atletisma malagasy

1. raketaka ( 24/03/2006 07:19)
Mba manao ahoana re ny fijerinareo ny fandehan'ny atletisma eto Madagasikara amin'izao fotoana izao???
novalian'i raketaka ny 15/05/2006 09:45
2. jentilisa ( 24/03/2006 13:02)
Tena tsy hitahita tokoa re!
3. raketaka ( 29/03/2006 16:36)
ilay izy koa tsy dia mampiraika ny olona firy angaha ka, nefa dia maro ireo ankizy manao an'izy io; ny federationa tsy dia hita hoe ahoana
4. jentilisa ( 30/03/2006 13:10)
ny hazakazaka tsy maintsy atao moa ny vola tsy miditra!
5. avolenta ( 30/03/2006 14:13)
Ka tsy izay ve ilay atao hoe herim-po very maina??
Ry berlioz sy ry hanitra zao sisa no hita misongadina, nefa izy reo efa mananika ny telopolo taona daholo.
6. raketaka ( 18/04/2006 17:27)
misy ihany ireo matanjaka fa tsy ampy ny ho enti-manao dia avy eo tsy afaka manohy tsara ny hazakazaka; nefa koa ireo aty an-dafy aza mbola ampifilafilain'ny vazaha koa; ary tena mampalahelo satria ny fitiavana io hazakazaka io no mahatonga aty ivelany dia avy eo ampilafilan'ny sasany fotsiny. Rehefa ilainy dia tambatambazany fa rehefa tsy ilainy dia avelany ery.
7. Roch ( 19/04/2006 20:18)
salut, ny atletisma gasy, atleta tsy ampy lôka sy vary, ary tsy misy avenira matotra. Miankina @ fahantratsika ny zavatra rehetra.
Ka hoy aho hoe tsy mbola fotoanan'ny fiazakazahana angamba izay fa fandadizana fotsiny. Alaivo sary antsaina fotsiny ny hoe " de hiazakazaka ve no hividianam-mbary", nefa na ny fifaninanana aza tsa misy akory. Bedin'ny ray aman-dReny ny tanora lany andro eny ampiazakazahana, fa aleo manomana ny ho avy @ sehatra hafa, vokany tsisy kil ny atletisma.
8. raketaka ( 25/04/2006 08:22)
marina izay tenenin'i Roch izay saingy hoan'ireo tia sy manao azy no iatrakefan'ny resaka na dia vitsy aza izy ireo. Ianao no milaza fa tsy misy kil ny athletisma: fa angaha tsy kil ireny athleta mahazo medaille amin'ny jeux na championnat ireny? ataoko angamba fa tsy tokony hatao ambanin-javatra ny vitan'ireny ankizy ireny na dia tsy tia an'io fanatanjahan-tena io
9. Roch ( 29/04/2006 00:12)
Salut raketaka, asa na mety hitovy fijery isika, fa izao no tena tiako hambara. Ny tenako zay miresaka aminao io dia mpilalao volley ball tao @ COSFA taloha zany hoe t@ taona 90-96. Tsoriko @ao fa raha nifototra fotsiny t@ io sport io aho de efa lasa Mpiandry vavahadin'olona angamba ohatr'izay, ka atletisma moa no resaka ka hitako hoe tsy ho aiza isika gasy fa eto M/car ihany no mba mamely mafy, fa raha vô mi-contre @ vazaha mainty fotsiny defa eeeeee. Hamaranako azy misy ihany anie ny mba tsara e, nefa tsy mateza.
10. raketaka ( 29/04/2006 16:08)
Manao ahoana Roch, misimisy ihany ireo athleta gasy no malaza aty an-dafy fa saingy ny mampalahelo dia ny vahiny no mahafantra izany fa tsy isika gasy mitovy aminy, asa angamba na mety zaho mivelona ao anatiny athletisma no mahatsiaro izany na ny information no tsy ampy eto amin-tsika; fa ataon-tsika aiza ry Toussaint sy ry Lalao ary ry Berlioz sy ry Rosa ary ry Yvon sns izay ataoko fa manana ny laharana ambony ihany tamin'ny epreuve ataony tsirairay avy.
11. Roch ( 06/05/2006 05:13)
Slt raketaka, fa lasa aiza hono ry zareo ireo? ekeko fa misy ihany ny mivoaka avy eto M/car, satria heveritsika fa mety, mety hoy aho, hahomby raha mandeha any ivelany. Ny zavatra misy de mahery an-trano ohatiriny tainakoho isika mandripaka mafy eto antanana, fa raha vao mivôka de eeeeeee. ry Toussaint, aiza izy izao, moa ve mba mipetraka erantany ny zavatra vitany; afomololo ny antsika. Ary hono hoy aho azonao lazaina ve hoe aiza marina ireo olona lazainao ireo @ izao fotoana izao? ary manao ahoana ny fiainany? ary manao inona ry zareo zao
Raha nijery lalaon'ny Poitiers sy ny club iray avy any Norvège ny tenako t@ taona 1999 volley ball io, de hitako hoe hay izaho ity tsy alapazy fa mokonazy, nefa lazaiko anao fa diviziona vôlohany aho teto M/car, ary tompon-daka nandritrin'ny telo taona nifanesy, ka asanao fa miandry valiny avy any aminao aho.
12. raketaka ( 15/05/2006 09:45)
aoka angamba aloha ho lazaiko anao fa hatramin'izao eto Frantsa dia misy recordn'i Toussaint mbola tsy misy mahafaty (exp:stade sottevillais); i Berlioz mba fantatrao moa fa efa champion de France sa tsia???impiry no champion d'afrika??? ary 1/2finaliste tamin'ny championnat du monde???; ny vadiny: izay 4ème tamin'ny championnat du monde junior sy championne d'Afrique junior: iza moa no mahalala ny lazan'io athleta io ao Madagasikara: tsisy!!! ataoko fa io hianao io aza tsy mahalala ny existencen'io olona io akory;i Rosa indray finaliste tamin'ny championnat du monde impiry finaliste amina meeting international; ry Yvon indray nisy ny fotoana naha champion de France azy sy ny naha 1/2 finaliste azy tamin'ny championnat du monde. Misy valeur ny ny athletan-tsika gasy fa isika Gasy toa azy no tsy mahay sy tsy mahalala ny lanjany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1425