famonoa tena indray ty ! d maagaga mihitsy e !
1. ravatorano
(
18/04/2006 05:30)
FAMONOAN-TENA. Toa mitombo isa hatrany ny isan’ny olona mamono tena. Tsy lahy, tsy vavy fa samy voakasik’izany avokoa.
« Japonaise » nihidy aman-trano hamono tena
--------------------------------------------------------------------------------
Tamin’ny alahady teo dia nisy trangan-javatra nahitana teratany japone vavy iray nikasa hamono tena teny amin’ny faritra Ampandrana Andrefana. Nalaky voalaza ihany anefa ny mpitandro ny filaminana sy ny avy ao amin’ny mpamonjy voina etsy Tsaralalàna ka toa avotra ihany ny ainy.
RS
Nihidy aman-trano irery ity vehivavy 34 taona ity. Rehefa izany dia voalaza fa noratrany ny tanany, ny tarehiny ary ny vatany iray manontolo. Tena naratra be tokoa izy vokatr’izany. Nisy nahita izany fihetsiny izany ka ireo no nampandre ny polisy. Tonga teny an-toerana ireto farany ireto ary ry zareo kosa no niantso ny mpamonjy voina avy etsy Tsaralalàna. Soa ihany koa fa nalaky nivoha ilay trano. Io ilay olona efa nihoson-drà. Naterina haingana teny amin’ny hopitaly Ampefiloha ilay izy ary dia mba avotra soa aman-tsara.
Ny vaovao re teny an-toerana no nahalalàna fa ny antony nanaovan’ity teratany vahiny ity izao zavatra izao dia toa olana ara-bola. Tsy misy vola ao aminy. Resaka heno moa io fa izay tena antony mazava dia ny famotorana ihany no mety hahalalana azy. Tamin’ny ora farany moa no nandrenesana fa toa hoe rehefa nahazo fitsaboana teny Ampefiloha izy dia nafindra toerana hafa.
Samy manana olana eo amin’ny fiainana avokoa ny olona tsirairay. Hita anefa tato ho ato fa miha mahazo vahana ny famonoan-tena. Ny antontan’isa nivoaka dia toa mahagaga ihany. Iray volana lasa izay dia fantatra fa ny lehilahy no be mamono tena. Tamin’ny fotoana tany aloha tany anefa dia ny vehivavy no tena manao izany. Antony voalohany sady lehibe indrindra amin’ny famonoan-tena amin’izao fotoana izao ny hamafin’ny fiainana. Manaraka izany ny famoizam-po eo amin’ny fitiavana. Ireo no goavana indrindra. Fa misy koa zavatra toa tsy heverina ho inona akory nefa dia mahatonga ny sasany hanafohy ny andro iainany.
Midi Madagasikara 18/04/2006

novalian'i Maneva ny 20/06/2006 12:47
2. xxx
(
18/04/2006 07:44)
Porofo izany fa mafy ny fiainana e ny ahy ny tena hitako sy tsapako raha ny eto TANA dia hita fa miasa saina ny ankabeazan'ny olona eny an-dàlana rehetra eny ...tsy dia mitsikitsiky firy intsony toy ny taloha fa vinditra be izany ao ny tsy tohinina ...
4. ravatorano
(
18/04/2006 09:59)
tena mafy tokoa kle ary aza manaitaitra olona eny andalana eny fa avy d gidraka ah ary migidrà ndray eny fa avy d domazy intéré avy hatrany manajama ané e
:-D:-@:-@:-@:-@:-w:-w:-w
:-D:-@:-@:-@:-@:-w:-w:-w
5. ftma
(
18/04/2006 11:32)
Ny solitude koa matetika mahatonga ny olona hamono tena, any @ firenena hafa ohatra Norvege dia ny tsy fahitana masoandro ela be dia mahatonga ny sasany hamono-tena.
Raha mba azo ampiana aloha ny manam-pikasana hamono tena dia hampiana e
Raha mba azo ampiana aloha ny manam-pikasana hamono tena dia hampiana e
6. TTiana
(
18/04/2006 16:16)
ny amin'ny olona mamono tena dia tia tena izy ary tsy mihevitra afa tsy ny tombotsoany de rehefa tsy afapo de mamono tena fa mihevitra fa izy ihany no mila ny tenany . tsy tsapany fa Jesosy anie mila azy de tsy tsapany izany e ary ny OLONA MAMONO TENA DIA MIHEVITRA FA TAPITRA HATREO NY VAHA OLANA ADINONY FA MISY ILAY TIA AZY EO AKAIKINY AFAKA MANAN VAHA OLANA MARO INDRINDRA DE HEVERINY FA TSARA KOA NY MATY NDRINDRA MOA LE FAMPIANARANA HOE MISY FIAINA ANY ANKOATRA ANY TENA DISO BE DE IO DAHOLO NO HIAFARAN4NY ERITRERITRA FOHY KELY REHETRA HOE ALEO ANY NEFA ZE LASA ANY ANIE TSY MIVERINA ARY TSY MAHITA N4INONINONA FA FOANA NY FIKASANY SNS E IZY AZA BATAINA MODY ANY AMPASANA FA TSY AFAKA MIBATA NY TENANY RAHA MAHERY NY FANAHINY ARAKA IZAY AMPIANARIN4NY FAMPIANARANDISO ; AZA MBA VENDRANA IHANY FA MAZOTOA MANDINIKA BAIBOLY FA AO NO TENA HAITANAO FIAINANA SY VAHA OLANA SY AHITANAO ILAY TENA TIA ANAO TSY MAHAFOY ANAO ARY VONONA HAMAHA NY OLANAO ISAN'ANDRO MIANDRY ANAO IZY FA IANAO TSY MAHATSIARO AZY ; VAKIO ANIE ISAIA 4:10 DIA ANONTANIO AHO RAHA MILA FANAMPINY IANAO FA OMEKO TENY FIKASA MARO IANAO AVY AMIN'NY TOMPO ILAY TIA ANTSIKA ;
7. Fiffi
(
19/04/2006 06:09)
TTiana: tena somary mankarary maso be kosa aloha ny mamaky ilay soratra godabe ireo eh!
9. Fiffi
(
19/04/2006 07:16)
ravatorano: marina aloha ny anao an! fa zah mihintsy angamba no tokony hanao solomaso @ zay de tsy marary ny maso mamaky ireny soratra lehibe ireny . Misaotra anao koa an! :):-*:-*
10. Maneva
(
20/06/2006 12:47)
Raha ny japonais ndray aloha tsy mahagaga raha @ famonoana tena e .Asa raha fantatrareo fa mihisa 1000 mahery ni isan'ny japy mamono tena maneran'ny japana isan'-taona .Ary matetika avoakan-dry zalahy @ vao2 lé izy.Vao tsy ela zao,taty a nisy ankizy lahy lycéen ,namono ny ray aman-dreniny .Notsatotsatohany antsy hono ny rainy,d rehefa maty,d nataony ndray lé reniny. Dé avy eo nidiny tao an-trano ,d norarahany essence ny trano ,avy zay vao nodoran'ny lery. Fa ny tena mahagaga an'aha dé lé olona manodidina nahita a ,fa tsy sahy nanavotra an'ilay ray aman-dreniny akory ,matahotra sao hovonoin'ilay bandy hono ry zareo.Rehefa vita ny nataony d lasa nitsaoka izy ,zay vao nikorapaka daholo ny olona niantso polisy,inona tsony moa ny azo natao,efa médécin après la mort ko ! Ka tsy inona fa ny japonais tena tia mamono tena mintsiny,fa ny tena mahatonga an'io hono dé ry zareo stresser lava ,sady tsy mba mamaly zany rehefa tenenina fa koboniny ao anatiny ao lé izy,d hany ka tsy tanty itsony ny farany d manjary mivary lavo @ famonoana tena.Ny sasany ,miantsampy any @ train sy métro ,na milatsaka avy eny @ étage,d tena raharaha mintsiny ny fiainana rey olona ô!
D ny vao2 malaza farany aty ndray zao a ,d famonoana zazakely latsakan'ny 5 taona .D hoy za hoe nga niverina nanjaka ndray Heroda ?:-D
D ny vao2 malaza farany aty ndray zao a ,d famonoana zazakely latsakan'ny 5 taona .D hoy za hoe nga niverina nanjaka ndray Heroda ?:-D