azo heritreretina ve ny extradition-an'i Deba makany Dago?

1. xxx ( 30/03/2006 17:37)
Io indray izao no malaza raha manaraka ny vao² farany any Afrika nareo.
I Charles Taylor,Lyberia no tiana ho lazaina@izany miampy an'i Husen Abré an'i Tchad.
Azo heritreretina ve indray andro any ny fampodiana an'Ingahy Ratsiraka ka ho tsaraina izy na de ny raharahan'ny 10 Août ihany aza?Sy izay tsy hita?
Miampy ny fangalarana vola tao @trésor National t@ raharaha 2002?
novalian'i dadabe ny 17/04/2006 04:52
2. andry44 ( 30/03/2006 17:53)
Mampalahelo tokoa ny zava-nitranga t@ireny kah!
Ny gasy ve no tsy mitory sa tsy mahalala ny ZONY araka ilay ady hevitra iray etsy ambany?Sa mety misy ambadika politika sy fifanarahana ambadika nifanaovan'ny mpitondra teo aloha sy ny mpitondra ankehitriny?
De ho sanatria ho voafahan-dalitra indray ve ny vahoaka malagasy?
Jereo ny an'ny olona izany vao tonga teo @fitondrana de nataony @fanaovana azy ny azy!
3. fijo ( 30/03/2006 20:41)
araka ny fahalalako azy,aloha dia misy fifanarahana tamin'ny frantsay io.
raha ny taonanay koa,hody ihany izy fa saingy efa henjana izy vao hody any.
4. Vaika ( 30/03/2006 20:42)
Ra-Deba ve ho azo amin'izany eo. I leiry anie nivoaka Saint-Cyr taty ka tena zanaky ry zalahy mihintsy. Ny tena gravy koa dia i leiry efa kikisan'ny aretina ity ka sao dia lasa ohatran'i Papon eo ka ho tafavoaka mialangalana eo indray i leiry. Tsy tadidinareo angaha i leiry ni-pointe tao Bourget ? Ni-zesta mihintsy takaka fa afa-maina.
5. fijo ( 30/03/2006 21:03)
henjana wa iny vao tafody any
6. Ragadona ( 30/03/2006 23:21)
Sady le izy koa ange resaka lalàna ka na dia hoe be aza ny tsy nety nataony dia sarotsarotra ihany ny handrafitra fitoriana hamelezana azy araka ny lalàna. Hasina hoe nangalatra vola tao amin ny banky central ve ? D raha izay anefa raha ny fahakingan i Deba dia mety tsy hiaro tena fotsiny izy fa hi attaque koa ka tsy sarotra ho azy ny hamadika ny baolina avy hatrany ka Ra8 eo ndray no hifafa (raha lalàna no hifampitadiavana)
7. Herimiafina ( 30/03/2006 23:39)
Aleo izy any ihany fa aza avela hody fa mifoha eo daholo ny angatra hanankorontana klé, hehehehe:-D:-D
8. vancleef ( 31/03/2006 04:25)
Vaika> Ra-Deba ve ho azo amin'izany eo. I leiry anie nivoaka Saint-Cyr...
Tsy avy ao @ Saint-Cyr izy fa Ecole Navale de Brest.
Tsara fo ihany ange ny frantsay ê satria i lery no niala tao @ zone franc, nandraoka ny frantsay tany Diego sy ny amerikaninina tany Talata nanoratran'ilay boky mena dia niantson'ny koreanina avaratra ny malgachisation-n'ny fianarana sns sns. Any Paris ange izy efa ahoatran'ny migadra ihany na dia prison dorée aza ê. Tsy mahazo miresaka politika @ ny mpanao gazety ra tsy maka autorisation any amin'ny Sarko
9. xxx ( 31/03/2006 15:04)
De hodiantsy hita kosa ary ve izany ireo maty sy naratra t@10 Août?
Ny strategie sy ny baiko nomeny t@ireny krizy 2002 ireny?
Fampijaliana ny vahoaka anie ireny e!
10. sonwin ( 31/03/2006 16:34)
aleo aloha izy gadra sesitany ao Paris ao...mila filaminana anaty ny firenena indrindra fa ho avy izao ny fifidianana.
Raha resaka 10 Aout, tsy izy irery no tompon'andraikitra fa namany koa ny olona nitarika tamin'ireny (Zafy, Andriamanjato, etc...) raha ny fahitako ny zava-misy ankehitriny.
Ny krizy 2002: izay indrindra no mila hitondrana milamina ity resaka reconciliation national vazavazain'ny mpanohitra ity.

Mbola hijinja ny nafafiny izy e, toa efa mijinja aza!
11. fijo ( 31/03/2006 19:42)
efa milamina ny momba azy e.ny manaraka jerena.
12. Fiffi ( 01/04/2006 12:00)
efa milamina ahoana kay ?
13. rasera ( 02/04/2006 19:54)
Raha ny tsara dia ny TPI no mitsra azy fa manjary hidiran'ny politika indray ka hoe ny avy any aminay no tsaraina any fa tsy izy namoafady teo @ firenena fa rehefa fitsarsan'ny firenenana mikambana dia tsy momba ny atsy sy ny aroa dia mazava fa ny nataony sy izy no tsaraina fa tsy ny fihavianay izay mety hararaotin'ny hafa handragitana adim-poko indray. Io mantsy no fitaovana efa t@ andron'i Gallieni nihazonana fitondrana ary mbola vohizin'ny mpanao politika tsy mahazo fanjakana ka ye ha,akorontana fotsiny. Mila fahamailona
14. Herimiafina ( 02/04/2006 19:58)
fijo:

efa milamina ny momba azy e.ny manaraka jerena.

Ahoana marina no niafaran'iny afera iny e! Efa lasa ve le bandy? ohatrinona no knanakaraman-dry zalahy azy tao? hehehehe:-D

15. rasera ( 02/04/2006 20:16)
Raha tena te hanao reconciliation marina ny mpanohitra dia ny avy any aminy aloha no jereny voalohany satria ny olona tiandry zareo ahafahana no tena fositra nahatonga ireny raharaha 2002 ireny. Ka ry zareo ve aloha nahatsapa ny tsy nety nataony teo @ firenena ka mangata-pamelana ampahibe maso @ tany sy ny fanjakana, dia avy eo mangataka famelan-keloka @ ireo niharany izany hoe ireo olona sahirana very havana, tsy nahita ho hanina nohon'ny tetezana tapaka. Ry zalahy ireo mantsy zara raha nanao lalana nefa izay mbola nolovaina t@ mpanjanaka sisa tavela indray mbola nopotehiny. Dia izao ry zareo indray no tsy maintsy hamelana heloka nefa tsy nibaboka. Ka raha ataon'ny hafa fanao izany dia mba ahoana, satria fantany fa tsy maintsy ho voavela heloka avy ka atao aloha avy eo politika no nanaovana an'iny ka mila fifamelan-keloka fa raha tsy izany tsy hilamina mihintsy ity tanana ity. Aoka isika ho mailo ary hazava tsara ny fangatahana. Ny fitadiavan-tsza moa fanampiny fotsiny. Hevero hoe firy ny antoko politika misy ao dago dia atao ny teteza mita ka samy ahazo poste ministerielle avy ny antoko dia miisa eo @ 180 eo raha kely ny isan'ny minisitra. Mety hampandrosa firenena ve izany?
16. Veloo ( 02/04/2006 21:59)
:-w:-w
17. khery ( 02/04/2006 22:32)
AVELAO KOSA IZY HIVERINA ARY AZA TSARAINA ZANY FA AVELAO NY ANDON'NY LANITRA SY NY TANY NO HITSARA AZY.
18. Fiffi ( 03/04/2006 07:09)
khery: tena tsy voavaky le soratra ngodabeeeeee , fa aleo hiany soratana kely eh!
19. mandrindra ( 03/04/2006 13:46)
aleo aloha handeha ny fifidianana filohampirenena frantsay amin'ny herintaona. arakaraka ny vokatr'io no mety hamerenana an'i dédé any dago na tsia. raha ilay akohokelin'i sirak no lany eo dia tsisy fika aloha. fa raha ilay botry kely mivatravatra iny, ra sarkox, no lany eo dia mety ho alefan'i lery io fa entamavesatra ho azy nefa tsy akamany akory.
20. andry44 ( 03/04/2006 15:25)
miankina@ politika sy ny mpitondra ao lafrantsa ihany io;nefa raha tsy isika gasy no mandray andraikitra voalohany hangataka ny hitsarana azy de zav^poana izany.
Ny tany Lyberia anie ka ny Amerikana no nipresy ny Nigeriana namerina an'i Charles Taylor e!
Ny antsika ity ny Frantsay no manao ny masoandro sy ny orana ka tsy hita be ny ihany.
Mbola tarazo t@fanjanahantany no hihainan'ny Politika gasy hatr@izao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2492