teny zato kabary arivo .....toky fitaka hoy naivokely izay

1. ravatorano ( 23/03/2006 09:57)
Teny zato, kabary arivo…

Toky fitaka

Fivoriana etsy, fivoriana eroa, ary saika tsy mahatombina intsony ny mpanao politika rehetra taorian’ilay fihaonana azo heverina fa mbola bitika teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny alatsinainy lasa teo.
Efa-taona izay no nitondran’ny fanjakana mijoro ny fiainam-pirenena, ka raha vao nianatra volana vitsy izy io dia efa teraka ny fanakianana sy fanoherana nataon’ireo mpiray donak’afo teny an-kianja, satria ratsy angaha ny tantana ka mahatonga izao fidangan’ny vidim-piainana zary efa mankalilo ny sofina izao ny mandre azy ? Raha ny fivoriana heno nandritra ny andro vitsy teo amin’ny mpanohitra dia ny fiaraha-mitantana ny fiainam-pirenena no masaka nandritra ny dinika, ary misy mihitsy ny nilaza fa ny mpitondra iray manontolo no tadiavin’ny vahoaka ny fialàny satria nampiditra kizo ny fiainam-bahoaka.
Raha ho tonga ary ny fanomezam-pahefana ampahany ataon’ny fanjakan-dRavalo ireto milaza fa mahita ny làlan’ny fandrosoana, ho azo antoka ve fa hiala amin’izao olana izao isika mianakavy ? Toa misy entanim-po tsy amim-piheverena fotsiny ny hafa ka sao tojon’ny « toky fitaka » lava izao indray ny vahoaka. Sao dia ny tetik’asa ara-toe-karena aloha no maika himasoana vao ny « ady seza » mba ho firenena mendrika marina no hajoro fa tsy ny « sitran’ny ahay » anio lava izao mba ho tombon-tsoan’ny tena sy ny antoko no lova hapetraka ho an’ny taranaka fara aman-dimby.

Madagascar tribune
23/03/06 - Naivo kely
novalian'i Fiffi ny 29/03/2006 13:05
2. lemenakely ( 23/03/2006 10:41)
Asa raha mba misy mahalàla aloha fa ny malagasy no record eran-tany @ resaka fivoriana sy table ronde tena marina io fa tsy resak'eh an.

Bon ny hevitra moa samy manana e ! fa ny zavatra tena hitako sy tsapako dia tsy misy maharatsy ny atao hoe fiaraha-mitantana na cohabitation refa misy olana ao @ firenena iray, nisy an'izany teto FRANCE asa izany nahatadidy ny président Mittérand ny 1ér ministre BALLADUR homme de droite ,teo koa i CHIRAC nefa ny 1er ministre JOSPIN avy any @ gauche.
NY zavatra hita aloha dia misy olana tokoa ny firenena @ izao fotoana izao rien que ny inflation fotsiny !
Mbà ilaina ihany ny expérience TSARA izay nanan'ny hafa ,ny mpitondra ankehitriny amiko manokana dia tsy mbola manana éxpérience loatra .Mbà nisy ministra mbà nahavita azy kosa t@ andron'i deba ireny e raisiko ohatra i NY HASINA ANDRIAMANJATO izay tanora nefa nahavita be tokoa tao @ ministéran'ny paositra sy ny fifandraisan-davitra tsy midika akory izany fa tsy mahay ny ministre Bruno Andriatavison sao lazain'ny sasany fa mitsikéra fahatany in1 fa hita fa mbola misy olona ny télécommunication ao Mada ao ohatra :mbola misy ny mpiasa manodina ny colis sy ny ttasy @ izao raha miantso portable @ carte toy ny africa dia tsy mahazo nefa ny cout mbola lafo be.

Teo koa ny minisitra ny Horace nahavita be tokoa tao @ ministére de la privatisation .

Isika malagasy dia olon'ny fo ,mivatravatra be raha misy zavatra miseho iray nefa avy eo nefa adino, ny raharaha rova ohatra,ny raharaha 2002 ....Mila fangalàna lesona ny zava-drehetra,tsy misy olona mahavita tena
3. fijo ( 23/03/2006 21:14)
marina io voalza io,fa ny tian'ny gazety lazaina dia izao.raha tonga eo amin'ny fitondrana ve ireo mpanohitra ireo,ho hafaka hanova ny fiainam pirenena ve?sa dia lasanko vavany fotsiny.
efa teo mantsy ireo,ary tsy nahavita na zavatra iray aza fony teo,ka izay no tena mampanahy ny mpanaraka raharaha
4. Fiffi ( 24/03/2006 06:42)
ny fanovana ny fianam-pirenena zany angamba ry fijo dia tsy ho possible mihintsy an!
5. xxx ( 24/03/2006 19:00)
zaklo,tsy mino hoe ahavita zavatra zany reo e hanimba ngamba :evil:
6. fijo ( 24/03/2006 21:10)
fiffi an,ny mpanohitra ve no lazaindry eto?

xx.za koa aloha hoatryny manahy izay hitranga raha ry zafy no miverina.
7. Fiffi ( 25/03/2006 07:53)
ny mpitondra ka.
8. mandrindra ( 27/03/2006 14:05)
izaho aloha dia siora mihitsy fa raha ireto 3FN ireto no mandray fahefana dia mitotongana indray ny firenena. ry zalahy tsinona raha tonga eo ny zavatra voalohany ho hataony dia ny hamaly faty ny hazalambo 2002 sy ny mameno paosy.

fiffi, possibla ny fanovana ny fiainampirenena. Ny mahasarotra azy any Madagasikara dia ny ery amin'ny tampon'ny fitondrana fotsiny no miovaova sy mifandimby fa ireto hauts fonctionnaires de l'Etat ireto mihitsy koa anie no tena fositra e. Indrindra fa ireo efa zokinjokiny ka efa zatra ny fomba fiasa tamin'ny repoblika faharoa
9. Fiffi ( 27/03/2006 14:47)
fa tsy ho mora aloha izany eh! nefa moa hoy ny fitenenana hoe "tsy misy mafy tsy laitra ny zoto" saingy arakin'ny lazainao io hoe ireo zokinjokiny efa zatra t@ taloha dia tokony solohina @ izay zany rzy zareo rehefa tsy mahavita azy eh! sa ahoana ?
10. mandrindra ( 29/03/2006 11:45)
soloina ireo izay tsy mety hiova
11. Fiffi ( 29/03/2006 13:05)
ka iza anefa no hafaka hanolo azy ireo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1413