NY FAHANTRANA mila ezaka à long terme!

1. xxx ( 03/04/2006 17:39)
Amiko manokana dia mila ezaka lavitra ezaka raha tiana hihen-danja ny fahantràna ny hoe hanafoana aloha tsy possible satria na aty @ tany manan-katao aza misy mahantra.
Mila ezaka avy @ mpitondra dia mila koa avy @ vahoaka entina.

Voalohany indrindra dia ne resaka fitantanana ireo infrastructures rehetra sy ny suivis izany hoe ny fanaraha-maso .

Eo koa ny dépolitisation tanteraka ny administrations aiza koa ny any amintsika tafiditry ny pôlitika hatramin\'ny fivavahana,en plusn\'izany maro loatra ny antoko pôlitika @ tany mahantra.

STABILITE io important koa io ,ilaina ny stabilité politique raha i MADAGASIKARA manokana raha niremarque isika dia depuis 91 dia nihena ireo vahiny mpamatsy vola manao investissement .Nefa manome tsenan\'asa ho an\'ny olona indrindra fa ny tanora .

Mila jerena ireo izay tena potentiels tena mandeha dia ampitomboana kokoa ny investissements asa ny sécteurn\'ny tourisme ve ohatra..Raha dinihina izao ny tany matoa mandroso dia be vahiny mivezivezy ao jereo fotsiny ohatra ao Maurice nosy mbola kely noho i MADA ny resaka tourisme sy industrie textile no tena heriny ,compagnies aériennes firy no mipetraka ao @ ry zareo?ny antsika sady lafo nefa azo atao hoe monopole ny ataon\'ny AIR MAD ,pour le même prix tsy aleon\'ny olona ve any @ tany hafa.

Ao koa ny resaka lalàna ,izany hoe ny justice antoka iray io tsy ahafahan\'ny mpitondra manodina ny volam-panjakàna àry manafoana ny kolikoly .Nul n\'est censé à ignorer la loi .

Farany ny resaka dévaluation matoa io misy dia farofy ny économie , izany hoe ny afarana betsaka noho ny aondrana ohatra dia déficitaire ny balance commerciale.


Ny avy aty @ vahoaka in1 dia tsy miandry ny mpitondra foana fa mbà maka initiative sy solidaire ,matoa amiko manokana misy olona tafavoaka dia resaka solidarité @ ankapobény ,tsy misy afaka mahavita tena e.

Ny fitsinjovana ny vodiandro merika hoy ny ntaolo izany hoe resaka économie misy ohatra karazan\'olona raha mandray karàma anio maraina rahariva iny lany any @ bar zava-misy izany!!

Farany sao lava loatra ny tany any amintsika dia mbola midadasika ary be ny tany mahavokatra raha tsy hiresaka afatsy Miarinarivo-ITASY faritra tena mahavokatra sy be trondro tokoa ...raha hifindra monina any @ ville ve ny 4 mi tsy aleo mankany asa aloha e...
Mety misy mbola manana hevitra hafa tsy miteny aho hoe marina 100% ireo nolazaiko fa dia hevitro izaho samy irery io malalaka ny ady hevitra e;-)
novalian'i prime ny 31/10/2006 13:05
2. Herimiafina ( 03/04/2006 17:48)
Eo koa ny fialana amin,ny structure napetraky ny frantsay, ny fizarazatrana sy ny fitongilanana satria raha mbokla io no atao base-ny (qutas regional, sns) dia tsy handroso mihintsy.

Ny ezaka mety dia io fizarana region io, tokony tsy atao antaratasy intsony fotsiny fa ataoa rampahefana mihintsy, dia amin'izay samy mampandroso ny azy fa tsy mila manafatra foko hafa ho atsy sy aroa (affectation).

Ny olana mantsy eny anivon'ny asa dia be ny sabottage ary matetika ny resaka fiaviana no antony goavana mahatonga izay, fialonana sy fierté regionnal.

Omeo fahefana ny REGIONS 22 dia mandeha io. matoa io mbola tsy mandeha de le Chef de region no mila ovana.
3. Herimiafina ( 03/04/2006 17:50)
Ho ela velona anie ny Federalisma mon kamarady! :-D
4. lemenakely ( 03/04/2006 18:35)
Raha mandinika ny ao dago ianareo dia misy désequilibre régional tokoa jereo fa ANTANANARIVO izao no sady capital no province mandroso indrindra raha tsy diso aho dia TOLIARY no taraiky indrindra midika izany fa misy zavatra tsy mety sahala @ pneu na fiara 4 raha mandeha ny 3 fa misy iray vaky tsy afaka ny handroso ilay fiara raha alefa mety vao maika aza manimba zavatra hafa,sahala @ ilay bingo manao matso e.

Fa amiko dia ny resaka fitantanana no zava-dehibe indrindra e! raha te hampihen-danja ny fahantràna hazavaiko ny hevitro:matoa bokan\'ny trosa lava ny firenena iray dia misy fitantanana tsy mety ao izay .Izany hoe ny mivoaka betsaka noho ny miditra ,sahala ny ao @ tokatrano ihany io e.Manao ahoana ny resaka fiscalité sy ny hetra ohatra ny any amintsika ny orin\'asa matanjaka zara raha mandoa hetra noho ny kolikoly ny olona madinika anefa voaporiporitra ao izany dia efa misy manque à gagner.

Ilay recette fiscale sy hetra efa kely iny indray nefa mbola hita sy tsapa fa mal géré ka aiza àry no handroso e .

Marina koa ary d\'accord mihintsy aho ilay resaka lalàna sy ny fampiharana azy tokony hitovy daholo ny olona manoloana ny lalàna ny mampalahelo raha mahantra iray no tratra nagalatra kisoa 1 mety ho gadra au moins 10 ans lehio ny fitsaràna azy koa mety hitarazoka fa raha mpanankarena iray no nanao détournement na 1 milliard omeny 320 millions ny avocat afaka moramora izy.

sns e..
5. Fiffi ( 03/04/2006 19:30)
mbola ho avy ny anjara masoandro eh!
6. prime ( 31/10/2006 13:05)
Tsara ny lohahevitra toy izao fa kay izaho izao vao miditra...

Misy fanamarihana kely fotsiny, hoe na any frantsa na aiza na aiza dia "politisée" ny administration... fa toa tsy dia tena olana izay fa saron'olana, fa ny olana ao anatin'izay angaha dia ny hoe idirana foko sy fihaviana ary fihavanana ny administration...
Hazavaiko ny hevitro, na any frantsa aza hoy aho, rehefa mahery ny hery ankavanana ka matanjaka ohatra ny RPR dia "normal" raha hitanao betsaka membres ny RPR ny cabinet sy ny direction ao @ ministera vitsy2... kanefa na hery ankavia aza no nodimbiasany dia misy ny fitohizam-pitondràna... fa ny eto dago dia tsy ny firehana politika loatra aza no manan-kery any @ administration any fa ny fihaviana sy ny foko ary ny fihavanana... d tsy hahita rirany ao enao raha tsy miray tendro...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2006