NAMPODIANA NY VAHINY MPANAO RATSY

1. Fiffi ( 18/03/2006 06:17)
Naverina any Frantsa ireo vahiny mpanao herisetra eran-tany.
Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity izao dia vahiny dimy no naverina any Frantsa, noho izy ireo nampiahiahy. Hentitra ny fanarahamaso indrindra eny amin’ny seranam-piaramanidina toa ny eny Ivato.
Araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Inspekitera jeneraly Razakanirina Lucien, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, dia efa nifandray tamin’ny INTERPOL (Polisy Iraisam-pirenena) ny polisy malagasy ary tamin’izany no nahafantarana fa olona mpanao herisetra ireo vahiny dimy, izay efa samy nahazo sazy tany amin’ny tany nihaviany avokoa.
Hatramin’ny nampalaza ny asa fampihorohoroana eran-tany, dia hentitra ny mpitandro filaminana eto amin-tsika amin’ny fanaraha-maso ny vahiny miditra eto Madagasikara. Tadiavin’ny sasany atao tany fandalovana na fialofan’ny olon-dratsy mantsy i Madagasikara.
Maromaro mampiahiahy...
Avy amin’ny antokom-pivavahana silamo mahery vaika moa izy ireo. Mizaka ny zom-pirenena frantsay izy ireo, saingy avy amin’ny firenena afrikana ny fihavian’ny ankamaroan’izy ireo. Mailo moa ny polisy malagasy, indrindra amin’izao fandalovan’ny vahiny manan-kaja maromaro eto Madagasikara izao (Kofi Annan sy ny vadiny, ny minisitra avy amin’ny COI, minisItra misahana ny Harena an-kibon’ny tany avy amin’ny SADC,sns).
Raha ny tarehi-marika nomen’ny minisitra Razakanirina dia vahiny tsy ara-dalàna 25 no saika hiditra teto Madagasikara. Nisy tamin’ireo no nanao pasipaoro sandoka na tsy nanan-kery intsony, na tsy nanana fahazoan-dàlana hiditra eto amintsika. Misy tarika mpampihorohoro mitady hiditra moa eto amintsika, hoy ny minisitra ka tsy maintsy mailo isika.
Nivo T pour Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 18/03/2006 12:07
2. Fiffi ( 18/03/2006 06:21)
NAMPODIANA. Pasipaoro sandoka, visa tsy azo nohavaozina, izay no anisan’ny antony nampodiana ireo vahiny saika handalo teto.
Vahiny dimy nalefa niverina tany aminy ahiana ho mpampihorohoro.
25 ireo vahiny saika hiditra teto amintsika no naverina nody tany amin’ny taniny, nanomboka tamin’ny volana janoary ny mankaty. Anisan’ny antony tsy nandraisana azy ireo handalo eto an-toerana ny fisian’ny pasipaoro sandoka, ny « visa » tsy azo nohavaozina. Ary tsy vao ela akory izay no nisy vahiny mizaka ny zom-pirenena frantsay dimy tonga teny Ivato, ny alatsinainy teo, ary ny ampitso dia nasaina niverina tany amin’ny tany fiaviany izy.
Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Razakanirina Lucien Victor, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy, omaly tetsy Anosy, fa mpikambana amin’ny fivavahana silamo mahery fihetsika izy ireo, ka izay no anisan’ny antony nampodiana azy ireo.

Ahiana ho mpampihorohoro izy ireo. Magrebiana sy Afrikanina no fiavian’izy ireo, araka ny fanamarihan’ny minisitra. Nambaran’ny Minisitra ihany koa fa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny Interpol ka nahafantarana fa olon-dratsy, ka nampahatsahivany fa maro ireo olona ambony toy ny Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, Kofi Annan, izay mivahiny eto amintsika, ao ihany koa ny fivoriana iraisam-pirenena toy ny COI. Mikasika ireo gasy indray, 14 no tsy tafiditra tany amin’ireo firenen-kafa ka naverina nody taty amintsika.

Mailo ny mpitandro filaminana, hoy ihany ny tomponandraikitra voalohany amin’ny filaminam-bahoaka, fa misy mitady hanao « plaque tournante » amin’ny fanondranana rongony, fandiovana vola maloto, asa fampihorohoroana. Koa aleo misoroka ka izay no nandraisana fepetra, hoy izy. Ny fidirana sy fivoahana eto amintsika, lasa vain-dohan-draharaha eo amin’ny mpitandro filaminana. Izany rehetra izany dia tafiditra ao amin’ny fisorohana izay zavatra mety hitranga. Ny fiaraha-miasa amin’ny Interpol, anisan’ny manampy betsaka ny polisim-pirenena.
RD pour Midi Madagascar
3. sipagasy ( 18/03/2006 09:50)
aleo mailo ihany marina sao any amintsika any eo indray ry zareo no hanao recrutement kleee
4. Fiffi ( 18/03/2006 12:07)
fa mpikambana amin’ny fivavahana silamo mahery fihetsika izy ireo, ka izay no anisan’ny antony nampodiana azy ireo.
ka io indray anie no tanjon'ry zareo eh! fa aleo marina mailo an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1163