gasy mahantra nefa manana

1. ralf ( 02/04/2006 20:17)
Mahagaga ho'aho fa hoe mahantra ny gasy nefa dia tena misy mihitsy ny manan-karena tsy misy toy izany. Ny hatsembohan'ny sasany ve no mahatafita azy ireny sa azo amin'ny fahamarinana tokoa. Misokatra ny ady hevitra.
novalian'i Fiffi ny 09/04/2006 13:10
2. Veloo ( 02/04/2006 20:42)
na aiza enao na aiza tsy maintsy misy faona ny panakarena sy ny mahantra... :wink:
3. Fiffi ( 03/04/2006 05:03)
Ny hatsembohan'ny sasany ve no mahatafita azy ireny sa azo amin'ny fahamarinana tokoa.
nahoana no ny hatsembohan'ny sasany kosa no maham-panakarena azy eh ? manana izy ka akory hatao ? marina fa misy ny manana , misy koa ny mahantra , fa eran-tany dia ahitana an'io daholo.
4. rapala ( 03/04/2006 07:31)
ao koa ny mpanankarena satria mandray siosio, toy ny mpiasa sasany eny @ doany, "havokako tsy mandoa tax ela satria fantatro be ilay sefo, ka raha homen'ela vola millions aho dia zarainay sy ilay sefo dia mivoka hoazy ny entan'ela"... misy io ary raha betsaka ny olona hanaovany izany dia izany no mampanankarena azy ihany koa. Tsy miteny aho anefa hoe ny mpiasa ny doany rehetra an. Mbola misy ny fitiavana siosio ary tsy ho afaka mihintsy io na dia miezaka mafy aza Ravalomanana. Izany koa midika fa ny mahantra dia ho mahantra satria tsy mahita lalana ary ny manankarena dia manankarena satria ireny ilay mahitahita.::(:(:(

Ao koa anefa ny manankarena satria:
1.vokatra ny herim-po
2.lova
3.vady manakarena

Sa ahona hoy ianareo?
5. Fiffi ( 03/04/2006 07:40)
Ao koa anefa ny manankarena satria:
1.vokatra ny herim-po
2.lova
3.vady manakarena
ka zay indrindra manko! marina fa mafy ny fiainana fa tsy tokony ho tsaraina ratsy daholo ny olona manana eh!
6. ikalakintina ( 03/04/2006 17:14)
de ny tsy manana ko mba tokony iezaka fa misy ane efa tsy manana mbola kamo iany e!
7. rapala ( 04/04/2006 10:12)
marina aloha izany ry ikalakintina fa ihany koa ty misy mi-motive ry zareo toy ny aty ampita ry zareo. Ohatra hoe te hanokatra varotra kely nefa tsy misy vola hetsehina dia miboredaka ilay hevitra. Ny aty ny banky afaka mampindram-bola rha tena serious le olona - hisy hampidram-bola ve ny any amintsika, toa burokratika be daholo, ka izay ange ilay mahatonga ilay resaka hoe izay mahitahita ihany no lasa tafita e! Dia miverina ihany indray koa ny resaka politika, ny governement no tokony hi-motive ny olona fa tsy hameno ny posiny fotsiny:x:x
8. Fiffi ( 04/04/2006 10:18)
fa na izany aza dia fiainana daholo izany fa inona anefa no tokony hatao ary ?
9. vale ( 04/04/2006 10:44)
rapala: marina mihintsy izany, ka izany no mahatonga ilay hoe zay efa manana ihany no mbola hanana fa ny madinika dia mijanona madinika...raisiko io oh fampindramam-bolany banky io, fa rah tsy olona manana na ambony ny banky ny mcr tsy hanome vola hindramana mihintsy

Ny mba tiako tenenina koa dia misy ny olona tokony tsy hijaly fa KAMO, aleon'ny sasany miakatra any andrenivohitra manao kivarobarotra,ao ny lasa mitsimpona fako, mi-trier ny tvhangy sns hamidy avy @ fako, avy eo ny tànana tokony hiasa hampitombo ny vokatra, mihena:arrow:tsy fahampian'ny vokatra(vary,sns...):{

10. Fiffi ( 04/04/2006 10:58)
vale: marina ny andry!! tena be loatra ny hakamohana fa tsy mba mandray ny responsabilité-ny ny tsirairay dia avy eo mi-rale fotsiny , maninona anefa no tsy mihetsika eh!
11. mirana5 ( 04/04/2006 14:25)
Mahavariana ihany ny ambaratongan'ny harenan'ny olona é, ndraindray tsy mampino mihitsy ny décalage é NAHOANA RE?:roll:
12. Fiffi ( 04/04/2006 15:26)
nahoana marina re eh ? :roll:
13. rapala ( 04/04/2006 19:43)
fiffi a, hoy 'nao hoe inona ary no tokony hatao? Hampihofanana ny olon-dehibe mba hihetsika, tsy hoe resaka asa birao foana fa ao ny mpandrafitra, elektrisian, plombier etc. dia mba afaka mba miasa tena izy rehefa vita ny fianarany.
Ny havantsika manampahaizana koa ange ka miavon'asa e, asa birao ihany no ao an-tsaindry zalahy, sa ahoana hoy ianareo?
14. Fiffi ( 04/04/2006 19:46)
rapal: ka tsy mba rariny kosa ve raha mba manampahaizana ny havantsika tsy hiasa birao ?
15. nambina ( 05/04/2006 08:13)
rapala>marina tokoa izany betsaka ny namako vita fianarana tsy mieritreritra fa dia hiasa birao kanefa betsaka ny azo hatao hoan'ny olona manampahaizana, manokatra oron'asa ohatra na dia kely aza dia io mampiasa olona hafa indray dia mitohy....Aiza dia hiandry ny tsy misy fa halefa aloha ilay saina e
fiffi>rariny ny miasa birao hoan'ny mahay kosa fa raha tsy misy asa tadiaviny dia hiandry foana, dia izay ange ilay matonga ilay olona kamo e, diso fanantenana,leo ny miandry..
16. Fiffi ( 05/04/2006 08:19)
"tsy misy mafy tsy laitra ny zoto" hono hoy ny fitenenana! :)
17. rapala ( 06/04/2006 06:53)
fiffi a, inona akia no dikan'io fitenenana io fa tsy dia azoko loatra azafady:oops::oops:

misaotra nambina a, tsara ange ny manampahaizana ary tanjona ny hiasa rehefa vita ilay fianarana kanefa betsaka ilay mpitady asa nefa vitsy ny asa dia ahoana, hiandry, dia hiandry mandrapa - tsy aleo ve mba manorona zavatra hafa e!:wink:
18. Fiffi ( 06/04/2006 08:35)
rapala: zany hoe raha misy zavatra tokony hatao nefa mafy de mitady hanajanona azy nefa ilaina ilay izy dia tsy ho mafy ny fanaovana azy raha hikirizana sy hasiana zoto , mazoto zany eh de ho vita soamantsara avy eo.
19. rapala ( 06/04/2006 10:01)
fiffi^:^ misaotra akia,ka marina ange izany ilay fitenenana tokoa raha dinihina. Tsy mora ny mamorona asa fa mila manana fikirizana rha te hisondrotra. Ilay hakamona dia tsy maintsy hadaboko fa raha tsy izany dia lasa mahantra nefa vola be no lany t@ fianarana.:)
20. Fiffi ( 06/04/2006 10:44)
rapala: marina tokoa izany , ny andro lany , ny vola lany , ka dia hasio fahazotoana hatrany fa sarotra ny manenjika ny very. Ary ny nenia hono tsy any aloha hananatra fa any aoriana handatsa ka dia mazotoa an! :-*:-*:-*:-*:-*:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2373