usjf: handeha sa higafy?

1. jentilisa ( 30/03/2006 06:41)
re ankehitriny fa tsy handeha hanatrika ny lalao famerenana izay tokony hatao any Beira ny usjf. Voalaza fa tsy voangoana ny vola tokony holaniana amin'izany. Efa nisy nanome ny tapakila ho amin'izany, efa an-dry zareo manontolo ny vola azo tamin'ny lalao mandroso fa mbola tsy mapy ihany hoe izany. Amiko manokana dia gafy no ataon'ny mpitondra io ekipa io.
novalian'i RADOUXE ny 24/04/2006 11:01
2. ari.malala ( 30/03/2006 07:47)
Raha ny filazan'ny vaovao afak'omaly hariva dia hoe noho ny antony arabola alha no tsy hahafahandry zareo, ka asa re! Tokony manao tatitra ry zareo hoe ohatrinona ny vola mbola ilaina sns, fa toa hoe na ny sarandalana sy ny hebergement aza tsy ananandry zareo, ka asa...
3. Fiffi ( 30/03/2006 08:44)
Samy nihoraka daholo i Madagasikara iray manontolo satria tafita ho amin’ny dingana manaraka ireo ekipa roa misolotena antsika, dia ny Usjf-Ravinala sy ny Uscafoot, eo amin’ny fifaninanan’ny klioba afrikanina eo amin’ny taranja baolina kitra. Iri-maha ory ihany anefa ny fandresena tahaka ireny ho an’ny ekipa malagasy, satria dia tsy maintsy hizaka ny tsy eran’ny aina indray amin’ny lalao hatao amin’ny manaraka. Ny faran’ny herinandro izao àry no handray ny ekipa avy atsy Mozambique ny Usjf-Ravinala. Volabe tsy toko tsy forohana no tsy maintsy havoakan-dry zareo amin’izany, satria dia hahatratra hatrany amin’ny 150 tapitrisa Ia any ho any farafahakeliny (jereo La Gazette, 14 marsa, pejy faha-15). Tsy maintsy hiantohan’ity ekipantsika ity avokoa mantsy na ny hôtely hipetrahan’ireo vahiny ireo, na ny sakafony, na ny fitaterana, sy ny sisa ê. Ankoatra azy ireo anefa dia mbola eo koa ny fampiantranoana an’ireo hitsara ny lalao. Volabe izany, hoy izahay, satria tsy azo atao kitoatoa ny fandraisana an’ireo vahiny ireo satria sady ahatarafana ny voninahi-pirenena izany, moa ny tena koa mbola ho any amin-dry zareo ihany amin’ny lalao famerenana, ka arakaraka izay atao aminy ihany no hataony amin’ireto ekipantsika ireto, rehefa tonga any amin-dry zareo any. Iaraha-mahalala anefa ny halafosan’ny fandraisam-bahiny eto amintsika eto.
Tsy vitan’ny fandraisana ny avy any ivelany koa anefa fa ny eto an-toerana koa dia mbola amoaham-bola ihany koa. Ankoatra ny fikarakarana ny kianja hilalaovana dia mbola misy hofany ihany koa ireo fitaovana ampiasaina ao.
Iri-maha ory, hoy izahay, ny fandresena satria ny anarana fotsiny no hoe solontenan’ny firenena malagasy fa ny ankoatra izay dia aotra tanteraka. Miady irery ma-
ntsy ny ekipa malagasy amin’ny fizakana an’izany fandaniana rehetra izany fa tsy misy manampy, eny na ny fanjakana foibe, amin’ny alalan’ny ministera, aza. Koa
mba aiza àry moa izany no mety hahitan’ny Usjf-Ravinala an’izany vola rehetra
izany ê ? Tsy izao ve no tonga amin’ilay fitenenana hoe « tafita vao rendrika » ?...
Eo indrindra mantsy no mahatonga resaka eo amin’ny mpitia fanatanjahantena. Fantatra fa misy ny hetra alaina manokana amin’ny sigara sy ny zava-pisotro mahamamo, izay voalaza fa amatsiana ny Tafita, fitantanan-draharaha iray ao amin’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao, izay natsangana indrindra mba hanohana ny spaoro malagasy. Ambonin’izany dia iarahan’ny rehetra mahita ihany koa fa mampidi-bola ho an’ny Tafita io Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina izay misy mpanofa tsy ankijanona io. volabe amina miliara maromaro no voalaza fa miditra amin’izany rehetra izany. Hatramin’izao anefa dia tsy hita izany fanohanana ny spaoro izany, indrindra amin’ny fivoahana any ivelany sy ny fandraisana vahiny toa izao.
Mampametra-panontaniana àry ny iafarany ny antony mbola anaovana an’ireny fifaninanam-pirenena isan-karazany ireny. Inona marina moa no tanjona amin’izy ireny ê ?... Tsaroana mantsy, tamin’ny nampisehoana ny ministry ny fanatanjahantena vaovao, ny tenin’ny filoham-pirenena hoe
« mila medaly maromaro ny spaoro malagasy ». Koa ahoana àry no fomba hahazoana an’izany medaly izany raha tsy misy ny hoenti-miatrika hatramin’ny farany ny fifaninanana izay andraisana anjara ? Voninahi-pirenena no arovana koa aiza izay mba fandraisana anjaran’ny fanjakana foibe ?...

Mbola hisy ny lalao famerenana izay hatao any Mozambique any, ka tsy maintsy hokarohina indray izany ny saran-dalana handehanana any, ankoatra izay mba « argent de poche » ho an’ireo mpilalao, koa asa na aiza indray no hahitana izany ? Sa ve mba azo « takiana » ny « Force one » sitran’ny ahay mba manala ny saran-dalana ? Ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana aza nomena azy, dia ny solontenan’ny firenena indray ve no hihafy ?... Dia ho hita eo e!
Alain R pour La Gazette de la Grande Ile


4. Fiffi ( 30/03/2006 08:54)

Araka ny vaovao nampitaina taty aminay farany dia milaza ny ho mety tsy ho afaka hiatrika ny lalao famerenana hatao atsy Môzambika ny solontenantsika amin’ny fiadiana ny

amboaran’i Afrika eo amin’ny isan-tarika, amin’ny taranja baolina kitra, dia ny Usjf Ravinala izany.

Na tsy mbola hohazavaina aza moa ny anton’izany, dia inoana fa efa takatry ny rehetra ihany, dia ny olana eo amin’ny ara-bola hoentina hiatrika izany lalao any an-tanin’olona izany. Efa nitranga ihany moa io olana io tamin’ny fihodinana faharoa, ary nahatonga resa-be teo amin’ny mpitia ny baolina kitra, saingy voavaha ihany, tamin’ny ora farany. Na dia tebiteby sy saina nikorontana aza no niainan’ireo mpilalao tamin’izany dia mbola mba nahita fahombiazana ihany ry zareo, koa dia izao tafita tamin’ny dingana manaraka izao. Miverina indray anefa ny
« raharaha » ankehitriny izao, koa asa na hanao ahoana indray ny amin’ity ?...
Araka izany dia mipetraka indray ny fanontaniana hoe mbola raisina ho raharaham-pirenena ihany ve ny fanatanjahantena eto amintsika eto sa ahoana ê ?
Raha ny baolina kitra manokana no resahina dia ahitana fahagagana maro ao amin’izy io. Raha tsorina dia karazan’ny peta-toko ihany ny fikarakarana rehetra ao anatiny. Ny tamin’ny herintaona, ohatra, dia ireny niaraha-nahita ireny fa tsy vita hatramin’ny farany ny lalao rehetra tokony ho natao, ary dia notendritendrena teny
fotsiny izay hisolotena amin’ny fiadiana izay ho tompon-daka sy ny ho tompon’ny amboaran’i Afrika. Mba misy fomba fiasa matotra ve amin’izany ê ?... Tsy vitan’izany ihany anefa fa dia izao mandry tsy lavo loha izao ireo solontena, hitondra ny fanevam-pirenena, isaka izay mahavita ny lalao natao teto an-toerana. Inona àry no vokatra antenaina amin’izany ê ?...
Na ny fiadiana izay ho tompon-dakan’ny ligy aza, toy ny eto Antananarivo, izay renivohi-pirenena aza, ohatra, dia any amin’ny kianja tsy zarizary, tsy manara-penitra, no anaovana izany. Mila ho ara-bakiteny mihitsy ny hoe « baolina an-tanimbary », ary aiza moa ny kianja efa raikitra anarana hoe
« an-tanin-katsaka »… Koa ho azo antoka ve, na ny voka-daolao azo amin’izany aza ê ?
Ny taranja baolina kitra aza moa mbola mba manana ny « azo ilalaovana » ihany, fa sahala amin’ny baolina lavalava indray dia mitady tany malalaka eny ho eny, dia iny no soritsoritana, tsy maninona izay refiny… ary dia eo no mihosona eo. Raha amin’ny samy taranja iraisana anefa, ankoatra ireo zazavavintsika teo amin’ny basket-ball, ny taona 1971, dia io baolina lavalava io no mba lasa lavitra indrindra, raha iny nanao ny lalao famaranana tany Frantsa tamin’ny farany teo iny.
Tsy tahaka izany koa ve ny any amin’ny taranjan’olon-tokana, ny « athlétisme » ê ? Tany maina no ihazakazahan’ny mpifaninana any amin’ny faritra rehetra any, kanefa rehefa « tafakatra »
aty « ambony » aty ry zareo dia ny « tartan » eny amin’ny kianjan’Alarobia no miandry azy. Aiza re ny lôjika amin’izany ê ?...
Ny fanatanjahantena malagasy iray manontolo mihitsy no marary. Na dia tsy nomena anarana toy ny hoe « dengue » na « chikungunya » aza izany aretina izany dia mikiky ny tanora malagasy. Io fanatanjahantena io no nolazaina hatramin’izay fa anisan’ny
« hanavotra » ny tanora malagasy ny amin’ny tsy hivarinany any amin’ny fidonanam-poana sy ny tsy hananany fitondran-tena tsy mendrika, kanefa dia izao iaraha-mahita fa tsy misy antenaina izao ny aminy. Herim-po very maina ny an’ireo nandany ny androny sy ny ainy tao aminy, satria tonga amin’ilay fitenenana hoe « tafita vao rendrika » ê. Fanatanjahan-tena no noeritreretina fa fandanahan-tena ihany no hita. Dia tena resa-be fotsiny ve ny hoe mila medaly ny fanatanjahantena malagasy ?... Tsy azo izany medaly izany raha vao ety an-tenantenan-dalana aty no efa hitsoaka an-daharana, koa asa raha iza no tokony handinika ê ?...

Alain R pour La Gazette de la Grande Ile
5. avolenta ( 30/03/2006 14:11)
tena mahagaga toko raha hoe resa bola no hanaovana hoe "forfait". Vola be amn tapitrisany lalaovin'ny firenena io zany dia lanin'ny prezida ravalo am voyazy ataony any ivelany fotsiny. Hanaovany st valentin any Las Vegas de hanaovana tour d'amerik izay tsy ahitan'ny gasy tombotsoa miaraka fa ho azy mivady ihany.S ny sns sns .........
Maninona toko raha mba mihafy kely le filoha tsika io dia mba ny mpilalao tsika alo no omena fiara manidina mba ho solotena ny firenena, de refa avy eo izy afaka mitety zao totolo zao ndray é.Sa tsy mahafoy ho an'ny firenena fa o an'ny tena aloha jerena.!!!
6. xxx ( 30/03/2006 16:04)
Zao rangah, maninona moa raha foanana any io baolina kitra io eto amintsika, nahoana hoy ianao:
ny mpitondra fanjakana tsy mahay na handaka baolina, ny mpivavaka tsy mahay, ny mpanohitra tsy mahay. Ka hoy aho hoe maninona raha maka fanantanjahatena tsy ilaina mivoaka ireny no imasoana toy ny Haro-posy satria ange ireny mahazo frais fa tsy toy ny itony Kitra itony.
Nefa moa Mahereza foana ianareo USJF ravin'ny forêt.
7. Fiffi ( 01/04/2006 14:12)
maninona moa raha foanana any io baolina kitra io eto amintsika,
:roll::roll::roll:
ny mpitondra fanjakana tsy mahay na handaka baolina, ny mpivavaka tsy mahay, ny mpanohitra tsy mahay.
inona no idiran'ny mpitondra fanjakana , ny mpivavaka , ny mpanohitra @ zany ? fa angaha raha TSY MAHAY MANDAKA BAOLINA ry zareo dia tokony ho fohanana io ?
Ka hoy aho hoe maninona raha maka fanantanjahatena tsy ilaina mivoaka ireny no imasoana toy ny Haro-posy satria ange ireny mahazo frais fa tsy toy ny itony Kitra itony.
:evil::roll::roll::roll::roll: ny hiteniteny foana tahak'izao hiany ve nihafenana tao ?
8. RADOUXE ( 24/04/2006 11:01)
xxx:

Zao rangah, maninona moa raha foanana any io baolina kitra io eto amintsika, nahoana hoy ianao:
ny mpitondra fanjakana tsy mahay na handaka baolina, ny mpivavaka tsy mahay, ny mpanohitra tsy mahay. Ka hoy aho hoe maninona raha maka fanantanjahatena tsy ilaina mivoaka ireny no imasoana toy ny Haro-posy satria ange ireny mahazo frais fa tsy toy ny itony Kitra itony.
Nefa moa Mahereza foana ianareo USJF ravin'ny forêt.



Nareo zany ko s defa manao eritreritra afahafa marna mo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3364