikitra hoe: I Ranona no namboka azy, fa izahay juste nampitombo ihany! What da heck!? lol
8. marozevo ( 18/04/2006 19:54)
I Zafy Albert irery no Filoha tsy nahavita mandat iray akory teto Madagasikara. Naongan'ny Antenimiera satria hita fa lehilahy miveravera.
9. Fiffi ( 19/04/2006 04:11)
sady tsy nisy na inona na inona koa mba nataony eh! na ny ho an'ny vahoaka zany na ho an'ny firenena!
10. TDMmalaza ( 19/04/2006 07:29)
Fiffi:

de hoe lasa nahantra be hono ny gasy nefa tsy iza aloha no naha tonga an'izany ? i Ra8 kosa anie ka mba manarina eh! saingy efa difitra loatra M/car nanaovan'ireo mpitondra teo aloha , fa angaha moramora ny hanangana azy ?



marina fa "manarina" ingahy Ravalo, manarina ny AZY.
aiza ve ka olona hanarina dia ny fametrahana ny baranahiny sy ny famoretana izay mistikera ny mba ataony? tena manarina mihitsy izany raha izay no atao hoe "manarina".
11. xxx ( 19/04/2006 18:36)
Ahoana aloha ilay affaire tao @ douane e?
Tena lasa mpanankarembe tampoka izany Ra Pierrot an?
Tahak'izay koa ny tenanay mba niaraka taminy kle! Ohatr'izao isika mitsotsotra fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1957