Ny fijerin'ny maro

1. Fiffi ( 17/03/2006 05:16)
Miditra amin'ny litanian'ny fahantrana indray ny fijerin'ny maro, ary toa zezika nampitsiry ny hambom-pon'ny te hilaza ny fiheverana fa tao anatin'ny efa-taona no nampamoa ny raozin'ny fahantrana teto Madagasikara.
Raha manao kajikajy tokoa amin'ny vidim-piainana tany alohan'ny fandraisan-dRavalo ny fahefana sy ny amin'izao faramparan'ny fe-potoana hahataperan'ny fitondrany izao, dia azo ambara fa tsy zakan'ny fahefa-mividin'ny vahoaka kely karama intsony ny zotran'ny enti-manana ao anaty tokan-trano. Ny fanjakana tao anatin'ny efa-taona tokoa ve no nandatsaka an'i Madagasikara ho faran'ny lisitra ? Niainga tamin'ny repoblika faharoa najakan'ny Amiraly sy ny tariny tao anatin'ny DCPE, novàna ho DSRP tamin'ny andron-dry Zafy Albert, Ravony, Ratsirahonana, sy ny mbola niverenan-dRatsiraka, ary nolovain'i Ravalomanana izao, dia hita fa nihemotra hatrany ny firenena, fa mbola tsy tazana tao anatin'ireo fitondrana niarahana tamin'ny mpamatsy vola ny filazana fa niakatra tany amin'ny laharana aloha ny toe-karena malagasy. Io mihemo-dava tahaka ny fanovana ny toe-tsaina io ny firenena malagasy.
Azo ambara fa tsy afa-miala amin'ny faharendrehan'ny firenena izay niondana tamin'ny mpamatsy vola mahazatra, saingy tao angamba ny namoaka vola tsy am-piheverana ka nampisolifatra haingana any anaty kizo ny fiainam-bahoaka ? Sa ny asa vita amin'izao fotoana ihany no azo ambara ho tetik’asan'ny teo aloha fa ny faharendrehana an'ny mpitondra amin'izao fotoana ?
Naivo kely pour Madagascar Tribune
novalian'i Fiffi ny 18/03/2006 07:19
2. ravatorano ( 17/03/2006 08:38)
ao zany :wink:
3. Fiffi ( 17/03/2006 10:09)
fa izany hoe : tsy mora anie ny mitondra ny fanjakana izany eh! ary tsy hoe nandritrin'ny naha teo an'i Ra8 no niatomtombohan'ny fanjakana fa izy aza manaraina , manao izay hazony hatao saingy sarorotra eh! ary efa ela anie izao fahantranaa izao koa fa tsy hoe nandritriny naha-teo azy dia vao maika nilentika eh!
4. rog ( 17/03/2006 10:23)
iza moa ity volaza fa namoaka vola tsy am-piheverana ity e , raha ny fijeriko mantsy de tsotra hoatry ny zavatra rehetra ihany io de izay tratra farany ihany no voateny sy hita , satria raha io famakafakana io no jerena de izy rehetra , raha ny hevitry Fiffi na ilay olona nanoratra de te hanala ny mpitondra @izao fotoana amiko anefa tsy misy afaka ireo rehetra nitondra teo hatramin'izay ka hatramin'izao ,ny antony lazaina fa mitombo ny harikarena faobe, ny mahagaga anefa mitombo araka izany koa ny mahantra toa mahatonga ahy hieritreritra fa na manao aza ny mpitondra ankehitriny dia toa endrika ivelany fotsiny , toy ny nataon'ny teo aloha ihany ,satria ny zavatra vita voalaza sy tanterina @ filazam-baovao de mbola kely sy bitika raha ny zavatra ilan'ny mponina @ an-davan'androny no jerena .:cry::cry:
5. agoago ( 17/03/2006 10:51)
Dia ahoana e? handao olo-mahantra indray no atao filoha e.A@ izay izy mba tena efa manana traik'efa @ fiainana @ fahantrana, dia mora arahina, hita maso koa izy raha lasa miova fari- piainana tampoka. Atao matanjaka fotsiny ny conseillerny. Hevitra daholo izany satria efa betsaka ihany izay hevitra aroso hialana @ fahantrana mihamahazo vahana eto @ ity gasikara ntsika ity izay: ovaina ny toe-tsaina e, aza mameno paosy ny mpitondra e, miasa tsara ry vahoaka e ! sns ...ka hevitra ny ahy aleo hiverina aty amiko ihany!
6. Fiffi ( 17/03/2006 11:52)
rog: hoy ny gazety io an! fa dia mampita fotsiny ny nataoko mba ahafahantsika manaraka ny vao2 eh!
7. fijo ( 17/03/2006 20:30)
ny fahantrantsiak dia zavatra efa nnolovana avy any amin'ny fanjanahantany.ny tanjon'ny vazaha mantsy raha nanjanaka izy,dia ny ahatonga antsika hiankina aminy foana.
tsy nanmpianariny hitondra isika,fa natao hoetina foana.ary teo koa ny fahaizany mampiady.tsy hilaza aho hoe izay ihany no antony,fa avy any no niandohany.izay nitondra koa moa dia mbola nitahiry an'io toetsaina io ihany.ary isika vahoaka koa,dia mbola zatra io miandry lava io.ka tsy ny mpitondra ihany no olana,fa isika mianakavy mihintsy.
8. Fiffi ( 18/03/2006 07:19)
fijo: tsy misy hadisoan'ny vahoaka aloha io an! fa hadisoan'ny mpitondra tsy mahay mitondra akory .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5829