oay reto isika ...

1. xxx ( 13/04/2006 19:46)
1-Oay reto isika ....
toa ampiadian\'ireo mpanao politika
dia mifandramatra toy ny aliaka

2-I ra8 sy ratsiraka anie ka mpinamana
dia isika no teréna hiafy hihinana vary @ anana
raha tsy mino ianareo dia anontanio i PATRICK RAMIARAMANANA.

3-Raha izay resaka politika eto MADAGASIKARA
zavatra tsy hanin-kahavoky ary tsy hisy mangarahara
raha ny ahy manokana aloha dia hanarako zanaka amam-para.

4-Toa be loatra ireo mpamadika palitao
misy mihintsy ny tsy menatra intsony ary hita hatramin\'ny hao
na vao mijery ny tarehiny aza dia mankalao

5-Toa very fanahy mbola velona aho r\'ireto
fa i gasikara dia hahantra foana ary be mpaneso
any ambanivohitra ary moa ny teny filamatra AREHETO

6-Ny ala sy ny biby mihalàny ary fongana
ny olona sarotra tenenina no tsy mahalàla onona
sa ity tokoa ilay hoe afon\'ANTONGONA

7-Avo folo heny ny vidim-piainana izay rehetra hitanao eny rehetra eny.
à la puissance six miampy zero mampiatso ny anaran-dreny.
ilay moana tao antrano aza moa lasa nahay niteny.

8-ny DEMOCRATIE mihintsy angamba no mbola tsy hain\'ny gasy
matoa ny vahoaka atao tohatra fiakarana dia mangasiasy.
aiza moa koa ny ankabeazany aza tsy mahay taratasy.

9-O! ry malagasy o mbà tongava saina
fa isika anie tsy adala na mifoka daina
fa toa tsy mety ho avy ilay maraina.

10-Aleo angamba ho faranako @ izay ny teniko
izay rehetra vitako na 72 na 91 na 2002 aza mbola neniko
izay resaka politika eto MADAGASIKARA dia mankaleo ka aleo hajanoko hatramin\'ny peniko.






novalian'i xxx ny 09/05/2006 13:02
2. fijo ( 13/04/2006 19:48)
rediredin'ny malemy saina io,ka tsy itako izay hanarahana azy.
3. xxx ( 13/04/2006 22:54)
Fataisme izany. Ny tetiky Rossy anie dia efa fantatra fa ny hampiady ny mainty sy ny fotsy e!
4. zandikely ( 14/04/2006 02:06)
Hampiady ny gasy sy ny vazaha ve no tianao lazaina aminy fotsy sy maity ry XXX? Iza ny Fotsy e, ary iza ny mainty e ?
5. diamondra27 ( 14/04/2006 03:24)
anjaran'ny tsirairay no tokony hiezaka hampandroso ny fireneny. Raha fantatrao fa misy ny mpampiady dia inona no tokony hataonao? Hiady tokoa ve?

Gasikara dia manana ny hareny mihoatra lavitra noho ny firenena rehetra. Ny blème de izy tsy manana fond hany ka hararaotin'ny vahiny. Hananany na resaka faumes et flores, na vato sarobidy, na pétrole bemolanga , ny manampahaizana , ny mpisotro ronono :wink: sns

Na aiza na aiza de miakatra daholo ny vidimpiainana fa tsy ny an'ny gasy ihany
6. Fiffi ( 14/04/2006 03:59)
rediredin'ny malemy saina io,ka tsy itako izay hanarahana azy.
mitovy hevitra @ fijo aloha zah eh!
dia mifandramatra toy ny aliaka
asa re fa na dia nisy tokoa aza ny tsy nifankazahana toa mba lasa alavitra hiany no hanaovana na fisainana ny olona hatao sahalan'ny alika. Dia iza hono no afaka manome porofo fa hoe mpinamana i ratsiraka sy Ra8 ?
Aleo angamba hijanona eto ny zavatra tiako lazaina raha hijery ny voasoratra rehetra fa io koa ve no andeha hamakiako loha an! fa dia ny mangina hono volamena fa tsy izao rehetra lazain'ny olona na mpanoratra izao no hamakiana loha dia tsy ho tafavoaka eto mihintsy . Fa na izany aza maninona nefa raha mba mihetsika eh! ny hitaraina lava zao ve ny fiainana ? sy ny hitsikera ? mora anie ny manao an'izany eh! ary aza mitsaoka matanjaka tahak'izany hoe aleo hajanok eto ny peniko fa raha toa misy zavatra tsy tanty , aza variana mitsikera fa mihetsaha eh!
7. Fiffi ( 14/04/2006 04:59)
dia mifandramatra toy ny aliakatsy matiko lolo aloha io teny io an! olomelona isika fa tsy hampitovizana à alika zany !!!
8. Falzar ( 14/04/2006 10:06)
FA mba iza aloha no namorona an'le hira e!
Misy marina , nefa toa trop B ihany izy 'zany
9. zandikely ( 14/04/2006 11:40)
Tsy hitako mihitsy ny olana amin'io, ny olona tsirairay dia afaka mitsikera sy manindrahindra koa e, raha tiany, safidy no sady zo ihany koa io e. Adidiny tsirairay mandanjalanja na hanaiky na tsia ny hevit'olona. Aza rarana ny olona haneho ny heviny tahaka isika afaka maneho ny hevitsika tsirairay eto izao.
fa ny tiako hiverenana fotsiny dia hoe iza ny mainty iza ny fotsy ataoko fa tsy voakilasy anisany fotsy hoditra ny gasy, na mety any aminy mavomavo taha ny sinoa angamba, fa tsy fotsy hoditra velively ny gasy. Misy ny sasany angamba mazavazava hoditra noho ny sasany fa tsy fotsy hoditra velively. Raha diso ny teniko, fanazavana hafa aho.
10. Fiffi ( 14/04/2006 11:50)
na izany na izany koa aloha dia tsy tokony hampitovihana @ ny alika ny olombelona!!
11. fijo ( 14/04/2006 19:28)
zandikely,za tsy mandrara ny olona haneo ny heviny mihintsy.
fa za kosa tsy manohana hevitr'olona,mora malemy toa io.
ary tsy ekeko koa le mifanalika.
12. Achia ( 16/04/2006 06:19)
Ka ny tsy manao ihany anie no be vava e nefa refa ampanaovina tsy mahavita
13. xxx ( 16/04/2006 16:12)
Zandrikely, diso fantatrao tsara ny dikan'izany hoe mainty sy fotsy izany raha malagasy ianao fa aza mody fanina eo, tsy miresaka vazaha na sinoa isika izao fa eo @ samy gasy.
14. Fiffi ( 16/04/2006 18:42)
hoy zandikely: Tsy hitako mihitsy ny olana amin'io, ny olona tsirairay dia afaka mitsikera sy manindrahindra koa e, raha tiany, safidy no sady zo ihany koa io e. Adidiny tsirairay mandanjalanja na hanaiky na tsia ny hevit'olona. Aza rarana ny olona haneho ny heviny tahaka isika afaka maneho ny hevitsika tsirairay eto izao. tsy mampaninona anao zany ny fanaovana fitovizana anao @ alika ? afaka tsara ny sirairay mitsikera , ary tsy misy mandrara ny olona hanome ny heviny anie eh! fa na izany na tsy izany dia tsy lasa aloha io hoe 1-Oay reto isika ....
toa ampiadian'ireo mpanao politika
dia mifandramatra toy ny aliaka
!!!!!
15. xxx ( 09/05/2006 13:02)
HIRA DAHOLO ZANY FA AZA MIASA SAINA AM ZANY E, NY ATAO ATAO, NY ZAZA BEAZINA HANARAKA NY HEVITRAO DE BASTA IO, MANDAINGA ZAY MILAZA FA TSY "MANAVAKAVA-BOLOKODITRA" FA TSY VOATERY HO VOLON KODITRA FOTSINY LE IZY, METY HOE FINOANA, METY HOE FIRAZANANA NEFA METY KO HOE PARTI POLITIKA, KA IZA NO HANAMELOKA AN IZA KAY ?????????????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4146