fampatoriana zaza

21. Fiffi ( 19/04/2006 15:32)
fa tsy maninona akia zany an! ny zanako tahak'izany koa fa zao fotsiny lazaiko andry an! tena tsy misy hanenenana mihintsy akia io an! satria hitako @ zanako zao ny fahaizany miteny gasy sy manoratra . Nefa akia vazaha daholo ny manodidina azy an! fa mahatsiaro sambatra zah hoe mahay ny zanako. :)
22. Vaika ( 19/04/2006 15:33)
pitoussy : hasio anarana na anaran-tanànana amin'ilay hoe bebe dia tsy fanina izy : bebe-madagascar (raha any dago i mamanao ohatra) na dadabe-victor (raha vicotr tokoa no anaran'ny rafozanao). Amiko aloha di
23. Fiffi ( 19/04/2006 15:38)
di........:?:
24. Vaika ( 19/04/2006 16:21)
mauvaise manip fa azafady e !
Ary loza fa tsy lasa indray ilay teo fa lava loatra angamba :oops:
Tohiny : tsy olana izany fa norma tsara raha sahirana izy mamoaka izay ao an-tsainy fa tsy midika akory izany fa tsy azony na mavesatra loatra amin'ny sainy. Au contraire, ny ankizy dia tena ohatran'ny puit sans fond mihintsy fa ianao indray no gaga.
Momba ilay gasy amin'ny télé na eny an-dàlana. Dia ohatran'ny fanontaniana hapetrany aminao no fahazoako azy. Manontany angamba izy hoe ohatran'ny ahoana marina ny gasy izany ? Anjaranao fotsiny no mamaly azy dia milamina kah. Raha mbola izy no manontany dia valio foana, tsy reraka izany izy (fantatra foana ny zaza raha reraka !) fa tandremo kosa manitatra be ka lasa manosika be azy amin'ny zavatra tsy nangatahiny akory. Ho an'ny ray aman-dreny ankehitriny mantsy dia ohatran'ny surdoué be izany daholo ny zanany ka sesefana izao rehetra izao. Fitaka be io, nefa sarotra ihany ny tsy mi-vivre par procuration ny fiainan'ny zanaka, sa ahoana ? Mba efa nandalo tao ka fay e ! Sady frantsay no gasy koa mantsy ny zanako (vavy kely 6 ans). Ka raha vao mitady izy dia omeo izay ilainy (ary izay ilainy ihany !). Raha hitanao fa reraka izy dia asiana moment calme kely, câlins kely dia avy eo indray izy mitrifana ets...
25. Herimiafina ( 19/04/2006 22:15)
Mitadiava Lullaby amin'ny internet dia graver-o CD de alefaso refa hatory ny zaza fa tonga de assuré dôdô, hummmmmmmmm :@
26. pitoussy ( 20/04/2006 08:21)
Vaika; Fiffi : misaotra betsaka anareo fa mahatsiaro oe soulagé be izany za izao ; ouf !!! izany oe tsy ho kivy ny hampianatra teny gasy azy fa dia hanao izay maximum vitako. Ny zanakareo ve nandeha t@ ireny fianarana teny gasy ireny sa dia ianareo ihany no nampianatra azy ? Tena mba faniriako mihitsy mantsy ilay izy oe mahay miteny , manoratra malagasy
27. Vaika ( 20/04/2006 09:57)
Ny ahy aloha hatramin'izao mbola tsy "sahy" miteny gasy loatra (mbola tsy ampy vocabulaire angamba). Nefa tsy mampaninona ahy izany. Ny tena mampihomehy aza dia lasa teny anglisy indray no ohatran'ny mora teneniny. Ny mahatonga izany mantsy dia te-hampiseho izy hoe mahay sy kinga saina ka na tsy miteny gasy izy dia plutôt par pudeur no tsy hitenenany teny gasy no fijeriko azy. Efa azony am-po fa na dia mbola hianatra teny gasy aza izy dia tsy azony hampitoviana amin'ny teny anglisy ny teny gasy.
Amiko manokana aloha dia aleoko miandry kely vao accélérer-na ny fianarana teny (dans mon cas). Ka sarotra amiko ihany ny hitady mpampianatra hafa noho izaho satria izaho ihany no efa nanamboatra tsimoramora ny sainy tamin'ny teny gasy. Sady hatramin'izao dia mbola vitako tsara ny fijeriko azy. Ny tena important fotsiny dia tsy maintsy hampifaneraserana matetika amin'ny gasy ny ankizy.
28. soanja ( 20/04/2006 14:01)
soanja:

Betsaka ny hira azo atao fampatoriana zaza ho antsika agsy ka. Ireto avy no hitako :Madio manganohano mba tazano, Mangina zaza, Ao anaty ala misy voron-tsoa, Ny fitiavan'ny Neny (Eric Manana) hira vaovao io sns hira izay milamindamina gasy. Ny Angano indray dia manana be dia be aho efa voarakitra ao anaty boky saingy tsy ho voatanisa eto. Fa nisy iray izay nosoratako dia azoko zaraina aminareo. Fa aleo rahampitso mandika azy ato aho. Soanja.


Pitoussy , Rehefa nandinika aho dia tsy anjaza mihitsy ilay Angano ka asa na ireo tsotsotra anaty boky aty amiko ilain'i Pitoussy. Misy ohatra ny Vorona nifidy Manjaka, Ny Sahona sy ny Lambo, Ny kary sy ny Alika, Matin-kanin-kely toy ny amalona, Ny vary sy ny mangahazo, Ny tanalahy sy ny Lambo, Ny ipaohan'ny papango ny akoho , Nanafika ny lanitra ny tany sns... Amiko anefa ireo angano ireo tsy dia manabe loatra ny zaza fa toa mametsifetsy izany dia asa na ahoana ny hevitrao. Raha mila an'ireo ianao dia manorata aty amiko manokana Pitoussy. Soanjamirana@yahoo.com
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2076