L'incinération (crémation)
21. marozevo
(
10/04/2006 22:01)
jebtilisa > Tsy fahatahorana ny sao dia tsy hitsdangan-ko velona anie no atahorako an'ilay ho dorana ho'aho eh... Marina mihitsy ny lazainao fa hain'Andriamanitra foana ny manangana antsika na ahoana na ahoana endrim-pahafatesana nidirantsika. Fa ny ahy tena tahotr'olombelona be fotsiny izao eh... Fantatro fa tsy handre aho rehefa maty no ho dorana, nefa tena tsy mety le saiko r'ise ah..
22. Fiffi
(
11/04/2006 05:38)
samy manana ny fisainany ny tsirairay , ny an'i marozevo zany dia tsy mety mihintsy ny sainao , ny ahu kosa aloha dia tsy ho lasako mihintsy koa izany hoe ho dorana izany ahy rehefa maty an! Aleo aho hiandry izay anjarako raha ho an'ny @ afobe na tsia fa tsy hisy afobe 2 fa iray hiany.
23. marozevo
(
11/04/2006 11:02)
Sady fantaro koa fa tsy ho zakan'ny fianakaviako izany hoe hodorana izany aho. Ho antsika Malagasy manko dia tena sarobidy ny fianakaviana, ary tena fahasoavana lehibe ho antsika izany.
24. Fiffi
(
11/04/2006 13:47)
tsy dia nahafantatra loatra koa aho hoe @ malagasy koa misy mpanao an'ireny , taloha io an! fa asa re raha toa ka miankina @ ireo izay aty ivelany no maha-tonga an'izany. fa raha any dago aloha tena mbola tsy naheno aho ary indrindra nahita.
25. marozevo
(
11/04/2006 18:20)
Ny tena Gasy mipetraka any Gasikara aloha dia toa tsy misy manao an'io eh. Ny karana no manao izany, hitantsika ilay fasan'ny Karana ery amin'ny digue. Fa misy ihany ohatra Malagasy maty any an-dafy nefa tian'ny havany hoentina any Gasikara. Lafo be anefa ny frais, na misy olana maro tsy maintsy atrehina dia dorana mba ho mora entina. Nisy dadatoanay narary taty an-dafy, dia nilaza izy fa raha sanatria ka maty dia dory, hoy izy, mba tsy hanahirana anareo. Soa moa fa tsy maty taty an-dafy i radaddatoa. Tany Gasikara izy vao maty, ka dia nalevinay tamim-panajana tokoa.
26. Fiffi
(
12/04/2006 04:48)
fa io fandorana razana io ve @ gasy tsy midika zavatra hafa koa ? ohatra hoe "tsy fanajana ny razana , na hoe faniratsirana ny razana" ohatra hoy aho ireo an ! satria maro ny gasy tena sarobidy @ ny razana , ohatra fotsiny ireny olona mangataka tso-drano @ razana ireny ?
27. marozevo
(
17/04/2006 23:41)
Mbola tsy zakan'ny Malagasy tena izy izany mandoro razana izany eh... Misy havanay koa maty taty an-dafy tamin'ny dezieme gera mondiall, dia tsy hita ny fatin-drangahy iry, ka hatramin'izao dia mampalahelo ny taranany fa izany foana no ambetin-dresany... tsy hita faty i dadabe.... Nefa anie efa tamin'ny 1939-1945 izany eh. Koooo maika fa efa hitany eo no hoe hodorana !! .. mbay tany !!!..
28. Fiffi
(
19/04/2006 05:12)
marozevo: ny gasy hoy aho tena mbola hafa hiany , mety tsy fidin'ireo izay mandoro sy hoe aleo dorana ny vatana angamba matoa ry zareo manao an'izany , miheritreritra aho nohon'ny malagasy mbola mivavaka @ razana na koa ireo izay mamadika , izany angamba dia tsy ho possible mandrakizay eh ?
29. marozevo
(
19/04/2006 20:30)
Ndao kosa aloha ry Fiffi hahitsiko kely io lazainao io ah. Tsy mivavaka amin'ny Razana ny Malagasy, fa mangatam-pitahiana amin'ny Razana. Izany hoe, mino ny Malagasy fa ny Razana dia akaikin'Andriamanitra, ka afaka mangatam-pitahiana ho an'ny velona.
Ny momba ny famadihana dia tena resaka lalina sy lava io, ka mendrika loha hevitra manokana. Nefa sao dia tsy mahakasika fivavahana ka tsy sahy manokatra aho.
Ny momba ny famadihana dia tena resaka lalina sy lava io, ka mendrika loha hevitra manokana. Nefa sao dia tsy mahakasika fivavahana ka tsy sahy manokatra aho.
30. Fiffi
(
20/04/2006 09:46)
marozevo: marina ny anao , tsy mivavaka @ razana fa mangatam-pitahiana no izy ! miala-tsiny ! mangatam-pitahiana @ razana nefa koa toa misy manao an'izany sa manao inona moa ny @ vohay ?
31. marozevo
(
20/04/2006 14:54)
Tsy azoko io ny fehezan-teny farany lazainao io, ry Fiffi. Inona tsara hoe ! Mba azonao hazavaina misimisy kokoa ve ?
32. Fiffi
(
21/04/2006 09:52)
izany hoe: nahita reportage aho dia misy olona namono omby , dia hoe alohan'ny hinanana io omby io dia omena aloha ny voay (crocodile) dia nangatam-pitahiana tamin'ireo voay ireo ny olona.
33. marozevo
(
22/04/2006 22:29)
Kay ve VOAY fa tsy VOHAY e ! Izay vao azoko... Nisy, hono, teto Madagasikara, tanàna kely izany (Asa na aiza io na aiza... fa miendrika angano ihany aloha..), safotry ny rano ilay tanàna, ka ny ankamaroany tsy afa-nandositra fa safotra tao. Dia niova ho VOAY ireo safotra tao ireo.
Angano angano, arira arira.
Dia angamba avy amin'izay ilay lazainao.
Angano angano, arira arira.
Dia angamba avy amin'izay ilay lazainao.
34. Fiffi
(
26/04/2006 07:55)
ry zareo mpitantara fa isika mpihaino. Fa tsy nahay nanazava loatra aho satria tsy tena azoko tokoa ilay hoe fangataham-pitahiana amin'ny voay.
35. mandalo
(
26/04/2006 16:30)
ao amin'ny baiboly aloha rehefa maty dia mbola tsy nisy nahantona na nodorana fa nalevina daholo é.JESOSY ARY REHFA MATY NALEVINA; ka raha kristiana ianao (raha araka ny fihevitro) dia tsara raha alevina fa tsy dorana). tsy misy resaka malahelo faty izany na matahotra ny razana fa rehefa maty dia maty; tsy miteny, tsy miresaka; tsy afaka mi-tsodrano intsony noho izany tsy mitahy.
Andriamanitra ihany no mitahy (DIEU SEUL BENIT)
ity fomba fandoroana faty ity dia fanelezana ny vovok'ilay faty eny amin'ny rivotra (mandehadeha eny ny fanahiny dia mitahy hono???), raha boudhiste ilay olona; amin'ny hafa dia mety lafo loatra ny location cimetière ka mandany vola. endrika fitiavan-tena daholo izany.
izany no atao hoe: olon'izao tontolo izao
Andriamanitra ihany no mitahy (DIEU SEUL BENIT)
ity fomba fandoroana faty ity dia fanelezana ny vovok'ilay faty eny amin'ny rivotra (mandehadeha eny ny fanahiny dia mitahy hono???), raha boudhiste ilay olona; amin'ny hafa dia mety lafo loatra ny location cimetière ka mandany vola. endrika fitiavan-tena daholo izany.
izany no atao hoe: olon'izao tontolo izao
36. Fiffi
(
26/04/2006 17:30)
ka raha kristiana ianao (raha araka ny fihevitro) dia tsara raha alevina fa tsy dorana).iza moa izany ry mandalo ? ianao izy no tianao lazaina ?
tsy misy resaka malahelo faty izany na matahotra ny razana fa rehefa maty dia maty; tsy miteny, tsy miresaka; tsy afaka mi-tsodrano intsony noho izany tsy mitahy.tsy ho hatao ambanin-javatra koa ireo olona izay mbola manaraka ny fomban-drazany hoe mangatam-pitahiana amin'ny razana raha izany no fomban-drazany dia manaja ny fombany zany.
37. marozevo
(
27/04/2006 21:16)
Hoy i mandalo eo ambony eo :
tsy misy resaka malahelo faty izany na matahotra ny razana fa rehefa maty dia maty; tsy miteny, tsy miresaka; tsy afaka mi-tsodrano intsony noho izany tsy mitahy.
Hevitrao io fa tsy hevitry ny rehetra ary tsy verité absolue. Noho izany tokony ho nasianao hoe araka ny hevitro.
Manaraka : Olon'izao tontolo izao ireo ?
Mahagaga ahy ihany izany. Fa ity mandalo hono ry reto mba aiza no mipetraka a ? Fa angaha tsy eto amin'izao tontolo izao ?
Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao.
sa misy hoe mandosira ianareo an'izao tontolo izao.
tsy misy resaka malahelo faty izany na matahotra ny razana fa rehefa maty dia maty; tsy miteny, tsy miresaka; tsy afaka mi-tsodrano intsony noho izany tsy mitahy.
Hevitrao io fa tsy hevitry ny rehetra ary tsy verité absolue. Noho izany tokony ho nasianao hoe araka ny hevitro.
Manaraka : Olon'izao tontolo izao ireo ?
Mahagaga ahy ihany izany. Fa ity mandalo hono ry reto mba aiza no mipetraka a ? Fa angaha tsy eto amin'izao tontolo izao ?
Mandehana ianareo amin'izao tontolo izao.
sa misy hoe mandosira ianareo an'izao tontolo izao.
38. Fiffi
(
28/04/2006 07:07)
endrika fitiavan-tena daholo izany.mandalo: tena miala tsiny aminao aho fa tsy matiko lolo mihintsy io lazainao io an! ka raha mba azonao hazavaina dia misaotra anao mialoha.
izany no atao hoe: olon'izao tontolo izao
39. marozevo
(
28/04/2006 14:48)
Efa akaiky izao ry mandalo ny famadihana any Madagasikara. Raha tena te hahazo ny hevitry ny Malagasy momba ny fahafatesana ianao, dia mamonje famadihana iray fotsiny, na dia noho ny "curiosité" fotsiny aza.
Tandremo anefa miteny io lazainao io amin'ireo olona hafa mamonjy famadihana, fa matin'ny tora-bato sy ny vely langilangy ianao raha io no lazainao any.
Tandremo anefa miteny io lazainao io amin'ireo olona hafa mamonjy famadihana, fa matin'ny tora-bato sy ny vely langilangy ianao raha io no lazainao any.
40. Fiffi
(
29/04/2006 09:29)
marozevo: fa angaha azo hatao zany hoe mandeha mijery zany ? na hoe juste par curiosité zany ? sao dia tsy mety zany fa tsy manaja ny fomban'olona ? tsy aiko aloha fa mbola tsy nahita na nanatrika famadihana aho ka noheveriko hoe tena privé ka tsy azon'olon-kafa jerena.
