Mihinana ny tsy fihinany ny Malagasy .

1. Fiffi ( 06/04/2006 04:57)

Tsy ampy ny fampiharana ara-bakiteny ny lalàna mifehy ny fanaraha-maso ny hena amidy, eto Madagasikara. Nidina an-tselika tamin’ny toerana vitsivitsy ny MAEP sy ny ministeran’ny Varotra, omaly.

Tsy vao izao no nanaovana fanairana ny tompon’andraiki-panjakana momba ireo karazana hena amidy eny amin’ny faritra be mponina, ambany tanàna, na ahitana ireo sokajin’olona kely fidiram-bola. Eny Anosibe, izay ahitana ireo karazana henankisoa tsy manara-penitra, ary hifanotofana rehefa andro fety, dia tsy mahagaga raha mitombo ny isan’ireo olona mitondra ny tsimokaretina « cysticercose », izay mitoetra ho olana amin’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Hita amin’ny faritr’Imerina sy Alaotra, miaraka amin’ny taha 2,63%, io aretina io, ary lafo sy maharitra ny fitsaboana.
Noho ny tsy fisian’ny fahavononana, satria tsy ireo tompon’andraikitra ambony rahateo, no hividy hena eny an-tsena rehetra eny, fa tsy maintsy eny amin’ny « grandes surfaces », dia fampanantenana poakaty lava no heno eny amin’ny parlemanta, amin’ny fanavaozana ireo abatoara niarahana tamin’ny Vondrona eôraopeana, sy fananganana abatoara manara-penitra. Tsy mahagaga raha mihantona ny vinavinan’ny Maorisiana hanafatra omby aty Madagasikara, ary tsy taitra loatra ny eôraopeana, hanohy ny fanafarana. Na ny Malagasy aza mantsy mihinana ny tsy fihinanany, na noho ny fahantrana na noho ny tsy fahalavorarian’ny fenitra takiana ara-pahasalamana.
Araka ny fanadihadiana, dia miainga any amin’ny famonoana ny omby sy ny kisoa mihitsy ny olana. Tsy voahaja ny fepetra tokony harahina, toa ny ara-pahasalamana, ny fampiasana fitaovana fampangatsiahana. Mitarazoka sy lava loatra ny fe-potoana manelanelana ny famonoana ny omby sy ny ahatongavany eny amin’ny tsena ho an’ny mpanjifa. Misy ny taritina amin’ny posy, ao ny babena an-damosina. Tonga eny amin’ny tsena dia tsy ampy ny fitaovana fampangatsiahana. Raha misy aza sembanin’ny “déléstage”. Ankoatra izay, dia mifanjevo be sy mifangaro ny karazana hena atokana ho an’ny tsena, sy ny ahodina. Tsy vonona mihitsy hanaraka ny “traçabilité” takian’ny mpanjifa iraisam-pirenena, raha izay hena vonoina sy hamidy etsy sy eroa. Ny taratasy famonosana, izay indraindray dia voasolo plastika ihany, dia tena tsy manara-penitra mihitsy.
Momba ny henankisoa manokana, dia efa ho ny 50% n’ny kisoa amidy no avy any amin’ny faritra tsy fata-pihaviana, na tsy nahazo alalana, ka tsy ahafahana manao fanaraha-maso. Tsy ampy ny fanaraha-maso momba ny taovany, izay matetika dia fefiky ny aretina. Ny 90% - n’ny henankisoa mandeha eo amin’ny lalàm-barotra, dia avy amin’ny famonoana faobe tahaka ny eny Anosipatrana, na koa vonoana amin’ny toerana miafina. Tsy voaaro ny toerana, ka mandeha avokoa na vovoka, na mikraoba. Efa hihoatra ny 50% - n’ny tsena eto Antananarivo, no avy amin’ny famonoana omby sy kisoa tsy manara-penitra, kanefa na ny sehatra manara-penitra aza dia ahitana fa tsy ampy ary tsy ara-dalàna ny fanarahamaso. Jeren’ny
« Inspecteurs vétérinaires » fotsiny ny hena, fa tsy voakirakira.

Etsy an-kilany, ny « grandes surfaces », izay azo hitokisana kokoa, dia tsy manome afa-tsy 10% n’ny tsena mivarotra hena sy ny vokatra azo avy aminy. 80 ka hatramin’ny 90% dia eny amin’ny kartie sy elakelan-trano. Tsy azo odiana tsy hita koa anefa, fa ambany ny fahefa-mividy. Tsy mahagaga, raha tsy misy mivaky loha firy amin’izay kalitaon’ny hena sendra azony vidiana, ny mpanjifa. Marihina, fa misy kazarany samihafa ireo mpivaro-kena . Eo ireo sady manao fivarotana no manangona. Eo koa ireo mpivaro-kena miankina amin’ny mpanelanelana, satria tsy nanao fampiasam-bola teo amin’ny fanangonana entana. Ankoatra ireo, ny mpivaro-kena malalaka sy miahy tena, izay tsy mila mpambongady na mpanangona. Mampizarazara avokoa ny fanarahamaso atao izany.
R.A La Gazette de la Grande Ile
novalian'i Fiffi ny 12/04/2006 07:46
2. Fiffi ( 06/04/2006 05:56)
Etsy an-kilany, ny « grandes surfaces », izay azo hitokisana kokoa
indrisy fa mba firy ny isan'ny olona afaka mividy eny ?
3. majesty ( 06/04/2006 06:01)
soa ihany za fa tsy dia mihinan-kena :D
4. Fiffi ( 06/04/2006 08:20)
tsara zany fa saingy ho an'ireo mihinana na dia mafy hiany aza ny te-ihinana , aleo mitandrina !
5. rurik ( 06/04/2006 08:44)
mampalahelo le fihainana ee ny madinika atrany no mihinana ny tsy fihinanny na resaka sakafo na ny resaka fahasalamana ny @lafiny rehetra.:(:(:(
6. Fiffi ( 06/04/2006 08:47)
rurik: indrisy akia an! :( mafy eh! :(
7. vale ( 06/04/2006 10:40)
:(:(:(:(
8. Fiffi ( 06/04/2006 11:41)
ka mafy ady koa anie ny olona eh! asa re raha mba aiza ho aiza no fanaraha-mason'ny ministeran'ny fahasalamana @ izao zavatra miseho izao ?
9. Herimiafina ( 08/04/2006 20:53)
Efa hatramin'izay no nihinana ny tsy fihinany foana ny malagasy!

Ny difference fotsiny dia matoa mivoaka io teny io dia manenika ny renivohitra ny fahasahiranana.

Izay manjo ny any andrenivohitra ihany foana mantsy no lasa vaovao malaza sy polemika, fa ny any ambanivohitra tsy misy miraharaha fa efa ohatr'izay foana ny fiainany.

Ny ankamaroan'ny sahirana andrenivohitra anefa de tsy iza fa ilay tamabanivohitra nitsoaka ny ady mady tany ihany ka sahirana antanandehibe.

Mitotongana ny clase moyenne, fototry ny ekonomia, mitombo isa ny mahantra satria lasa betsaka ny classe pauvre rehefa tamy hanampy isa azy ny classe moyenne sahirana tampoka, ny classe manankarena indray dia lasa manana hatrany, dia hita eo koa fa hisy hilaza hoe: ny manana manana hatrany ary ny mahantra mahantra hatrany.

De izay ilay izy, tsy vao androany io, fa efa hatramin'izay! ahan :@:@
10. Fiffi ( 09/04/2006 13:19)
marina aloha ny anao ry Herimiafina fa efa hatramin'izay no nisehoan-javatra tahak'izao , nefa etsy an-daniny inona neha no azo hatao ?
11. ndrena ( 11/04/2006 14:31)
H@ izao aloha de fihinana hatrany no mbola reko hohanin'ny olona e!Fa ny karazany fotsiny no samy hafa:P
12. Fiffi ( 11/04/2006 15:28)
ndrena: nefa dia io navoakan'ny gazety io an! ka dia tsy aiko aloha fa dia mampiheritreritra tokoa izy zany.
13. Herimiafina ( 11/04/2006 15:51)
Fiffi:

marina aloha ny anao ry Herimiafina fa efa hatramin'izay no nisehoan-javatra tahak'izao , nefa etsy an-daniny inona neha no azo hatao ?

Ny azo atao ve? Mihinana de ho voky ianao! tsotra de tsotra! ahan :@:@

14. Fiffi ( 12/04/2006 07:46)
an3 ! tsy d'accord @ nao kosa aloha zah an! fa raha samy hihinana hiany ve sy hanao izay ahavoly , tsy aleo ve dinihina tsara aloha izay ho hanina ? :*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.15