offre de produits et services BFV-Société Générale

1. Dawa ( 21/03/2006 07:25)
:D Faly miarahaba anareo Malagasy mifampiserasera ato @ity site ity.
Mandelo eto Paris indray izahay solontenan'io Banky voalaza anarana etsy ambony io manamafy sy milaza fa tsara sy mahomby kokoa ny miaramiasa aminay raha te hiditra ao @ "circuit bancaire" @izay mety ho ataonao ary hentanina ianao hanandrana an'izay raha misy ny faniriana hanao zavatra any Madagasikara toy ny :
- fanànana "compte en devise" any an-toerana (Mada)
- handefa dia hametra-bola any (Epargne)
- hanampy ny fianakaviana (envoi de l'argent)
- ary indrindra indrindra "hitsinjo ny ho avy", hanangana trano, na hividy trano, na hamita, na hanitatra dia vonona hitondra ny famatsiam-bola sy ny "traikefany" (expérience et expertise) ny BFV-SG.
Manana ny maha izy azy ny Groupe Société Générale, ny fito taona niasany tany an-tanindrazana dia nahitan'ny ireo tompon'ny petrabola na(actionnaires) t@ireo "bénéfices" navoakan'izany banky izany, ny Mpiasa Malagasy ao aminy noho ireo tombotsoa azo tsampahitanana (na dia heverina fa mbola azo hampitomboana tokoa) ary indrindra indrindra fa ny Fanjakana Malagasy( vahoaka)@ireo hetra isan-karazany haloan'ny banky raha tsy hireska ny Impôts sur les Bénéfices des Sociétés" sy ny TVA ho fampandrosoana ny firenena.
Dia aza misalasala mifanakalo hevitra aminay; jereo ny site-nay "bfvsg.mg" sy ireo sites malagasy efa mahazatra "so....com"; "ma...com".
Misaotra anao namaky ary vonona hatrany izahay hifampiserasera aminao hitondra ny "tolo-kevitra mifandraika @ hetehetanao".
Mandrapihaona.:=D
répondu par madera2 le 17/04/2006 17:28
2. xxx ( 21/03/2006 08:08)
Asa raha mbola afaka mamaly fanontaniana eto ianao na efa lasa :-) fa misy fanontaniana vitsivitsy.

- Misy fomba ahafahana manokatra kaonty amin'ny BFV-SG any Madagascar ve na dia hoe mipetraka aty ivelany aza? Inona no azo atao momba an'izany?
3. nanourand ( 21/03/2006 13:36)
Ie misy dia misy tokoa ireto avy no zavatra ilaina :
- Attestation de revenue (raha rapatriement de salaire)
- Sary tapaka 2
- Photocopie légalisée CIN (na pasipaoro)
- Certificat de résidance
- Billet Paris-Tana-Paris

dia izao no atao
- alaina lé billet dia andehanana makany dago
- dia makao @ bfv
- dia miteny hoe zaho anokatra compte
- dia misokatra ny compte
- dia miverina @ ilay billet

:^)
4. pitchou ( 21/03/2006 17:24)
dawa> ka manahirana be ange ny ao aminareo e! nisy information tsy haiko mikasika ireny identification bancaire ireny nangatahako tany, tao @ service des relations internationales (fa io irery hono no mahay an'izany) satria resaka virement avy any ivelany le izy, d tsy capable mihitsy na iza na iza tao hanoro hoe ahoana ny famenoana ilay formulaire!!!! izaho indray no nolazainy hoe anontanio any (any @ le orinasa hanao virement izay any ivelany io!) hoe ahoana ny famenoana an'io d mba ilazao zareo rehefa mahazo renseignement aho! (zà kosa klou tsy tany @ DG satria sakana moa ity natao ahy mba tsy handehanako any!!!!)! ka asa na ho mety izany avy any ivelany handefa vola any @ bfv-sg any dago izany?

Resaka carte bancaire aza r'ise asa na saika hataony inona fa saika tsy nomeny ny tena mihitsy ny carte ny tena raha tsy afaka volana maromaro, ny paositra no nomeny loza hoe ho nanary ny courrier d ndana hono tedavo any! nanontaniana rizareo hoe omeo aza ny référence nandefasanareo azy rehefa tsy capable ny hanaraka ny courrier nareo nareo, satria izay nandefa no mahafantatra hoe nandefa courrier izy fa ilay destinataire tsy mahafantatra akory hoe nisy courrier nalefa ho azy raha tsy efa voarainy ilay courrier, tsy capable izy nanome ilay référence, d hoe ny solution mety hono hanaovana carte vaovao fa mila miandry eo @ 1 mois eo indray ! satria moa mba mahay tezitra ihany ny client d nde niantso ny tale commercial aho, kay tao tampoka idray fa tsy nalefany mihitsy fa notanany tsara tao!!!! kay moa tsy izaho ihany no tratran'izay!!!! asa angaha tedaviny saika hatao inona ny ao @ kaontinay!

ka asa r'ise fa aleo aloha hatsarainareo ny ao @ izao vao mitady hevitra hafa hanahirana indray nareo! tena marina e!
5. xxx ( 21/03/2006 21:29)
fenoy distributeurs aloha manerana an'i madagasikara fa tsy vitanay ny milahatra amin'ny caissenareo (ela fiasa). miala tsiny fa tonga dia ny zava-misy sy ny faniriana no ambara fa tsy mihatsara velatsihy.
6. xxx ( 22/03/2006 02:33)
tsy aleo isika sy pitchou hanokatra TIKO Bank?:-D
7. yehel ( 22/03/2006 14:27)
Banky mpangalatra jiaby ny eto dago indrindra fa bfv bni bmoi.Vol autorisé koa moa no asany ko.Izaho aloha dia bky môrisianina na asiatika no hitako transaparent kokoa e.Za koa ry xxx sy pitchou mba hiditra associé an?Ometsika kiredit daholo ny NAMANA sa ahoana???
8. pitchou ( 25/03/2006 17:11)
fa maninn no TIKO bank? ngah hanao micro credit @ mpiompy omby? tsy aleo X-bank?
9. xxx ( 25/03/2006 22:08)
ka pitchou efa mba lava tanana ao amin'ny TIKO iany ka :wink:
10. Veloo ( 26/03/2006 02:50)
tiko nga manana banky
11. xxx ( 26/03/2006 08:30)
Veloo:

tiko nga manana banky
madagasikara no bankiny? :-D:-D:-D


12. Dawa ( 27/03/2006 09:42)
Voalohany, dia misaotra anareo namaly ny antso.
na ny fanankianana na ny fankasitrahana.
Raha te ahafantatra any Dawa, tsy miafina aho fa azoko atao ny mandray anareo ao @ SG Gobelins, akaiky ny Foyer Univeritaire Malagasy; homeko anao @antsipirihany ny momba ity projet ity, afaka hifandresy lahatra aminao aho fa toy ny orinasa rehetra dia mitady tombiny, mahazo an'izany daholo ny mpiara-miombon'antoka amin'ny BFV-SG, lazaiko aminareo fa mandroso be mihitsy ny "fanaovana crédit any Madagascar ary ny BFV-SG no loha-laharana @izany raha eo @ "particuliers" karazan'olona maro no efa nahazo tombotsoa @izany mianga avy @ olona azo atao hoe "tsongon'olom-bola" ka hatramin'ny mpiasa tsotra, ny hoe "mpangalatra angamba mba teny "osé" tsy dia ampy fanadiadiana loatra fa entim-po fotsiny.
Tsy hifanomezan-tsiny izany, fa banky ohatra ny banky rehetra miezaka manaraka ny norme internationale, ary ny SG izany koa ange banky manana ny maha izy azy n'aizan'aiza erantany misy azy e!
Ka tongava na mangataha RDV, merci de vous référer sur sobika.com et madagate.com rubrique reportge.
je me fairais le plaisir de vous recevoir et de faire des échanges dans ce sens pour le bien de tout le monde.
13. yehel ( 03/04/2006 11:56)
Faut faire très attention mon gars.Crédits particuliers boa no voalohany.Angamba faharoa nareo zao.

Za aloha mampirisika ny gasy any hivelany mametra bola ao dago (sign d epatriotism) mais mba placement intelligent atoa ry reto a.BTA marché primaire no ataovy fa aza mandalo bq primaire zany.Asaivo hazavain' i dawa zay.Ny taux tonga misy différence be.En plus,hanome commissions ihany ve tsy aleo tonga dia ho an'ny tanindrazana fa tsy ho an' tsotsoka.Sa raha mbola tsy leo @ dépenses metro,rer,fisc,kaly,loyers,taxes bdb, nga dia ataovy fa tsy za tsony aloha e.Ary raha mila fanampy panazavana tsy handoavam-bola dia ito ny mail-ko nrpixmania@yahoo.fr
14. Dawa ( 04/04/2006 14:33)
Marina ihany koa ny anao; azonao atao mihitsy ny BTA, mampindram-bola ho an'ny fanjakana ianao, tsara izany.
Fa @ maha banque ny banque, dia mampindram-bola ireo mpandraharaha ara-toekarena,na olon-tsotra, miezaka ny hivoatra ary hampiatra ny ambaindain'ny fananany @ findramam-bola @ banky.
Eo indrindra no hisarihana anareo aty ampita aty hanampy via canal bancaire izay làlanan'ny tolotra sy ny tinady classique izay.
Dia mbola mamerina ihany fa ny BFV-SG aloha izao no mandondom-baravarana "aody é"; vitan'ireo tavaratra sy ireo rahalahy "afrikana" izay lazaina fa mahantra nefa ny volan'izy ireo fandefa any an-tanindrazany isam-bolana dia tena manan-danja tokoa eo @ fidiram-bola ivelany?
Ry Malagasy mpiray tanindrazana, sahia manao zavatra ho anao, mazava ho azy misy fiantraikany @ firenentsika izay hetsika ataonao izay.
Ilay filazana hoe "tsotsoka" aloha hoa efa nilaozan'ny toe-trandro é!
Averiko indray fa mahita tombotsoa ao avokoa ny mpandraharaha rehetra: Ny actionnaires isan'izany ny fanjakana, ny Clients, ny Mpiasa, ny fournisseurs,sns;;; ka aza dia malahelo loatra fa efa "économie globale izao" toa ny fahitanay "malagasy" tena "taf.be" mihitsy aty,tsy asiana olona fa hamporisihana aza hanao misimisy kokoa, ho reharehan'ny firenena.
Ny tenanay izay mandalo, mifanerasera @ ireo karazan'olona maro na Gasy na Frantsay dia mahita fa afa ihany "Ramalagasy", ka aza mandrarak'ilo mby an-doha; aza lany andro mifanebaka fa "'ndao hiasa ho an'ny Tanindrazana".
Miandry anareo ny BFV-SG isak'alarobia SG Paris Gobelins (13ème ARR.)
Dà misaots'é!
15. madera2 ( 17/04/2006 17:28)
tena marina fa i bfv.sg dia tena banky ho an' izay te hampitombo ny vola nefa indro kely dia tena sarotiny be eo amin' ny fikarakarana dossier ka manjary mampisy fahatarana amin' ny projet vinavinaina .na dia izany aza isaorana izy satria tena maro tokoa ny olona efa nahazo tombotsoa taminy anisan' izany zaho manoratra izao ka mampirisika hoan' olona mbola tsy mahafantra nosisa ataoko . izay no azoko ambara ka misaotra !!!!!:^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0884