Haody ry Analamanga
22. Herimiafina
(
28/03/2006 13:40)
soasoafy:
Mba mangataka ny tononkiran'ny HAODY RY ANALAMANGA e, de misaotra mialoha
Mangataha any amin'ny Radio Feon'Imerina fa any misy, na henoy fa siaky ny alahady atoandro angamba izy izay mandefa an'io hira io foana.
I Mamzelkely iarahana makany amin'ny biraon'io radio io fa any akaikindry zareo any no misy an'io mantsy. hehehehe:-D
23. Fiffi
(
28/03/2006 14:25)
manana hira kalon'ny fahiny maro hiany aho fa sao dia mba fantatrareo ny titra aloha ? mba ahamora ny hitadiavako azy ! zany ve ry Herimiafina ?
24. hertix
(
29/03/2006 04:27)
Soasoafy> efa nalefako ao @ lisitry ny tononkira le "haody ry Analamanga" de mazotoa mihira e!
25. Fiffi
(
29/03/2006 05:37)
hertix: ka zay wa no nahagaga ahy fa nisy nilaza hoe vao nisy namana nampiditra io tononkira io ao dia novaliako hoe jereo ao hono fa efa misy ao nefa dia nisy namafa ny valinteniko de gaga aho :roll:
27. soasoafy
(
30/03/2006 10:22)
Mpandainga be ko le i hertix, tsy misy akory any fa vao nijery teo aho.Tsy misy hira mihintsy ao manana titre hoe :HAODY RY ANALAMANGA.
28. lanto
(
30/03/2006 10:28)
Ao tokoa ilay hira, saingy tsy voalaza ny mpihira azy. Efa azo jerena izy izao.
Iza no mahalala ny mpihira ?
Iza no mahalala ny mpihira ?
31. hertix
(
30/03/2006 17:01)
Ny mpihira ilay originale dia efa haiko fa adinoko. Ny namorona azy koa torak'izay. Fa ny ni-interpreter azy taty aoriana dia R'Imbosa. Andraso fa ananako ny info momba ny originale de hotadiaviko de entiko eto ra ilainareo.
Fiffi: Haody ry Analamanga ny titre.
Mba masiaka be koa anie ry soasoafy izany e! Mba mitsikia lava moa f'aza mora tezitra e!
Fiffi: Haody ry Analamanga ny titre.
Mba masiaka be koa anie ry soasoafy izany e! Mba mitsikia lava moa f'aza mora tezitra e!
32. narihe
(
30/03/2006 18:24)
Ity ny tohiny de raiso e !
Ry lokanga namborahako
Ny toloko sy fisaonana
No mbola (in-3) raisiko, angatahiko
Hiarahabàna ity fihaonana
Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
Ka mitaky fanavaozana
No niniako nandosirana
Aminao no hitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resy tosika ny fiainako
Ka nandao anao tsy fidiny
Haody (in-2) ry hidirako
Ry akany niantombohana
Raisonao (in-3) ny tononkirako
Mba ho solom-panorohana
Ry lokanga namborahako
Ny toloko sy fisaonana
No mbola (in-3) raisiko, angatahiko
Hiarahabàna ity fihaonana
Fantatrao izay nifandaozana
Sanatria tsy fifandirana
Ka mitaky fanavaozana
No niniako nandosirana
Aminao no hitarainako
Ny toloko sy ny ngidiny
Resy tosika ny fiainako
Ka nandao anao tsy fidiny
Haody (in-2) ry hidirako
Ry akany niantombohana
Raisonao (in-3) ny tononkirako
Mba ho solom-panorohana
34. hertix
(
02/04/2006 10:02)
Jean Ratsaramiafara no namorona ny Haody ry Analamanga. Olona anisan'ny nandray anjara t@ tolona 1947 sy 1972 hono izy io. Maty t@ 1979.