Ranoampango na Ranovola

21. vale ( 22/04/2006 14:47)
tsisy fisaorana akia à!:wink::miam:
22. cosabuena ( 22/04/2006 16:31)
soanja a, de ahoana marina ary le recette e? nanao ahoana ny fanandramana rehetra nipetraka teto e? mba te hisotro ranovola ko anie zahay aty e.
23. soanja ( 22/04/2006 22:02)
cosabuena:

soanja a, de ahoana marina ary le recette e? nanao ahoana ny fanandramana rehetra nipetraka teto e? mba te hisotro ranovola ko anie zahay aty e.

Ny tena marina dia tsy matetika aho no manao ilay fanandramana fa indray mandeha isan-kerinandro. Menatra aho milaza aminareo fa dia rice cooker no ampiasainay fa maika lava dia izao rehefa tonga aty ilay namako gasy izay, izay izahay vao manao ilay natoronareo rehetra teo. Dia nanandrana ary izahay nanao ilay ranoampango ilay hoe atao maimay ny vary. Die esorina avy eo dia atao may eo ilay ambiny mipetaka amin'ny vilany, elabe mihitsy io an satria gas ny afo ilay karazana resistance ireny, ny vilany amin'io cocote avy any Ambatolampy mbola jojopil be dia ehe vao naidina ny rano dia tonga dia niala teo amin'ilay vilany nipetahany ny vary dia lasa sosoa teo. Nifampijery izahay sy lay namako dia niala maina fa ranombary kosa nosotroinay. Dia niara niaiky izahay fa mbola tsy ao ilay izy fa tokony rano miloko volom-bolamena sady maimay no tsapa ao an-dela. Dia amin'ny herinandro indray vao hanandrana ny an'i le vale. Dia ho hita eo fa amaray atsika mahita izy. Dia omeko anareo eto ny valiny. Mino izahay fa raha tsy misy lelafo miredareda ao amin'ilay molon'ilay vilany dia tsy hety ny ranovola. Izay anefa dia tsy anananay. Dia tsy maintsy any Dago ihany vao hisotro ranovola e. Io ranovola io anefa ilainay aty fa hamidinay :)


24. vale ( 23/04/2006 17:58)
soanja: hamidy?:roll:
zaho akia vehivavy fa ts lehilahy à!:-D:-D:wink:
25. soanja ( 24/04/2006 23:42)
vale:

soanja: hamidy?:roll:
zaho akia vehivavy fa ts lehilahy à!:-D:-D:wink:


Izahay aty miezaka mianatra nahandro gasy dia rehefa hay dia ampanandramana namana hafa firazanana aloha ka rehefa hita fa tiandry zareo dia hamidy amin'izay, toy ny manao hotely gasy ireny mihitsy. :) Miala tsiny fa tena mbola tsy arako hoe aiza aho no mijery hoe vehivavy na lehilahy ilay olona resahiko fa misaotra zany aky nampilaza a.:)


26. vale ( 25/04/2006 11:19)
tsy manin aky fa mbamapi:-D fotsiny ah!:wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082