Famakiana fasana ao Anjanahary

1. soanja ( 15/04/2006 11:40)
Nisy namaky ny fasana na fianakaviana iray tao Anjanahary. Tsy nisy nampandre ry zareo fa nidanadana tao ny varavaran'ilay fasam-pianakaviana. Raha tsy nisy olona hafa nandeha namangy ny fasana hafa no tsy nisy nahita ny zavanisy. Very tao daholo izay mety ho very rehetra ankoatra ny fanitsakitsahana ny razana. Hono hoy aho iza no tompon'Andraikitra ny fasana eny Anjanahary? Nahoana ny guardien na tahak'izay mba mampilaza izay ao amboniny ao hoe misy an'izao dia mba amapndrenesina ny fianakavian'ireo voan'izany. Mampalahelo ny zavamisy tahak'itony. Misy fomba isorohana an'io halatra ampasana io ve?
2. diamondra27 ( 15/04/2006 11:53)
3. Fiffi ( 15/04/2006 13:43)
dia asa aloha izay fototr'io fanimbana fasan-drazan'olona io fa dia mampalahelo ny zavatra tahak'izao an!
4. RALANTO ( 16/04/2006 09:18)
Tsy vao izao nbe ny very eo an-Janahary Ny andro nandevenana ny dadanay, ny ampitso very ny ankabeazan'ny couronnes teo an-tampon-tranom-pasana.
Mahatsikaiky sy mampalahelo ny zava-misy.
5. Fiffi ( 16/04/2006 13:34)
6. soanja ( 17/04/2006 13:31)
Vaovao farany henonay dia nosamborin'ny polisy hono ny gardien- ny fasana fa io mety hahita ny valin'ny hoe iza ireto mpamaky fasana sady mety namany ihany koa. Kay hono tsy an'ireto fianakaviana iray ireto ihany no vaky fasana fa dia betsaka no vaky niaraka tao tamin'io fotoana io. Nanao rotsak'alina tao ireto mpanao ratsy. Fasana mihidy cadenas be tsy misy ohatr'izany anie. Dia notatahandry zareo ny lambamena dia nalainy tao izay tiany alaina. Ny betsaka moa izany dia ny nify volamena. Loza loza.
7. Fiffi ( 17/04/2006 16:02)
8. ari.malala ( 19/04/2006 06:56)
:roll::roll::?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1431