Nandalo izy ka nahita !

1. Fiffi ( 20/03/2006 07:30)
Naharitra efatra andro ny fitsidihana nataon’ny sekretera jeneralin’ny Firenana mikambana, Kofi Annan, mivady teto amintsika. Nandalo izy ireo, hoy izahay, ka dia nahita, saingy nahita tapany ihany satria haintsika malagasy ny nihatsaravelatsihy.

Ny andron’ny nahatongavany mantsy dia noroahina daholo ireo 4’mi teny an’arabe rehetra teny, tsy nisy akory anefa ny toerana nandraisana azy ireo. Tsy mahagaga, araka izany, raha nilaza ho afa-po tamin’ny zavatra hitany ity vahinintsika ity. Nambarany aza moa fa tsapany, hono, ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana ara-ekônômika sy sôsialy atao eto. Ny mampieritreritra fotsiny dia ny hoe mba fantany koa ve ny fifandrifian’ny karama sy ny vidim-piainana eto an-toerana ? Fantany ve ny fikikisan’ny Jirama ny mpanjifa azy ? Fantany koa ve ny vidin’ny solika sy ny hetra alaina aminy ?... Diplaomaty moa ny lehilahy koa tsy tokony hahagaga ihany raha midoka ny firenena nivahinianany ny tenany. Na izany na tsy izany koa aza anefa dia tsy maintsy nahita ny gaboraraka sy ny tsy fahaizan-draharahan’ny teto an-toerana ihany koa ingahy Kofi Annan. Fahafaham-baraka tsy misy toa azy, ho an’ny fiadidiana ny repoblika, mantsy raha ny zava-nitranga teny Iavoloha, dia ny « nanadinoana » ny nametraka ny sainan’ny Firenena mikambana, kanefa dia ny sekretera jeneraliny izao nasaina sy nampandraisana fitenenana teny. Fahadisoana araka asa faran’izay goavana ny tahaka ireny koa asa moa izay fepetra horaisina amin’izao isika lasa vahiny izao ? Ny tena mampanahy dia ny hoe raha ny zavatra efa tokony « handeha ho azy » tahaka ireny aza no nanaovana fahadisoana, dia mba manao ahoana ny any amin’ny raharaha hafa any ê ? Tsy vao voalohany ny arofenitry ny prezidansa no nanao fahadisoana, koa asa inona indray no manaraka ê ?... Ny kisary nataon’ny gazety iray moa no nanaovana fialan-tsiny tamin’ny fomba ôfisialy fa ny nataon’ny arofenitra nodiana fanina fotsiny, kanefa dia mba ahoana moa izany izao ny ao an-tsain’i Kofi Annan, olon-tsotra tsy diplaomaty, amin’ireny ê ?...
Lalou pour La Gazette de la Grande Ile
novalian'i Fiffi ny 23/03/2006 07:06
2. avolenta ( 20/03/2006 14:52)
de aona zao ny ao anaty ny sainao ao é, de aona zao ny ao anatin'ny sain'ny kofi annan é? de manao ahona zao ny raharaha hafa any é? diplomaty é de zao é, de zao é wa wa wa é, de wa wa wa éé, de ina zao ny tinao tenenina é??
3. Fiffi ( 23/03/2006 07:06)
:roll::roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8577