Refa ambony mo ny toerany d afenina ny adalany

1. ainaheri ( 27/03/2006 18:13)

Lozam-pifamoivoizana nahafaty ny zanaky ny Minisitry ny Polisy

Nidona tamin’ny andrin-jiro ilay fiara 4X4 mbola vaovao be. Maty vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity ny zanaka lahin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny Filaminam-bahoaka. Teny Andrefan’Ambohijanahary, akaikin’ny Paraky no nitrangan’izany, ny alahady teo tokony ho tamin’ny 2 ora maraina. Voalaza fa ny zanaky ny minisitra no nitondra ny fiara ary toa hoe tafapitika ivelan’ny fiara mihitsy, vokatry ny fifandonan’ilay fiara tamin’ilay andrin-jiro.


RS


Tsy maty teo no ho eo anefa Razakanirina Hery, ka avy hatrany dia nentina tany amin’ny hopitaly H.J.R.A. Teo amin’ny lohany no voadona mafy. Na dia nanao izay ho afany aza ireo dokotera hanavotana ny ain’ilay tovolahy, dia tsy tana intsony ny ainy, 8 ora adim-pamantaranandro taty aoriana nisehoan’ny loza. Omaly tamin’ny 10 ora maraina izy no maty. Maraina be (tamin’ny 2 ora maraina) no nisehoan’ity lozam-pifamoivoizana ity ka mety ho reraka ranamana, ny torimaso kao mamely rahateo ka mety tsy voafehiny intsony ny familiana.

Araka ny loharanom-baovao voarainay, dia nisy olon-kafa niaraka taminy tao anatin’ilay fiara. Maromaro ireo fiara nosakanana izay vao nisy nitondra ilay naratra mafy teny amin’ny hopitaly. Raha vao vaoatitra ilay tovolahy dia toa hoe tsy hita intsony ilay olona nanatitra azy. Tanora vao herotrerony izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao, satria vao 23 taona monja. Tao anatin’ny heriny sy ny fahatanorany tokoa. Tsy fantatra aloha izay nahatonga ny lozam-pifamoivoizana, mety ho reraka izy ireo, ny lalana rahateo malalaka raha ny fotoana nisehoan’ny loza. Asa mety misy niantso izy ka voatery namonjy fotoana, ka maika hamonjy izany. Izahay eto amin’ny Midi Madagasikara dia maneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviana.

Ahoana moa ny tsy ahafantarana an'zany hoe nande mafy no vokany fa maninona no aodina tadiavina zao resabe zao sa refa zanaka minisitra na zay ambonimbony ao d afenina ny ratsy ataony fa ra olontsotra d dradradraina fa vokatry ny revy sy ny fanaovana pointe sy ny sisa sy ny sisa,zay no midika fa tsy manjaka ny demokrasia dradradraina lava ,fa ra nisy zay nilaza ny heviny ny mpanao gazety!!Minoa fotsiny iany d tsy idona intsony ny fiarampanjakana,nefa na izany mandria ampiadanana ny maty!!


Nahitsin'i hery
novalian'i zazakely1 ny 13/06/2007 00:04
2. sipagasy ( 27/03/2006 18:43)
mandria am-piadanana tokoa e! ary mirary fiononana ho an'ny fianakaviany sisa e!
3. Fiffi ( 27/03/2006 19:07)
fa tsy azoko loatra fa nahoana koa no tonga dia tsaraina tahak'izao ny olona nefa tsy fantatra akory ny tena marina ? tsy mbola nisy nahafantatra hoe inona marina no tena nahatonga ilay loza fa tonga dia lazaina hoe "Refa ambony mo ny toerany d afenina ny adalany" :roll:
4. xxx ( 27/03/2006 19:18)
ka marina kosa zany koa ,i Midi madagascar io mintsy no tena mpanenjika ireny mpandeha mafy ireny fa ravao olona anananany interet de maika hamonjy fotoana?:?::?::?:
5. Fiffi ( 27/03/2006 21:09)
ka na isika na ny Midi Mada anie mbola tsy mahafantatra izay zavatra nitranga marina eh! ny mpanao gazety moa izay ahazahoany vao2 hiany no tanjony na dia mbola tsy nahazo porofo aza fa dia iny hono!!zao hono!!
6. ralex ( 28/03/2006 05:18)
aleo ny fanadiadiana atoan'ny tompon'andraikitra no hampiseho ny marina tadiavintsika e
7. Fiffi ( 28/03/2006 06:12)
izay no fahendrena!
8. ainaheri ( 28/03/2006 06:46)
Zao ry zareo aa vakio tsara lay lahatsoratra fa nidona t@ poteaunjiro @ 2 maraina ka nohon'ny hamafin'ny fifandonana d tafavoaka ny fiara ilay maty zay nitondra ny fiara d ahoana hoy ianao we in tsony no dinihana @ zany fa vokany; fandanana mafy !!Nefa zany tsy nolazaina tao fa nosaromana we:reraka na nisy niantso maika!!!
9. miyah ( 28/03/2006 09:25)
Enao an! ainaheri! masika b enao, ny ahy ts hoe fiarovako ny zanakin polisy na ny eo amin fanjakana, za rahteo ts ty politika maizina, fa efa resy izy d aza atao an izany fa anatra ho antsika zay mitondra fiara miaraka amin lalana malalaka ny otran reny sy n yhafa bdb é! fa ena otonga d mitsara hoe afenina refa zanaka amboni, ts mino za hoe misy an izany, fa mbola ao anatin hafenon rano b loatra ry zareo fa ts mba msintsy hisy ny vao momba an io ka na tsaho na marina d henoy fotsiny fa ny mitandrina ts ho voan zany no atao! Ok!
10. ainaheri ( 28/03/2006 09:53)
miyah
11. Fiffi ( 28/03/2006 12:12)
ainaheri: fa ny lohateny ve ianao no namorona azy sa io mihintsy notao @ gazety ?
12. ainaheri ( 28/03/2006 14:45)
Tsy nisy nanalana tsy nisy nanampiana Fiffi
13. Fiffi ( 28/03/2006 15:46)
ok! sa nadikanao tanana io fa tsy nataonao copier coller ? somary gaga mantsy aho satria tokony hoe tahak'izao zany no fomba fanoratana azy fa ao misy hoe " d " " mo " :-D:-D:-D " Rehefa ambony moa ny toerany dia afenina ny adalany " sa tsy zao ? :-D:-D
14. louva ( 17/06/2006 14:36)
ho an i ainahery
olona efa maty ve dia mbola latsaina fona?
amiko d ny fiara"vaovao be" potika tsy misy dikany satria azo soloina fa ny aina nafoy no mampalahelo.
Na nande mafy aza izy efa nanaraka ny ainy ka inona no mbola andatsainareo azy?

15. louva ( 17/06/2006 16:15)
ra tsy tinao fotsiny ny fanjakan dRavalomanana dia tokony izay no lazainao satria ilay ohatra napetakao tsy dia mifanaraka loatra @ le oe "tsy fisin demokrasia any Madagasikara".
16. zazakely1 ( 13/06/2007 00:04)
desolé le msg sera en francais ... alors je vais tous vous demandez de fermer vos gueul tous que vous etes parce que personne ne c'est réelement ce qui est t'arriver ce soir la ok ? j'ai perdu un frere et qu'iL soit pauvre riche ou tout ce que vous voulez on S'en fou personne n'a le droit de mourir a 23ans de cette facon...petite precision la personne qui a ramené hery a l'hopital n'est que le frere de sa copine si tout le monde veut savoir l'histoire... il ne roulé pas vite n'était pas bouré n'avait pas pris de drogue ou autre mais quelque chose ou quelqu'un a provoqué l'accident...(surement prevu depuis un petit moment)aprés qui( sa copine et son frere) ? et pourquoi de l'argent ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8364