Zaza menavava nariana tao an-dava-piringa.

1. Fiffi ( 18/03/2006 06:24)
Tao anatin’io lavaka io no nariana ilay zaza.

Zazakely, (lahikely) menavava no nisy nanary tao an-davapiringa teny Soanierana atsinanana, omaly maraina vao mangiran-dratsy. Mbola nihoson-drà izy, raha ny fanazavan'ireo tompon-trano nahita ny loza, ary ny tadim-poitrany tsy mbola tapaka. Dia nihosona sy nilona rano maloto tao.
“Vao tapa-bolana teo, hoy i Tovo tompon-trano, no nanamboarana an'ity lavapiringa ity. Any ambadiky ny trano no misy azy ary tsy hitan'ny olona afa-tsy izahay ato an-trano sy izay nanamboatra azy tao ihany”. Nosoritany fa misy lavapiringa talaky maso iray teo an-tokotany. Fa tsy tao ilay zaza no natsipy. “Izay no manaporofo, hoy izy, fa olona mahafantatra tsara ny momba an'io lavaka vaovao io no nahavita izao loza izao”. Efa mandeha, araka izany, ny fanadihadiana.
Na dia izany aza anefa, avotra soa aman-tsara ihany ilay zaza. Tsy nahadifotra azy mantsy ny rano tao anatin'ilay lavaka. Ny fitomaniany no ren'ny manodidina ka izay no nahafahana namonjy azy. Nodiovina, nampitafiana ary niantsoana mpitsabo nanapaka ny tadim-poitrany. Izay vao nentina tany amin'ny hopitaly. Ao amin'ny hopitaly Befelatanana, izany izao ilay zaza. Teo no ho eo ihany dia nisy vehivavy nivonona ny handray sy hitaiza azy. Efa nomeny anarana, araka izany, izy : Tolojanahary Avotra.
Nirina Rakotoson L'Express de Madagascar


novalian'i Fiffi ny 22/03/2006 07:03
2. Fiffi ( 18/03/2006 07:15)
toa ny fanarihan-janaka indray no zava-miseho @ zao fotoana izao ?
3. sahonfra ( 18/03/2006 08:34)
Tohina ny fo, vaka ny saina "FA NAHOANA,,,?"Sarotra ny mitsara olona @ toe-javatra toy itony nefa na izany aza @ maha-RENY dia tsy mankasitraka ny famonoan'olona;
Mivavaha ho azy fa tsy fantany izay ataony.
4. Fiffi ( 18/03/2006 09:00)
sahonfra: marina tokoa izany fa ny Tompo anie hamela ny helony fa tsy fantany marina ny nataony.
5. sipagasy ( 18/03/2006 09:16)
eeeeeee indrisy mantsy fa dia miafara @ fanarian-janaka sisa ny reny nohon'ny antony izay tsy hitsarana azy tokoa annn, fa na dia mafy tahakan'ny inona aza ve ny fiainana e! naninona no tsy nomena andry masera ho taizainy???
6. Fiffi ( 18/03/2006 09:39)
fa any an-davaka tahak'izao no hanariana azy ? na ny fitondrana azy nandritry ny 9 volana aza ve dia tsy ...@ zay mbola lahy kely koa ! , fa na vavy aza fa tena mampi-:snif::snif::snif: eh! zaza tsy mana-fidiny , tsy nangataka ny ho avy ety :(:(
7. tititiana ( 18/03/2006 11:52)
Eny e! tsy azo tsaraina izy fa aoka ny ray ao ambony no hitsara fa ny zava- dehibe dia avotra soa aman- tsara ny zaza ary Andriamanitra hamaly soa izay hitaiza azy
8. Fiffi ( 18/03/2006 12:03)
avotra tsara ilay zaza ka isaorana ny Tompo
9. hantajoasy ( 22/03/2006 06:03)
na dia mafy toa inona aza reto ny fiainana zanako tsyt foiko arina ny tsy manana aza mitady mendrika an`izany vehivavy izany ny sazy faran`izay henjana ny eto antany mbola ho azony koa ny saziny rehefa any ankoatra
10. Fiffi ( 22/03/2006 07:03)
enganie!:( fa maha-ontsa eh!:(
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2599