LASA VOLA BAORITRA NY ARIARY...

1. 4mimananelatra ( 16/04/2006 16:15)
HITA SY TSAPA FA TENA LASA VOLA BAORITRA NY ARIARY...raha taloha ny ariary(5 fmg) mbola nahazo bonbon gasy izao raha ankizy Kely no omenao 20ariary misaora tsy voahompa !!!na ny 100 ar (500 fmg) aza efa tsy miteny intsony e...POROFO FA TSY EN FORME NY TOE-KARENA...ary aleo rangahy izahay mbà hiteny fa tsy tongo-bolo akory ka tapenam-bava misy miteny foana eto hoe milatsaha ho fiadiana etc...
novalian'i prime ny 31/10/2006 14:03
2. Fiffi ( 16/04/2006 17:53)
voavaky hiany anie raha tsy mikikakiaka tahak'izao eh! Fa nga moa misy manery anao tsy hiteny kosa eto eh ? Ka inona ary no azo hatao ? marina aloha fa tena mampalahelo ny zavatra tahak'izao nefa inona no tokony hatao ?
3. pissoa ( 16/04/2006 19:01)
Fiffi an, tsy hoe tsy avela miteny kosa no tiany tenenina angamba fa ilay fomba famalin'ny mpidinika e.

Hihihi, fa marina kosa aloha ny tenin'i 4mimananelatra e! Rehefa mamaky forum eto zah, ka misy "milaza ny tsy mety" na "manakiana" ny fitondrana ... dia maromaro (na hoe ny ankabeazany) ny forumista dia mamaly fotsiny hoe "milatsaha aza ianao" :-w:-w Raha zohina kely io fomba famaly io dia tokony hilatsaka daholo ny olona (normal, realiste, azo fidiana) rehetra ary vato 2-5 avy ny vato ho azon'ny candida tsi-1-1 =))=))=))
4. Herimiafina ( 16/04/2006 20:35)
Inona no tiana hambara amin'ity hoe vola baoritra ity aloha e? PLANCHE À BILLETS ve?

Manao an'io daholo mantsy rehefa Fanjakana ankehitriny, hampitombona ny isan'ny vola miasa ao amin'ny firenenena eo anatrehan'ny habetsaky ny fifanankalozana ara-barotra.

Ny amerikana izao dia nanamboatra vola baoritra vaovao vao tsy ampy iray volana izay, toy izany koa ny Canadiana. :-w:-w
5. Fiffi ( 17/04/2006 06:18)
vola baoritra ve ry Herimiafina dia ho "planche" ? fa tsy hoe "carton" ? :-D:-D:-D
6. Herimiafina ( 17/04/2006 21:59)
Io planche d'argent io no hanamboarana ny vola baoritra kah, na vola tsy manana ny equivalent en or na en devise ao amin'ny banky foibe.

Ny fomba atao dia tsotra: manamboatra billet vaovao X izay miara-miasa mandritry ny fotoana voafetra t miaraka amin'ny billet efa miasa X'.

Mandritry io fotoana t io dai X+X' no isan'ny vola miasa ao amin'ilay toerana ary dia torak'izay ihany koa ny varotra sy ny fifanankalozana.

rehefa tonga anefa ny fahataperan'ny fotoana t dia manao filazana ny banky foibe fa hangonina ary hopotehina avokoa ireo vola X' ary dia miverina toy ny teo aloha X=X' ihany ny isan'ny vola miasa izay manana ny equivalent en or sy devise ao amin'ny Banky foibe.

Asa na io principe ekonomika io no tiana resahana eto momba ny ariary? :@
7. onjah ( 19/04/2006 10:37)
Raha ny fahazoako ilay vola baoritra indray dia hoe tsy misy lanjany intsony tsy ahavitana zavatra, sa tsy izany ve ?
Raha ilay ohatra asehon'i 4mimananelatra izao dia milaza fa 100 ariary aza efa tsy miteny intsony, izany hoe ny 1 ariary izany dia tsy miasa intsony raha tena dinihina satria 100 ariary vao ahafahana mividy na manao zavatra iray.
8. Herimiafina ( 19/04/2006 13:16)
Ny $5 (=ariary 10.000) sy ny 5CAD (=ariary 8000)koa mantsy izao dia tena tsy mahazo n'inon'inona tsony mihintsy any USA sy Canada. Tssss knou! :@
Inflation daholo no mahatonga izany anaka, inflation noho ny fanjakazakan'ny avy any ivelany fa tsy noho i Ravalomanana akory.
9. prime ( 31/10/2006 14:03)
Ka ilay inflation angaha moa tsy ampahan'ny vokatry ny fitantanana ihany koa?...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1106