MBA TSY METY KOSA NY ATAOND-RA8 E

1. xxx ( 16/03/2006 16:27)
Raha amiko manokana dia tsy mety ny ataon'ny mpitondra ankehitriny nandroaka toy ny aliaka sy nikapoka ireo mahantra noho ny fandalovan'i KOFFI ANNAN ao ANTANANARIVO,afaka @ fikapohana ve ny fahantràna .Fidiny ho azy ireo ve ny hahantra vao tsy ela ary niteraka resa-be ilay reportage nataon'ny FR3 , niresaka ny fahantran'ny vahoaka gasy sasany.70%n'ny vahoaka gasy mahantra izany hoe tsy lanilany foana ny mpitondra raha tsy teo koa ny mahantra mahalasa saina !!tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra

http://www.lagazette-dgi.com
novalian'i lee ny 25/04/2006 16:51
2. Vaika ( 16/03/2006 17:51)
Raha azon-dry zalahy novonoina ireo mahantra ireo dia efa ela mihintsy no efa nanjavona !
Ra-Koffi Miam-Miam anie kôpy e ! Ny ahy ny mahamenatra ahy dia ireo mpitondra tsy mahay mandainga sy manafina akory, ny sasany aza hono dia nandalo tamin'izany ihany taloha dia nony nanana dia manary sy manilika ny mafy ady ankama taloha.
3. vancleef ( 16/03/2006 19:21)
Ka rehefa mampiseo ny fahantrana ao Iarivo ny France 3 (fa tsy FR3 tsy misy intsony io) mi-menomenina rehefa hafeninan'@ i Kofi Annan mi-menomenina. Ka inona aza no hatao ? Tsy hoe mankasitraka ny fandroahahana ireo mahantra fa zavatra efa fomba fanao ny pays sous-developpé matetika io. Indraindray aza lokana ny trano amrin'ny arabe handehananin'ireo vahiny na hasiana palissade manakonan'ny tokonoy sy ho hita Ka tokony tohizana ve io fomba io ? Sanatria an'izany fa tokony mba miezaka mba tsy ho sous-developpé intellectuellement kosa. Fa tsy manao politikan'ny autruche fotsiny.
Qui se sent morveux qu'il se mouche
4. xxx ( 16/03/2006 19:48)
Dia mino ve aloha i ra Van Cleef fa na nafenina aza ireo mahantra dia tsy fantatry i KOFFI ANNAN aloha iray izay. 70%ny gasy mahantra donc izany isan'ny olona nifidy andra8 ny mahantra izay maro an'isa ,koa maninona no kapohina sy dakàna ary roahana à 21h du soir en plein sommeil, fa angaha tsy olona izy ireny?

Soa ianareo fa isan'ireo olona manan-katao aloha fa tsy isan'ireo olona tsy manan-trano idirana fa eny @ arabé no matory.Fantatry ny mpitondra fa tsy hisy olona afaka miaro ny mahantra ka manararaotra.
Mbà eritrereto ny hahazo an'i Chirac raha manome baiko hamono sy handroaka ny sdf eto paris fa ho avy i BUSH?
5. Vaika ( 16/03/2006 19:53)
Ny olana anie Vancleef dia ny nanafenana ny mafy ady indrindra no nahatonga ny Fr.3 nisikotra ireo 4-mis e ! Dia mbola tsy tonga saina ihany ny mpitondra fa mbola be marenina ihany. Dia io indray fa mbola namerina ny adalany indray koa. Tsy ny 4-mis akory no nampahantra an'i M/kara fa noho i M/kara mahantra no niteraka ireo 4-mis. Mba victimes koa ry zareo fa tsy izy ireo akory no responsables. Amin'izay koa dia mbola voadaroka indray nefa efa mafy ny mianjady amin'ireo mafy ady. Tsy biby anie ireo ry zareo fa mba olombelona ihany e ! Marina ny anao fa politique-n'ny autruche daholo ireny. Momba ilay hoe "sous-développé intéllectuellement" indray dia nitabataba ery ireo eo am-pitondrana :"démocratie etc..." fa hadinon-dry zareo tanteraka ilay hoe : justice pour tous !
6. Fiffi ( 16/03/2006 20:23)
Kofi Annan : fitsidihana mahasahana ny lafin-javatra maro.
Feno tanteraka ny fandaharam-potoan'Atoa Kofi Annan , sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana , manomboka anio maraina amin'izao fitsidihany amin'ny fomba ofisialy an'i Madagasikara izao.Anio maraina eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha , dia hisy fanaovan-tsonia ny boky volamena amin'izao fitsidihany izao.Amin'izany ihany koa no hanaovany fanambarana , hitsidihany ny trano fiangonana , ny hamboleny hazo oliva , ny fitsidihany ny "Fitaratr'iMadagasikara" .Hiaraka aminy mandrakariva amin'izany ny Filom-pirenena malagasy.Eo ihany koa ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny atrikasa hataon'ny vehivavy mitondra ny lohahevitra hoe " ny fandraisana anjaran'ny vehivavy amin'ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara" .Amin'ny tolakandro , ny fitsidihana ara-pomba fifanajana ny filohan'ny Antenimierandoholona eny Anosy , ny Filohan'ny Antenimierampirenenna eny Tsimbazaza , ary ny Praiminisitra eny Mahazoarivo.Hisy ihany koa ny fiaraha-misakafo ara-panjakana sy fanomezana mari-boninahitra ny vahiny eny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny alina .Hahakasika ny lafiny kolontsaina sy tontolo iainana koa izao fitsidihan'Atoa Kofi Annan izao.Eo ny fihaonany amin'ny mpikambana amin'ny Akademia Malagasy , Tsimbazaza , rahampitso maraina.Ao amin'ny fandraisana azy ho mpikambam-boninahitry ny Akademia Malagasy.Hotohizana amin'ny fitsidihana ny Rovan'i Manjakamiadana sy ny valan-javaboary any Andasibe , ary ny Rovan'Ambohimanga amin'ny asabotsy.Hisy ihany koa ny fihaonany amin'ireo sampan-draharaha eto amintsika.Ankoatra ireo , hisy fitsidihan'ny vadi'izy ireo avy ny tobim-pahasalamana sy fitaizana eny Isotry sy Antohomadinika.Amin'ny alahady maraina izy no handao tanteraka an'i Madagasikara;
Nagonin'iR.Nd-Gazety Taratra laharana faha-0633
7. xxx ( 16/03/2006 21:47)
Kofi Annan efa mangovitra ny sezany noho ilay raharaha risoriso "oil for food program"
8. lemenakely ( 16/03/2006 22:43)
Fiffy ny fanontaniana dia sahala @ hoe ohatrinona ny vilàny? ny zavatra avalinao dia avy any Ambatolampy ireo mafy be mihintsy!!!
9. gernico ( 17/03/2006 03:04)
Aza dia faly manatsikera be fahantany kosa aloha isika fa tokony ho hadihadiana tsara hoe : hatrin'ny oviana marina moa no tena nampirongatra be ireo tahan'ny lazaina fa mahantra eto amintsika ireo ? Ny tiko hambara @ izany dia ilay resaka mpitondra kianina lalandava ity eh ! Ianareo ve tsy mino na mbola tsy resy lahatra h@ izao fa raha io Ra-8 io sy ireo ekipany ireo no teo @ seza h@ izay nahazoantsika ny fahaleovantena izay dia mba mety taiza ho aiza @ filaharana manerantany no misy ny firenentsika toyizao ???
Tsoriko aminareo aloha fa izaho TSY MBA NAHAZO NA DIA T-SHIRT 1 AZA t@ io Rangahy io h@ izao saingy NY MARINA SY HITA FA TSARA KOSA TOKONY HO TIAVINA SY TOHANANA fa tsy efa leon'ireny tantara be 46 taona lasa ireny ihany ve isika eh !!
Efa miezaka kosa sady TENA MIASA raha izao fitondrana misy antsika izao , tsy sanatria vononkazo fa betsaka no milaza izany , na gasy na vahiny koa tokony hanome tanana isika rehetra mba hampihenana farafaharatrsiny ireo mahantrantsika ireo raha izay no tanjona
Soa fa mbola nisy olona mahatoky toa azy ireo teto @ Nosy , fa raha .... angamba dia .... " samia mamakafaka tsara eh "
Homba antsika mandrakariva anie Andriamanitra !!! "
10. rog ( 17/03/2006 04:42)
Marina fa manao ny ainy tsy ho zavatra ny fanjakana misy @ izao fotoana nefa matoa miha maro ny mahantra de mbola tsy ampy izany ezaka izany , 70% izany amiko efa mihoatra ny tokony ho izy ary eto amintsika raha io isa io no jerena de mbola ho ela isika vao ho tafarina mba diniho ny tatitra nataon'Atoa James Bond fa any ho any @ taona 2015 any hoany isika vao mety mba hahita masoandro kely mihiratra mikasika io ady @ fahantrana io midika izany fa na iza mitondra eo na iza ho sahirana foana isika noho izany raha misy olona mitondra ka manao zavatra tsy de aradrariny loatra toy io voalaza etsy ambony io dia tokony kosa hahitsy, ary rehefa tsy mety hahitsy izy dia tokony hiala satria ny tombotsoa an'iza moa no jerena tsy ny an'ny vahoaka ve ary vahoaka iza tsy ny mahantra ve no tena ilana ny fampandrosoana ka inona no anaovana azy tsindrio fa lavo .
11. Fiffi ( 17/03/2006 05:34)
lemenakely: nataoko fanahiniana ny nandefa an'io eto ka! mba ahitana hoe izao sy izao ny programa hatao nohon'ny fitsidihan'ny Hannan eto M/car ka rehefa misy olom-pirenena mitsidika ireny dia izao no nanaovana ny olona.
12. caprio ( 17/03/2006 06:08)
tsy hotapitra ry zareo ny adi-hevitra fa amiko manokana dia misy lafiny tsara ary misy lafiny ratsy ny fitondrana ankehitriny,zany we ny pomba andra-8 dia tsy mijery afa-tsy ny lafiny tsara ary ny panohitra dia mijery ny lafiny ratsy mandran-kariva ka amiko manokana ny fahantrana dia tsy avy @fitondrana veli2 satria tsy i Mkar hiany anie no firenena mahantra e,zany we ny firenena mahantra rehetra ve de ny fitondrana no nampahantra azy,ary ny firenena manan-karena eran-tany ve dia midika zany fa tapom-pahaizany sy tena mahay mitondra ny filoha ao aminy?
13. pika ( 17/03/2006 07:57)
:roll::roll::twisted:
14. ravatorano ( 17/03/2006 08:12)
maagaga ahy ity lohahevitra ity
asa raha nijery na naita nareo fa teny ambodin Isotry ireo vahiny ireo nijery ny CB2 teny ary hainareo tsara hoe faritra aiza eto tanà izany.Jereo tsara ny sary zay nahita tamin ny TV nanao reportage teny fa bobaka ny rovitra akanjo teny ny tsymikapa sy kiraro fa maloto tongotra zay azo lazaina fa mahantra tokoa fa tsy nesorina na nokapohina.
Sao ireo olona zay matory eny amin ny sisin dalana no lazainareo ?
Efa ela anie ny ben ny tananan n antananarivo no annao operation nanala an ireny fa tsy vao izao.
Tena tsy azoko ? ? ? ? ? ekeko fa tsy ny 4mis no nampahantra ny firenena fa ireo izay nitondra azy tany ankady ! iza avy ary zareo ireo eh ?
Ny vahoaka koa v tsy tompon andraikitra amizany ? fa lasa lavitra ndray zay fa za aloha tsy d mino fa nafenina ny olona sahiran teny ambodinIsotry raha nandalo teny Ry Kofy Ananona Mivady eh !
15. Vaika ( 17/03/2006 09:22)
Raha manao izay mampandroso ara-toe-karena ve ny mpitondra dia manana zo hanitsakitsaka ny fahafahan'ny tsirairay, na dia ireo mafy ady tsy manana na dia akanjo hitafiana aza ?
16. cazal ( 18/03/2006 20:28)
Marina aloha ny an gernico, ka aoka tsy hanao critique be fotsiny fa mba hijery akaiky ny zavamisy sy ny antony.
Izaho koa aloha dia mino 100% fa raha Ra8 no teo nandritra ny 30 taona izay efa lasa lavitra be mihitsy Mcar e! Ny sasany teo aloha dia hameno paosy fotsiny, ary Raha tena tia ny tanindrazany izy dia TSY NANDOSITRA MIHITSY, fa izany no fitiavana tanindrazana rehefa misy ny ady dia mijoro sy mitolona fa Ianao Miaramila indray ve no MANDOSITRA mba mampieritreritra ihany aloha izany, Ka ho avy indray zao ny fifidianana dia Mody hizara vary sy handefa vary 10ar kapoaka ianareo mpitsoka ady io sy Mpamahantra ny vahoaka no sady misakana ny fandrosoana sy Hitady hameno pôsy indray.
RAHA MARINA SY MAHITSY NY NATAONAREO MPANOHITRA SY EFA NITONDRA TEO ALOHA TOKONY TSY NANDOSITRA IANAREO fa niaraka t@ ireo vahoaka madinika. MOA HADINONAREO MPITONDRA TEO ALOHA VE NY FANENJEHANAREO NY TENAKO TAO ANTSIRABE RAHA VAO NANOMBOKA NIKARAKARA IREO MAHATRA SY NANASOA NY MPIARABELONA NY TENAKO? NORAHONANAREO HOSAMBORINA SY HOGADRAINA nefa tsy nadositra fa niaritra ny herisetranareo, Eny fa hatramin'ny FAKANA ankeriny ny tenako any ampiangonana nefa tsy msiy ttsy mazava hisamborana ahy fa hanaovana hetraketraka fotsiny avy eo @ 11ora alina vao alefa fa tsy misy ilana ahy. 2001 hitondra ireo mpamatsy vola sy hanao sonia ny tenako dia samborina ary nataonareo tao @ FONJA Antsirabe! Fatorana ny tongotra @ tanana dia matory eo antongotry ny Mpitsara eo @ tribunal Abe? NEfa rehefa nitsara ny 08/2002 dia afaka madiodio na ny mpitsara nitsara ny raharaha aza dia gaga mihitsy! MOA HADINONAREO MPITONDRA TEO ALOHA VE NY NANDORANAREO VELONA NY RENIKO tao ANTSIRABE? AOKA Hianareo mba handinitena fa tsy hanakorotana ny fiainan ny malagasy izay vao hiarina rehefa notsetsefinareo nandritra izay 30taona mahery izay tsy hita izay zava bita izay.
Mampahery ny mpitondra ankehitriny moa ny tenako ary hanampy azy @ fampandrosoana no sady hanao izay kely mba vitako.
17. vale ( 08/04/2006 17:48)
"Mba tsy mety kosa ny ataon-dra8 e!"8O8O8O, fa ny nataon-dra deba nga nety??
cazal: marina daholo izany, na ny tenanay aza dia anisan'ny nalahelo sady tezitra raha nahare iny famonoana an'ny reninareo t@ fomba feno habibina iny ! asa aloha e, fa t@ fotoan'ny mpitondra taloha tena tsy misy ny fandriam-pahalemana no tsy misy ihany koa ny "rariny" fa toa fanjakan'ny matanjaka fotsiny:!:
18. lamie ( 11/04/2006 12:19)
raha mahantra nga ny gasy,an'iza ny faute? isaky ny misy vahiny zao ry se ka zay vao mody manadio, ary tokony entiny any antranony ny vahiny, tapenana ny masony refa mandalo arabe, na entina @ helicop e! @ zay tsy mahita ninoninona e! ny PPN aza niakatra daholo, aiza sy rahoviana isika re no mba afaka sy mitovy na @ maurice fotsiny aza e?
19. lee ( 25/04/2006 16:51)
'Zao razoky a! Iriko mba ho lalin-tsaina kokoa ianao rehefa miresaka, Ekeko fa misy tokoa ny fahantrana eto amintsika, ary lanja-miakatra io, zava-misy eto an-tany io. Tsy ankehitriny ihany no efa nisy izany, fa efa nisy koa t@ fitondrana teo aloha (25 taona), Tsoriko aminao fa raha harena no resahina, dia angamba azo lazaina ho nandova be izaho sy ianao, raha ny zavatra nohariana nandritra ny 25 taona no lova azontsika ankehitriny, Azonao angamba ny tiako ho lazaina.... (azavaiko ihany na izany aza), nandova be izaho sy ianao, ary tsy izaho sy ianao ihany, fa ny mpitondra ankehitriny koa, Raha eo amin'ny zava-bita no jerena dia hiteny ianao hoe, nampahantra ny malagasy ny fitondrana ankehitrio (5 taona nitondrana)... raha @ maso tsy miangatra mitombina ve izany, ny 4 mis koa anie efa nisy t@ fitondran-Dratsiraka e! Iza no omen-tsiny amin'izany? ny fitondrana taty aorinany ve?!

Misy ny milaza fa projet efa t@ fitondrana teo aloha ireny ataon'ny mpitondra ankehitrio ireny, koa raha projet azy ary, Maninona no tsy novitaina t@ izany, fa tsy ny olona hafa indray no nandrasana hamita azy?
Amiko matoa tsy vitany tao anatin'ny 25 ans ireny dia tsy mahavita azy izy izany!
Farany raha notsoahina teny amoron-dalana ny mahantra, Tsy fahadisoana izany, satria efa misy ny toerana hametrahana azy ireny: (Ma colline) Ambohimahitsy sy Andralanitra (Efa teny an-toerana aho nitsidika ireo faritra ireo, ary ny tsapako dia toy ireny Quartier résidentiel ireny mihitsy ny eny: misy terrain de basket, Misy ny terrain fanaovam-baolina, misy gymnase, école, dispensaire, sns... tsy voalaza,) ankoatra ireo faritra tsy voalaza,Saingy ireo olona ireo mihitsy no tsy te hipetraka eny satria, tsy omena fotsiny toy ny olona mpangataka izy eny fa kosa asaina miasa handraisan-karama sy hivelomany, noho izany dia aleony mandositra satria kamo tsy te hisasatra izy ireo, aleony mangataka na ny marimarina kokoa maniraka ireo zanany hangataka (Ontsa mantsy ny olona raha vao mahita ireny zaza mangataka ireny dia manome betsaka, fika fanaon'ireo 'zany, betsaka kokoa ny vola miditra @ izay nefa tsy miasa), porofon'izany jereo iny manamorona an'ny CCAC iny, sy iny amin'ny Avenue rehetra iny fa misy 4 mis efa lehibe manao ramis sy miloka fotsiny, ary midabodaboka mahatsiravina eny rehetra eny, mandoto tanana fotsiny, (Isaoraoko ireo gasy miantra ireny zaza ireny, tsy mijery izany fa mbola manome foana, ampirisihiko mihitsy aza)! Tsy manome tsiny ny fanjakana aho noho izany satria miendrika ny horohasina eny ireny Olon-dehibe kamo miasa sy mampangataka ny zanany ireny (Tsy ny mpitondra Razoky no mampahantra fa ny toe-tsaintsika GASy a! sy ny mpitondra teo aloha, tsy nanao na inona na inona fa namoky tena fotsiny a!)! Ary raha hiteny ianao hoe tsy mety izany dia hoy aho hoe Ohatra ny nataon'ny Deba t@ 10 aout teny Iavoloha ihany io e!!!, Vao vita ny famonoana sy ny rà mandrika dia nantsoina haingana ny pompier hanadio ny ra sy ny sisa mba tsy ho hitan'ny mpanao Gazety sy ny vahiny mandalo e! Anao ny Mandinika Razoky a! Fa raha tsy takatrao izany dia Ianao koa izany no tena vendrana a!:-D :evil:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7347