mora mivadi-dela ny mpitondra

1. rasah ( 31/03/2006 09:53)
toy hoatrin'ny manao mpitari-bato mivilam-bava ny mpitondra eto gasikara eto. vao iray taona mantsy izay no nitenenan'ny filoha fa tsy misy hidirany izay tantara momba ny 29 martsa, gaga anefa aho t@ kabariny tany Moramanga milaza fa tsy fanadino mihitsy io daty manan-tantara io!!
novalian'i xxx ny 17/04/2006 22:54
2. lemenakely ( 31/03/2006 10:47)
Ka izay anie ho aho no mahatonga ahy miteny hoe aleo mihintsy mba andefasana hevitra ireo haino aman-jery indrindra indrindra @ fotoana fanaovana propagande mbà hanao archives ireny teny aloakan'ny mpanao pôli-fika ireny !
rehefa tonga ny andro dia alefa dia ho hita eo raha mba nanantanteraka ny promesse sy ny teniny izy OAININA tsara @ izay dia tsy miteniteny foana intsony!
3. Ragadona ( 31/03/2006 11:21)
Io tenenin lemenakely io no tsy ahafahan ny mpanao politika amin ny firenena efa lasa lavitra miteniteny foana satria arahina amin izay teneniny foana ary tsy maintsy fidèle amin izay avoakan ny vavany fa raha tsy izay dia faizin ny olona amin ny fifidianana ary mavaivay amin ny fanakianan gazety. Mbola lavitra io hoantsika satria na ny olona aza mora manadino koa dia azo hararaotina
4. Fiffi ( 31/03/2006 11:28)
raha ny hevitro aloha dia izao: marina fa manao fampanantenana ireo olona izay milatsaka ho fidiana , mampanatena ny olona izy , manao izao resaka rehetra izao mba ahazahoany ny fon'ny olona mba hifidy azy ? nefa rehefa voafidy tokoa , toa tsy dia hita mihintsy ireny resaka be ireny . Eny ! marina fa tsy mora ny fitondrana firenena nefa dia nahatoky ny vahoaka satria be loatra ny fanantenana izay nomena ay ireo. Mora mivady lela hoy ianao ? tsy aiko loatra fa raha tsy misy ny fihovana , ny "moyen" koa ,tsy hisy zavatra ho azo , indrindra fa ny olana be dia be tokoa izay navelan'ny mpitondra teo aloha ary tsy ho tafarina ao anatin'ny taona vitsivitsy izany.
5. 4mimananelatra ( 31/03/2006 13:28)
mbà vakio kely ity articlen'ny express.fr ity mahakasika ny tenindra8 t@ fandalovan'i filoha frantsay teto
http://www.lexpress.fr/info/monde/dossier/madagascar/dossier.asp
6. avolenta ( 31/03/2006 14:12)
tsara kosa iny tatara kely iny ,sady mba otrany tena tsy misy ho kianina
7. TYNOS ( 31/03/2006 15:38)
t@ fotoana nahatongavan'i president français teto ireny koa anie rehefa nanontaniana izy(ny filoha hajaina io an!)ny miukasika io raharaha io(1947) de nilaza koa izy fa tsy teraka t@io fotoana io ka mahay ny mikasika io;resaka io;izany ve tsy fanambaniana ireo niady tena niady taloha t@ fanjakazakan'ny vazaha....Mety misolela
8. TYNOS ( 31/03/2006 15:46)
efa fanaony io mivadibadidela io ka efa tsy magaga intsony!raha tsaroanarero tsara fa efa niresaka manodidina io ady t@vazaha io izy t@ireny fotoana nandalovan'ny filoha françaiS teto ireny;t@zay nilazany fa tsy teraka t@io daty io izy ka tsy mahay ny mikasika io zavatra io:izany ve tsy fanambaniana ny tolom-bahoaka:?::?::?:
9. sonwin ( 31/03/2006 16:26)
aza raisina fotsiny amin'ilay teny hoe "mbola tsy teraka aho....." fa nisy tohiny nolazainy. Ny fijerin'ny tsy mahay mankasitraka mantsy dia ilay teny entina hanakianana ihany no raisiny fa tsy rarahiny ilay tohiny,nefa ilay tohiny no tena hevitra tiana nampintaina. Ny mivadi-dela tsy nisy fa ny mpihaino vilana no betsaka.
10. fijo ( 31/03/2006 19:39)
za tsy naheno izay tena nolazainy ka sarotra ny hitsara izany.fa marina io voalazan'i sonwin io.misy maka izay teny tiany fotsiny hanaratsiana na hanandratana
11. Fiffi ( 01/04/2006 11:56)
ka izay indrindra no tena olana !
12. gasypantin ( 01/04/2006 13:36)
vakio io article nosoratan'i l'express.fr an'i 4mimananelatra io ry fijo ah
13. sonwin ( 01/04/2006 17:31)
article sady tsy mahagaga io no tsy mahataitra, no tsy vaovao. Jereo hoe iza no mpanoratra, avy aiza izy, dia mazava be ny heviny.
14. jajaf401 ( 01/04/2006 17:52)
Hevitra = TERA-BARY !
Marina daholy ny anareo fa ny eto angeh mba savasavao hahita ny rariny eh!
ary izay efa nanao ihany no azo tsaraina !
De kopaka am-bava ny betsaka ao @ politika, ka de zay no mahatonga tsy in-1-1 ny filoha hiteniteny.
Fa io tsy anaty fony akory.
Raha milaza izao hoe nahavita izy, tsy midika kosa ny taloha tsy nanao fa mifameno io na tiana na tsy tiana; fa izay tsy vitan'ny taloha dia anjaran'izay amperinasa no manao azy.
NB: tantara dia samy momba ny tombontsoany; fa soa ihany fa zaho "neutre" :-D:-D:-D
15. Veloo ( 02/04/2006 02:56)
tsssss neni-ndry jajaf zany ko dia tena loza mihitsy... mbola tsy fay @ fampijaliana sy fahoriana taloha angaha? avelao ny filoha hanao ny asany e raha mahativa mandana miditra prezy dia ho jerena eo raha mahay:wink:
16. Fiffi ( 02/04/2006 13:14)
mbà vakio kely ity articlen'ny express.fr ity mahakasika ny tenindra8 t@ fandalovan'i filoha frantsay teto
raha mba tena fantatrao manko ry 4mimananelatra ny fomba fihasan'ny mpanao gazety , indrisy fa izay ahalafo ny gazetiny hiany no tanjony , raha izao resaka rehetra rehetra tsy mitombona havoakan'ny gazety izao no hampisy fihadiana na zavatra hafa , inona re no niafarantsika olombelona @ izao fotoana hiresahantsika izao eh ?
17. fijo ( 05/04/2006 19:03)
tsy hitako le lahatsoratra ka tsy sahy hiady hevitra be aho.fa ny fantako ary mampalahelo ahy dia tsy "objectif"ny mpanao gazety sasany ka manodin dresaka
18. lamie ( 12/04/2006 09:27)
tsy hay tsony re olona zay tena tadiavin'ny gasy mba ialana @ io fahatrana io e!raha vao misondrotra ny petrole, avy dia midina ny vola gasy, miakatra daolo ny fidin-javatra, ny PPN io, io jirama io koa no tena hafahafa ka! ny loyer koa zao efa nisondrotra satria nisondrotra koa ny hetra-trano, aiza no hiainana? ny avy any ambanivohotra rehetra miakatra ao tananarivo fa hoe ao no misy ny vola???raha hisolo mpitondra isaky koa, tsy lasa fa miverina amboalohany ny tantara, dia ahoana re???
19. lamie ( 12/04/2006 09:29)
za aloha tsy matoky ny mpanao gazety reo ! sady mamorona no mampiady ny gasy koa,tokony zay tena marina foana no lazaina,
20. fijo ( 13/04/2006 19:54)
izay mantsy wa.tsy "objectif" ry zareo fa anana firehana ka izay no manahirana.mariako nefa fa hatraty frantsa izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0584