mpanohitra,tombontsoam pirenena sa ady seza?

1. fijo ( 29/03/2006 20:28)
napetrako io fanontaniana io tahorian'ny lahatsoratra angazety nataon'ny AREMA omaly.
nilaza mantsy ny AREMA,fa tsy ilaina ny tetezamita,ary tsy ilaina koa ny fanovana io lalam pifidianana io.

raha jerena anefa ny tantara tsy ela(2002)dia ny arema sy ireo mpiray donaka teo ankianja,no tena nifampitady.

nony resy ny arema,dia nisy tsy nahazo toerana ireo mpiray donaka,ka lasa niova lasy,ary dia lasa mpanohitra ankehitriny.

dia atao izao tsikera sy fitakiana rehetra izao,nefa ny tena mpandray anjara tamin'ilay tantara tsy mitaky izay takiany akory.

koa mahalasa saina le izy hoe ,noho ry zalahy tsy nahazo seza ve nomampahatonga andry zalahy lsa be fitakiana,sa tena fitiavana ny firenena????
mahagaga raha ny AREMA aza manaiky fa ravalo no filoha,nefa ireo mpiray donaka indray no misy milaza fa tsy lany izy.
répondu par fijo le 07/04/2006 18:27
2. xxx ( 29/03/2006 20:45)
misy politika ao :-D:-D:-D
3. Herimiafina ( 29/03/2006 20:49)
O ry Veloo an!

Ka izay mihintsy ilay izy e! Inona no terme tsara ampiasaina Mpanohitra sa Mpanakorontana sa Mpiady seza6 tsy hay intsony klé.:-D

4. meme ( 30/03/2006 01:03)
Tena mahagaga tokoa aloha.Ady seza io amiko satria seza=vola=voninahitra.
5. Lejim ( 30/03/2006 01:35)
Dia ny Arema izany no mitapy fa ahoana indray. Ny Arema izao, na ny secretaire generaly aza mbola manao sesi-tany. Adalana izany, nefa kosa tsy manala ny credibilite-n'ny mpanohitra satria ny tany demokratika dia tsy maintsy misy mpanohitra (mi-existe ho azy io). Raha tsy izany dia tonga amin'ilay voam-bolana hoe: Totalitaire. Misy zavatra atahorana ny mpanohitra matoa izy mangataka zavatra (na transition io na fanovana ny code electoral).
Ny mahagaga ahy indray dia ity tsy fahatantiana ny fisian'ny mpanohitra ity!
Avelao izy hanao izay heveriny fa tokony, sy hahasoa ny firenena. Tsy anao araiky ity Madagasikara ity!
6. Fiffi ( 30/03/2006 03:43)
Herimiafina: aiza koa i Veloo ao ? :roll:
pilitika daholo zany eh! matoa misy an'izany dia ao raha.....
7. mandrindra ( 30/03/2006 13:39)
ilay hoe mpanohitra aza anie misy kilasiny maro e. dia sahala amin'ny mpanohitra tamin'ny andron' i deba ihany io, ny hanala ny mpitondra eo antoerana ihany no itovizana sy iarahana. raha hoe hitady tombotsoa ho an'ny firenena dia avoahy aloha izay tetikasa ekonomika, drafitra sosialy, ny làlana ho arahina ho an'ny tontolo ianana ...
hatramin'izao aloha dia tsy hitako izay hoe mpanohitra manana tetikasa mazava, sa rehefa tonga eo vao hieritreritra an'izany. ity fitondrana ankehitriny ity izay tsy nanana tetikasa tamin'ny tonga teo efa hita ny kileman'izany, dia mbola hamerina indray ve?
8. Lejim ( 30/03/2006 15:59)
mandrindra> Na ny candidat ho filoham-pirenena ary tsy takiantsika an'io drafitra na tetik'asa io ka ahoana ny hi-exiger-na izany amin'ny mpanohitra.
Na ny tetik'asa ataon'ny fanjakana aza indraindray, na Ratsiraka io na Zafy, na Ravalomanana, tsy mifanaraka amin'ny zavatra ilain'ny vahoaka! :x
9. xxx ( 30/03/2006 20:16)
ity fitondrana ankehitriny ity izay tsy nanana tetikasa tamin'ny tonga teo efa hita ny kileman'izany, dia mbola hamerina indray ve?
Tena nanana tetikasa izy ka ny fanaovandalana ,fany mpanohitra dia manakorotana izay tsy ahavitanao ze kasainao hatao
10. fijo ( 30/03/2006 21:02)
lejim an,tsy hoe matahotra mpanohitra,fa mba mitaky mpanohitra misaina sy manana sosokevitra,fa tsy hoe satria aho tsy nomen'ialahy seza dia hanohitra.ireo anie ka mpanohana an dravalo tao aby no tsy nahazo seza e.
"ny mpitondra aza tsy manana sosokevitra ka ahoan ano hitakiana izany amin'ny mpanohitra"efa hita ve letsy fa raty izay,dia mbola avela hanao ta izay koa izay te hitondra hafa,dia ho toa izao foana izany izy ity?
11. Fiffi ( 02/04/2006 13:18)
fijo: ohatra zao hoe tsy nomen'i Ra8 seza zah nefa nanohitra mafy azy dia andeha hivadika hanohitra ny hafa ?
12. mandrindra ( 03/04/2006 14:11)
hoy lejim:
Na ny tetik'asa ataon'ny fanjakana aza indraindray, na Ratsiraka io na Zafy, na Ravalomanana, tsy mifanaraka amin'ny zavatra ilain'ny vahoaka!

ny antony dia ilay nosoratan'i lejim teo aloha manao hoe :
Na ny candidat ho filoham-pirenena ary tsy takiantsika an'io drafitra na tetik'asa io

msy fahamarinany io lazain'i lejim hoe tsy takiantsika io, satria izay ny akapobeny. fa izaho manokana aloha dia mitaky ny fanan'ny mpandray anjara pôlitika rehetra, na mpitondra na mpanohitra, drafitrasa, ary amnosika ny manodidina ahy hanao toy izany. fa raha avela handeha amin'izao dia tsy hisy fivoarana mihitsy. raha ankehitriny 10% no mitaky drafitrasa dia tokony hitombo tsikelikely io tarehimarika io. raha ny mpanao pôlifika no andrasana amin'izany anefa dia tsy hanao ry zalahy, noho izany anjaran'ny tsirairay no mandray anadraikitra mitondra ny anjara birikiny na ny rotsopeta indray mitoraka fotsiny aza.
13. xxx ( 03/04/2006 15:38)
Amiko tsy ady seza na ady voninahitra io fa mbola tohin'ny cotrat t@ fifidiana 2001 izay nataon'ireo t@lay irakalahy taloha mitady hiverina iny ihany!
Diniho anie e!ireo mpanohitra mitabataba ankehitriny ireo anie ka saika ireo nilatsaka candidat daholo e!
Candidat Zafy mba hangalana ny vaton'ny any@ la côte sy ny ambanivohitra.
Candidat Rajakoba mba hangalana ny vaton'ny kristiana izay maro an'isa.
Candidat Patrick Rajaonary mba hangalana ny vaton'ny mpandraharaha.
Iza koa moa?
Io no startegie nampiasain'i DEBA NANAKANANA NY FILOHA RAVALO nefa....
14. andry44 ( 03/04/2006 15:40)
Mampalahelo ny mpanohitra eto @tsika eto.tokony manolotra vahaholana hanalana ny Malagasy ao anatin'ny fahatrana ry zareo fa tsy faly mitsikera fotsiny!
15. Lejim ( 04/04/2006 16:28)
ka tsy ny mpanohitra ihany anie no falin'ny mitsikera. Angamba 99% 'ny Malagasy tia mitsikera doly, kanefa mba kamo miasa ihany! Isika izao ohatra dia variana mitsikera ny mpanohitra ho mpitsikera lava!
16. xxx ( 04/04/2006 22:54)
Esprit cririque no ilaina fa tsy esprit de critique.
17. fijo ( 05/04/2006 19:15)
lejim raha io voalazan'ialahy farany io dia ekeko 100%
18. mandrindra ( 07/04/2006 11:31)
ilay hoe 99% mitsikera, ekeko, mety ho 100% mihitsy aza. fa ataoko fa tsy ny 99% no kamo miasa.
19. fijo ( 07/04/2006 18:27)
miasa ihany aloha satria tsimaintsy mangery e.fa malaindaina ihany koa ka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0975