Lozam-piaramanidina

1. Fiffi ( 31/03/2006 05:28)
Nianjera tany an-tanimbary ny fiaramanidina nitondra minisitra sy DG maro.
Tany anaty tanimbary no nifatratra ilay fiaramanidina Twin T A 31 nitondra ny minisitry ny toe-karena, ny vola ary ny teti-bola, Atoa Radavidson Andriamparany sy tale jeneraly maromaro, afak’omaly hariva, tany Ambatondrazaka.
Tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tany ho any, araka ny vaovao azo avy any an-toerana, no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana an’habakabaka ity. Niala tao amin’ny seranam-piaramanidina tany Ambatondrazaka ilay Twin, ka efa tafakatra teny ambony teny no nijanona tampoka ny motera havanana, avy eo dia tsy nandeha ihany koa ny ilany havia. Niezaka nanodina ilay fiaramanidina ihany ilay mpanamory ary nentiny nidina moramora teny ilay fiaramanidina. Tsy tafapetraka tany amin’ny seranana intsony fa tany an-tanimbary no niantefa. Araka ny fantatra, tsy dia mafy loatra ny fitontonana ary soa fa tany anaty tanimbary ka tsy nipoaka.
Olona fito no tao anatin’ity fiaramanidina ity, ny minisitra Radavidson Andriamparany Benjamin, ny tale jeneralin’ireto orinasa ireto : ARO, SONAPAR, MBS, TIKO, ny mpiambina ny minisitra ary ilay mpanamory.
Nieren-doza ireo olona ambony rehetra ireo. Tsy nisy naratra fa avotra soa aman-tsara. Voatery nihosom-potaka kosa nivoaka ilay fiaramanidina.
Araka ny fantatra, dia avy nitokana ny orinasa TIKO tany Vohidiala ireo olona ambony ireo, niaraka tamin’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana sy ireo manam-pahefana samihafa. Ny filoham-pirenena sy ny mpiara-dia aminy nandeha helikopitera, avy nanatrika ny lanonana fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny Andron’ny 29 marsa tany Moramanga. Ny minisitra sy ireo D.G maromaro kosa dia nandeha fiaramanidina manokana. An’ny fanjakana ilay fiaramanidina Twin ary teratany alemà no nitondra azy.
Fanindroany izao, tato anatin’ny volana vitsivitsy, no nisy fiaramanidina nitondra manam-pahefana nianjera. Ny voalohany dia ny helikopitera nitondra ny filoham-pirenena mivady, tany Imerin’Imady (Ambositra). Soa ihany fa samy nieren-doza avokoa ny olona ambony tao anatin’izany fiaramanidina izany.
Nivo Magagascar Tribune
Miaraka @ sary dia : http://www.lexpressmada.com/article.php?id=41968&r=11&d=2006-03-31
novalian'i Fiffi ny 03/04/2006 06:57
2. vale ( 31/03/2006 06:39)
hum :? soa fa tsy nisy aina nafohy na naratra tamin'ireo olona ireo! fa mateti-pitranga tokoa ny lozam-piaramanidina mpitondra olona ambony toy izao, ny tena loza nahatsiravina dia ny tany Ampamoizankova taminy namoizana an'Atoa Sibon Guy:(
3. Fiffi ( 31/03/2006 07:23)
vale: marina tokoa akia zany an! Isaorana ny Tompo fa tsy nisy namono ny ainy t@ io.
4. diamondra27 ( 31/03/2006 07:31)
hummm!!misaotra an'i Fiffi e, hay ve ka nisy an'izany e
5. xxx ( 31/03/2006 09:30)
ASA SUPERSTITION VE SA IN ? fa mbà mahalasa saina anay vahoaka majinika ny zava-miseho asa sao dia fampitandremana avy any @ zanahary ireo loza 2 ireo hoe mijaly loatra ny vahoaka majinika aza atao tohatra fiakarana lava izao MAMPIERITRERITRA!!!
6. Fiffi ( 31/03/2006 11:49)
DM: elaela ndry tsy hita an! indrisy akia fa io no vao2 hita eto zao. :-*:-*:-*:-* ndry an!
sao dia fampitandremana avy any @ zanahary ireo loza 2 ireo hoe mijaly loatra ny vahoaka majinika
izany hoe tsy mihombon-kevitra @ i xxx aho aloha @ io an! tadidio tsara ry XXX fa ny Zanahary tsy hanao an'izany mihintsy mandrakizay doria Amen ! Ny Zanahary ve dia mihevitra ve ianao fa haniry zava-dratsy ho an'ny olona ? au contraire !!! Tiany daholo ny olona rehetra , kely finoana ianao raha miheritreritra fa ny Zanahary hanao ratsy satria ratsy izany ! Mazotoa mivavaka , Hampitombohy ny finoana , fa ny Zanahary mitsinjo anao sy antsika foana.
7. jajaf401 ( 31/03/2006 18:37)
Ny Twuin foana no antitra fa zanahary tsy maniry loza!
ary miarahaba an'izy fito mirahalahy kosa tsy maty fo aman'ainy eh!
:-D:-D:-D:-D
8. Herimiafina ( 31/03/2006 18:55)
Hono hoa e! Inona ilay compagnie nitondra azy, air mad ve? tsy mino zah mantsy! :P:-w:-w
9. Fiffi ( 01/04/2006 07:22)
fa ahoana ry Herimiafina ?
10. jajaf401 ( 01/04/2006 15:01)
Herimiafina:

Hono hoa e! Inona ilay compagnie nitondra azy, air mad ve? tsy mino zah mantsy! :P:-w:-w



An'ny air mad daholo ny twin eto dago aloha hatramizao eh!
Tsara entretien anefa ny avion ny fa ny antitra antitra ihany eh; efa firy-ème cas zany tanaty iray volana tato ny accident nataon'ny twin n'ny air mad??? :-D:-D:-D
11. Fiffi ( 01/04/2006 15:50)
jajaf41: misy compagnie hafa angaha any ? ankohatran'ny air mad ?
12. Veloo ( 02/04/2006 02:45)
:^)
ty misy tip.. aza mba mande boeing 737 fa efa antitra doly ireny.. raha itanareo 737 doly no nenjera:wink:
13. jajaf401 ( 02/04/2006 03:05)
Fiffi:

jajaf41: misy compagnie hafa angaha any ? ankohatran'ny air mad ?



Efa maro hono : toa ao ny air hotel sy ny namany; fa rock air ihany no forfait aloha!
14. Veloo ( 02/04/2006 03:30)
15. Herimiafina ( 02/04/2006 20:01)
Andao tsika sy Veloo ho any Nossy-be fa vao nahazo boeing 737-300 mantsy ny Air-Mad, vaovao be fa tsy antitra toy le Boeing 737-400 Boina sy DSambirano ireny! :*:*
16. Veloo ( 02/04/2006 22:48)
heri a sady za mnbola tsy nande tany an:wink::-D:-D:-D
17. Fiffi ( 03/04/2006 06:57)
hay ? zay indray zah vao nahafantatra an'io an! fa forfait ahoana ? tsy azoko!:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1504