1ére REPOBLIKA acta non verba.....

1. xxx ( 06/04/2006 19:04)
T@ 1ére république izany hoa t@ nitondràn'i TSIRANANA dia ACTA NON VERBA io no teny filamatra izany hoe: asa fa tsy kabàry dia tao koa no hoe: pôlitikan'ny kibo..


Tonga ny 2e republique : RATSIRAKA dia lasa VERBA NON ACTA ..izany hoe KABARY FA TSY ASA...OIE OIE moa tsy izany va !!romboy zalahy ...ankitiny ..

Niditra t@ 3e république nanomboka ny profesora ALBERT ZAFY ka hatramin'i RA8 izao dia sady tsy asa no tsy kabary non acta non verba....asa izay hiafaràna e!!!
novalian'i fijo ny 14/04/2006 20:03
2. fijo ( 06/04/2006 20:32)
:-P:-P:-P:-P misy asa vita ihanykosa ity farany e
3. marozevo ( 06/04/2006 20:50)
Tena nahavita betsaka kosa aloha ity farany araka io lazain'i Fijo io. Raha tsy nanimba zavatra betsaka aza angamba ilay raika lahy taloha, mety ho be noho izao no vitany.
4. Stone ( 06/04/2006 22:01)
Nahavita lalana ohatra ity farany fa tsy araky ny lazain'i xxx, Nihatsara koa ny tanana rehetra sy ny zavatra hafa toy ny trosa ivelany afaka.
Ny fahantrana nolovaina tamin-dRatsiraka sisa angamba no mbola sarotra ny mandresy azy, izay no ilaina ny soso-kevitra sy arahan'asa fa tsy tsikera fe tsikera toy ny an'i xxx. Mora ny miteny
5. stephane197 ( 07/04/2006 04:31)
mitapimaso kosa izay tsy mahita ny zavatra vita amin'izao ê! ny zavatra ho atao koa aloha betsaka kanefa tsy mora ny manao zavatra ka!ny fampijaliana ataon'ireo mpanjanaka anie no tena mbola maha mafy an'io ê!
6. mandrindra ( 07/04/2006 11:22)
misy ny zavabita fa tsy ampy. ary tokony ahavita betsaka lavitra fa tsy manao ny tokony ho izy. aoka tsy hionona amin'ilay hoe efa tsara kokoa noho ny taloha. ny fiononana amin'ny kely eo antanana dia tsy mampivoatra.
ny tokony ho izy dia kabary arahin'asa.
7. Herimiafina ( 07/04/2006 14:54)
xxx:

T@ 1ére république izany hoa t@ nitondràn'i TSIRANANA dia ACTA NON VERBA io no teny filamatra izany hoe: asa fa tsy kabàry dia tao koa no hoe: pôlitikan'ny kibo..


Tonga ny 2e republique : RATSIRAKA dia lasa VERBA NON ACTA ..izany hoe KABARY FA TSY ASA...OIE OIE moa tsy izany va !!romboy zalahy ...ankitiny ..

Niditra t@ 3e république nanomboka ny profesora ALBERT ZAFY ka hatramin'i RA8 izao dia sady tsy asa no tsy kabary non acta non verba....asa izay hiafaràna e!!!



Fahalemen'ny fitondrana: desengagement de l'État du secteur productif et commercial. :-w:-w

8. fijo ( 07/04/2006 18:19)
ity farany aloha hatramin'izao,dia mamerina ny vita tamin'ny voalohany nefa nosimban'ilay faharoa.
avy eo izy vao hanao izay zavatra vaovao hirosoana amin'ny tsara kokoa.be loatra le simba tamin'ny faharoa ka sarotra e
9. Herimiafina ( 07/04/2006 18:33)
Natao inona fotsiny izao ireny MIG 21 sy MIG 17 ireny? Natao inona ireny traffic marobe ireny? Nakaiza ny karenjy, sns!

Faillite des société d'État en 1990, abus de pouvoir, usurpation de titre tondraka ohatry ny anana, miampy assassinat, sabottage, tribalisme.

Ho sahirana ihany izay hanarina an'izany! Aiza moa i Zafy no tsy ho-empeché ny farany klé, mafy ny ataky kou1 :-w:-w
10. fijo ( 07/04/2006 20:13)
mahery ilay raika lahy iny raha hanimba ka
11. Fiffi ( 10/04/2006 09:23)
raha tena jerena kosa aloha dia nahavita i Ra8 eh! tsy azo lavina io , eny fa na dia tsy tena araki'ny nandrasan'ny olona azy aza , saingy tokony ho fanatra fa tsy mora ny manarina fanjakana izay nanaovana izao ratsy rehetra izao.
12. fijo ( 11/04/2006 21:00)
izay eo ihany,fa le olona koa anie misy miandry fotsiny e,eo no olana
13. Fiffi ( 12/04/2006 15:18)
ka zay indrindra no tena olana fa tsy mba mihetsika fa ny hitsikera sy ny fahakamona no betsaka.
14. fijo ( 13/04/2006 03:51)
dia eto ihany isika e
15. Fiffi ( 14/04/2006 04:15)
fa aza be taraina sy ny mitsikera fa tokony hihetsika satria tsy ho lasa lavitra mihintsy raha izao no mitohy. (tsy i fijo) io an! :)
16. fijo ( 14/04/2006 20:03)
isika rehetra mihintsy no mila manao hezaka ka.io tsy ahilika hoe ry anona fa isika rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2041