Ho ela velona anie ny fahamarinana sy ny fahamasinana

1. Fiffi ( 23/03/2006 07:01)
Ho ela velona anie ny fahamarinana sy ny fahamasinana eto amin`ny Tany sy ny Firenena malagasy.
Teto andrenivohitra teto dia nisy trangan-javatra iray toy izao niseho izao miara-niasa nandritra ny fotoana naharitra ny teratany malagasy iray sy teratany thailandais iray, amin`ny sehatry ny fividianana sy fanondranana vatosoa, izay nifampatoky tokoa ary tsapa fa tena nifampiankim-po tanteraka.


Taty aoriana anefa dia niharatsy ny fifandraisana ara-kasa teo amin’ny roa tonta ka dia nametra-pialana tsy hiasa intsony teratany Malagasy ity ny fomba amam-panao tsy faseho masoandro ataon`ity teratany thailandais ity. Ohatra amin`izany ireo “trafic de devise” ataony sy ny fanondranana vatosoa amina fangalarana sonia.


Ity farany dia nataon`io vahiny io nandritra ny fotoana tsy naha teo an-toerana an’ilay tompo tany.


Noho izany toe-javatra izany dia nametraka fitoriana teny anivon`ny fitsarana ity teratany malagasy izay nahatsapa fa voasoloky tamin`ny


« faux et usage de faux » tamin`ireo taratasim-panjakana ahafahana manondrana vatosoa any ivelany.


Mba hanaronan`iry ankilany ny zava-dratsy izay nataony dia niaro tena izy amin`ny alalan`ny fitoriana ity namamy ity manerana ny sampan-draharaha maromaro eto andrenivohitra.


Ny nampalahelo anefa dia misy manamboninahitra ambony, Kôlônely, ao amin`ny Zandarimariam-pirenena manao ny ainy tsy ho zavatra miaro ity teratany vahiny ity ka mamorona atsanga tsy aman`orana mba hanenjehana ilay andaniny.


Raha tsaroantsika mpamaky tsara ny momba ny fanafihanan-jiolahy natao tamina thailandais teny Behenjy tamin`ny volana jona 2005, dia efa voasambotra sy notazonina am-ponja vonjimaika miandry ny fitsarana avokoa ireo olon-dratsy izay tompon`andraikitra tamin`iny raharaha iny. Noho ny fihavanana na fifankazahoana tsy mazavan`io Kôlônely io amin`ity thailandais ity, dia mitady hirika izy ireo hampidirana ity teratany malagasy ity amin`io raharaha io. Ny zandary izay miasa ao amin`ny Toby Ratsimandrava misahana ny famotorana aza dia velon-taraina daholo amin`ny fitsabahana sy fanerena mivantana an`izy ireo hanao ny famotorana, ka hilazana fa niray tsikombakomba tamin`iny fanafihana iny ity teratany malagasy ity.

Marihina fa mpinamana akaiky ity Kôlônely ity sy ilay teratany thailandais, ary ireharen`ity Kôlônely ity izay. Porofon`izany ny nananganana “ Poste avancée “ ho an`ny Zandarimariam-pirenena any Ambohimanga.
Mazava ho azy fa tsy maty manota mihitsy izany ity thailandais ity eto amin`ny firenena malagasy, satria hoy izy matetika hoe : « The law is not for the poor people » izay azo adika amin`ny teny malalaka hoe: ny lalana dia tsy natao ho an`ny madinika fa izay itiavan`ny manam-bola anaovana azy ihany. Ambetin-dresak`io teratany thailandais io ihany koa ny hoe: « Tsy matahotra fitsarana ».
Manoloana ny olana misy eo amin`ity teratany thailandais ity sy ity teratany malagasy ity dia noteren`ilay manamboninahitra ambony ity farany izay mitovy ra aminy mba hanatsoaka ny fitoriana an`iny voalohany izay arovany ity. Tsy nanaiky izay anefa ity teratany malagasy ka izay no tena nahatonga an`ity Kôlônely ity ho nitsangana ka namorona sy nitady hevitra hamotehana tanterakaazy io tahaka azy, noho ny herin`ny vola.
Matoky ny fahendrena sy ny fahaiza-manaon`ny Tomponandraikitra isan`ambaratongany ao amin`ny fitondrana sy ny fitsarana anefa ity Malagasy kely voan`ny tsindry hazolena sy voahosihosy noho ny herin`ny vola eo imason`ny sasany.
Ho ela velona anie ny fahamarinana sy ny fahamasinana eto amin`ny Tany sy ny Firenena malagasy.
La Gazette de la Grande Ile
novalian'i Fiffi ny 27/03/2006 10:46
2. xxx ( 23/03/2006 20:38)
tena mampalahelo zany fa mbola betsaka ne ny ambokambon'ny fanahin'i deba e efa zatra ny lalandririnina reny ary mbola maro ny zandarma no manao io :evil::evil:
3. Herimiafina ( 23/03/2006 21:11)
Eeeeh, mbola misy foana ve ny toa IZAO e! :twisted:
4. fijo ( 23/03/2006 21:20)
misy foana io,mamdrapiovan'ny fitiavan kely
5. Fiffi ( 24/03/2006 06:43)
indrisy fa na aiza na aiza anie misy foana izao eh!
6. fijo ( 24/03/2006 21:11)
fa ny ahy tsy zakako le gasy manompo vahiny toa io,nefa izy ao amin'ny taniny.
7. Fiffi ( 25/03/2006 08:17)
indrisy anefa eh!
8. jajaf401 ( 25/03/2006 18:33)
Ka eto aza efa tsy voalaza indray anaran'ilay kolonely, fa indrindra !!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
!!!!!!!!!!!
tsy fantatra intsony ho aiza?
Ary fiffi angaha momba gazette de la grande île sa kolonely??
9. Fiffi ( 25/03/2006 19:06)
:roll::roll::roll::roll:
10. xxx ( 27/03/2006 08:32)
fijo : fa ny ahy tsy zakako le gasy manompo vahiny toa io,nefa izy ao amin'ny taniny.
tsy d'accord aminao kosa aho hoe manompo : ataoko fa co-opération angamba no nolazainy : fiarah-miasa, ny fisaina'ny thaï izany no hafa ....asa mety efa maffia koa angamba ???????, hoe aty mora ambakaina sy mora tsetsafina.....
11. Fiffi ( 27/03/2006 10:46)
Ary fiffi angaha momba gazette de la grande île sa kolonely??
inona no hidiran'izany ? raha manaraka vao2 @ gazety ianao ve dia hisy hoe .... ary ianao :?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.6735