Mbà mangataka kely ny intention'ny haino aman-jery @ 2007 e

1. xxx ( 23/03/2006 11:23)
Mba managataka ny intention'ny haino aman-jery (audio visuels)rehetra ao MADA e @ 2007 ny propagande no tiana ho tenenina eto mbà ho tazomina atao archives @ izay ireny fampananténana ataon'ny mpanao politika malagasy fa toa fahanana lalitra foana mantsy ny vahoaka hatrizay.

Tao ny niteny hoe paradisa sosialista @ 2000 ,sy ny hoe ankizy ankehitrio mpanangana ny taona 2000 avy fantatrareo ny niteny an'io.

Tao ny niteny hoe Entina miakatra ity firenena ity vao maika nitsongolika.

Tao koa ny praiministra t@ izany nanao hoe raha misy olona milahatra eo @ 13 mai hiala aho nanao gréve teo ry Alain RAMAROSON tsy niàla izy.

Niverina indray ilay iraika lahy FANANTENANA VAOVAO ,niteny koa izy fa refa tsy lany avy dia hiàla tsy izany no nisy.

Izao indray Fahamarinana sy Fahamasinana toa vao maika misy ihany ny tsolotra sy ny fanodikodinana

Manginy fotsiny ny hoe asiana auto route sy ny tsena à étages etc....

Tokony atao récapitulations dia anonataniana @ izay ny mpanao politika hoe AIZA ? daholo ireo fampanantenana noteneninareo t@ telle date oainina tsara @ izay dia tsy miteniteny foana intsony
novalian'i fijo ny 29/03/2006 20:05
2. bozimanga ( 23/03/2006 14:41)
tena mety tokoa raha io hevitrao io no tanterahina ry xxx an. fa saingy izay tonga eo atahorana ka tsy hahasahy hanao izany ny mpanao gazety @ zany fotoana izany ; zany hoe na dia fantatra aza fa nampanantena tsy misy ny olona eo @ fitondrana dia tsy hahasahy hanakiana ny mpanao gazety sns ... satria TSY MAHAZAKA NY ATAO HOE DEMOKRASIA NY MALAGASY.Ka mety higadra mihitsy raha vao miteniteny ny henjana.
MBOLA HO ELA EH!!!!!!!!!!
3. vetsoko ( 23/03/2006 16:54)
mbola lavitra antsika ny tena demokrasia satria tsy misy indépendante ny structure rehetra:justice,média...ets ...ets,vokatry ny fahantrana io
4. xxx ( 23/03/2006 20:28)
ny tena demokrasia de tsy zakantsika sady ratsy io
5. fijo ( 23/03/2006 20:50)
eto dia tsara ny resak'i xx.ilaina fianarana ny demokrasia,ka tsy mbola ampy izay fianarana izay isika.miandala koa io,fa aza dia arahatosika,fa lasa mibolila
6. mandrindra ( 24/03/2006 13:33)
ka ny fianarana fototra aza mbola tsy ampy any amintsika anie e. misy ambaratonga maro vao tonga any amin'izany, raha ho tonga.
7. fijo ( 24/03/2006 20:52)
tsimaintsy hotonga ka,fe lavitra ny dia.jereo fa isaky ny misy hetsi bahoaka ao mada,dia misy fihovana kely taratra foana.
8. Fiffi ( 25/03/2006 07:47)
ka mba mihaino ny vahoaka kosa zany anie ny mpitondra eh!
9. fijo ( 28/03/2006 21:09)
mihaino,fa ovany tsikelikely eo ihany
10. rasera ( 29/03/2006 19:52)
aiza ary hoy ianareo ny tena misy firenena mihaina ao anaty demokrasia marina? Raha hilatsaka ho fidiana ka hevitra fotsiny no ananana tsy maintsy mila vola hanamparitahana izany dia tonga ny be vola manendry izay tiana hatao soavaly hiakatra eo. Ary ny eritreritra heverina hatao rehefa mby eo anie tsy voaterery hifanaraka @ zava-misy hatrehana eo e! Pragmatika no atao rehefa mby eo @ fitondrana fa propagandy natao hiakarana eo @ fitondrana fotsiny. Fahiny aza nisy fizarana sakafo sy vola mba hanatrika izany. Tamin'ireny fotoana ireny aho dia niteny hoe tokony hasiana fifidianana foana @ izay misy mizara sakafo foana. Utopie
11. fijo ( 29/03/2006 20:05)
miandalana wa,fa mandroso io.tsy afaka miverina intsony
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2152