Nangidy tsy laitra ?

1. Fiffi ( 13/03/2006 06:37)

Ny manana fahitalavitra mahazo mivantana ny avy any ivelany dia nahita, ny alatsinainy 6 marsa teo, ny fandaharana « Faut pas rêver » izay nifantoka manokana tamin’i Madagasikara.


Horonan-tsary fanadihadiana moa izy io koa dia nampiseho ny « zava-misy » eto amintsika, araka izay fahitan’ny mpanatontosa azy.

Araka izany dia ny fahantrana mitambesatra amin’ny mponin’Antananarivo sy ny any Ilakaka no tena nisongadina tao, ary ny mpanolotra ny fandaharana aza moa dia nilaza mihitsy fa i « Madagasikara no firenena faran’izay mahantra indrindra eto ambonin’ny tany ».
Tsy faly tamin’izany àry ny ambasadaorontsika any Parisy koa dia nanoratra tany amin’ny Filohan’ny « France Télévisions », ny faha-8 marsa lasa teo. Koa eo indrindra àry no mipetraka ny fanontaniana hoe namboamboarina angaha ve izany ireny sary ireny sa ahoana ê ?... Marina fa tohina ny hambom-po tamin’ny nanelezan’ny horonan-tsary ny fahoriana zakain’ny malagasy, kanefa ireny àry no zava-misy koa akory atao ?...


Raha mbola tsy manaiky koa ingahy masoivohontsika any Frantsa fa mahantra i Madagasikara dia tokony mba hanao kajy ny tenany, ka hahita fa tsy misy afa-tsy 21,75 euros ange ny sandan’ny karama farany ambany eto amintsika ê. Koa firenena iza, ary firy eto amin’izao tontolo izao àry no mbola mampiasa olona amin’ny karama ambanin’izany ?...


Tokony hatao an-tsaina ihany koa dia tsy ny hidoka ny fitondrana eto akory no anton-dian’ireny mpanao gazety maka sary aty amintsika ireny fa asa no ataony. Koa rehefa tsy tia ny hiverenan’ny zavatra toa ireny ny fanjakana malagasy dia tokony hanao izay hampivoatra ny fari-piainan’ny mponina ato aminy. Aoka ihany koa hazava fa na ireo mpizahatany mandalo aty amintsika ireo koa aza ange ka sarin’ny loto sy ny fahantrana misy eto amintsika no androan-tokon’ny entin-dry zareo mody any aminy any ê.


Nangidy tsy laitra ny nijery an’ilay horonan-tsary ?... Mbola mangidy lavitra noho izany anefa ny iainan’ireny olona nasehony ireny.

Lalou pour La Gazette de la Grande Ile
novalian'i Fiffi ny 18/03/2006 09:42
2. Vaika ( 13/03/2006 12:59)
Ny nahita ny fahantran'i Mme Victoire sa matik'ambo no nampisahotaka an'i M.l'Ambassadeur izany ?
Ny mafy ady sy ny mpitsindroka zôridira efa nafenina sy norohahina tao Antananarivo dia mbola vitan-dry zalahy ihany no nikaroka azy ! Ny tena marina dia tsy fidiny ho an'i Mme Victoire sy ny namany no mahazo azy, efa mba mi-bizna sy feno fanantenana ery ireo mahantra kely. Dia mbola lazaina ihany fa noho ny fadiranovan-dry zareo ihany no mahamenatra (mauvaise image de Madagascar !). Nefa anie ry Mme Victoire dia tsy mangataka fanampiana (ary tsy mahazo fanampiana) amin'ny fanjakana ka inona no mampikoropaka an'i Ngahy Ambassadeur ? Mahaleo tena ireo mahantra na mafy ady aza. Mba mifofotra sy mively vy ireo mahantrantsika ary mitolona amin'ny fiainana mafy mihintsy. Tsy hitako izay mahamenatra amin'izany. Koa rehefa fehezim-bava anie ny mpanao gazetintsika dia mazava ho azy fa ny vahiny indray no mandray ny andraikitra e !
Te-hanao aminy eo koa !
Ny fahendrena anefa dia ny manao izay hiharahana hisondrotana fa tsy manary sy manafina ny havan'ory. Marina fa samy manao izay vitany fa tsy azo atao ny midongy be fotsiny dia faly ny hitaraina rehefa rakatra ny nafenina. Etsy andanin'izany dia mba nampiseho izay mba nety koa anie ilay émission e !
Matik'hena-maso i ngahy Ambassadeur, ka iza no tena mampalahelo ?
3. Fiffi ( 13/03/2006 19:54)
misy mahamarina hiany aloha izany filazanao izany ry Vaika an! satria tsy dia hitako loatra aloha ny nisian'ny "intervention" na nilana an'io satria i Mme Victoire tsy mahazo fanampiana na kely aza . Fa noheverio koa hoe tokony hisy "modération" rehefa manao reporage ireny ary misy mijery aloha tahak'izany anie taloha eh! raha tsy diso aho an!
4. vancleef ( 13/03/2006 22:59)
Ny aho dia hitako nisy "modération" ilay reportage-n'i France 3 satria efa nahita reportage hafa aho tamin'ny 20H nikasika an'i Père Pedro tamin'ireo olona mihaina any @ zaoridira dia manao galerie lalina kokoa ankana plastique sy tavohangy sy canette ao amin'ny zaoridira taloha fa ilay zaoridira vaovao tsy misy firy sady manetroka ilay izy no mety voatotitra ao ireo olona.
5. Fiffi ( 14/03/2006 07:30)
vancleef: fa tsy montage kosa aloha io an! fa tena marina sa diso indray aho ?
6. Vaika ( 14/03/2006 10:20)
Marina fa thèmes maro samihafa no nakambakamban-dry zareo. Raha satriko koa anie dia izay mba mandoka an'i Madagasikara kelintsika ihany no tokony naseho. Indrisy fa ny halatr'omby sy ny mpitsindroka zôridira koa dia mpiray monina amintsika. Ny tiko lazaina dia ny réalité tena henjana no nasehony. Zava-misy fa tsy noforonina no nasehon'ilay reportage. Raha nasiana modération ilay reportage dia nanjary tsy misy dikany intsony. Efa nisy ary mbola hisy ny reportages hafa tsy mifantoka amin'ny fahantrantsika ka amiko manokana dia tsy tokony hamparary fo mihintsy ireny na dia mafy aza. Mampatsiaro fotsiny ny mpitondra ireny fa mbola tsy ampy ny fihovana nampanantenainy. Ary ny mahantra dia tsy azo hafenina fotsiny amin'izao na dia mahamenatra aza. Samy mandeha, samy mitady ka tsy an-kanao an-kilabao ireo mafy ady fa araka ny nolazainao Fiffi : mbola mangidy lavitra no mahazo azy ireo.
7. Fiffi ( 14/03/2006 20:41)
tena mangidy marina fa any andro , mbola ho avy ny mamy eh!
8. fijo ( 16/03/2006 21:00)
mampalahelo.ny tena mampalahelo ahy dia ny mahita gasy faly amin'ny fanaratsian'ny vahiny ny taniny.
voalohany,dia gaga aho rah aolona avy any mada no sahy hilaza fa tsy sary namoarina iny.zavtra efa tsy misy any intsony ny varotra eny amin'ny lalam by nefa dia mbola naseho tao.

faharoa,raha mba maka sary ny loto sy ny olona mahantra aty fotsiny isika ka alefa amina fandaharana aty,dia mino aho ,fa tsy hangina ny ambasady frantsay fa hanao vava be hamaly izany.

ka hoy aho hoe,mba aoka re ry zareo ity fahazarana manao "eny mose sy patron" lava ity e.matoa isika hitsakitsahan'ny olona,dia satria tsapany fa isika dia olona manaiky hitsahana.
ny olona mamaly raha hitsahana dia tsy hisy sahy hanitsaka mihintsy.ka samia misaina
9. Vaika ( 17/03/2006 09:35)
fijo : manitsakitsaka ve ny olona rehefa mampibaribary ny nafenina sy ny zava-misy ? Sa tsy azonao fa miaro ny zon'ny 4-mis ilay reportage, ka iza no tokony hisaina ?
zavtra efa tsy misy any intsony ny varotra eny amin'ny lalam by nefa dia mbola naseho tao.

Ka efa natao raok'alika koa.
10. Fiffi ( 17/03/2006 12:05)
tonga dia censuré mihintsy io ry fijo fa tsy vitan'ny hoe hanao vava fotsiny izy an!
11. fijo ( 17/03/2006 20:45)
vaika,ny 4 mi dia tsy azo afenina fa hita eran'ny tanana any mada.aza hadino koa fa maro ny mpatory an dalana aty frantsa ary maro no matin'ny hatsiaka rehefa ririnina ny andro.mba efa nahita fandaharana frantsay tany mada ve nareo ,ka ireo mpatory ambany tetezana no asehony????
nanao ahoana no vavan'ny gazety frantsay sy ny governemanta ,raha nilaza ny amerikanina ,fa ny fandorana fiara taty frantsa tamin'ny novambra dia vokatry ny fampiantranoan'ny frantsa ny silamo be loatra aty aminy????
ny olona dia mamaly sy tsy manaiky rehefa haratsiana,ka isika ve tsimaintsy tokony hanao misaotra foana na dia hatao fanalana hidihidy aza????

izay toetsaina izay no tsy nitovizantsika tamin'ny vietnamianina.samy olona fohy sy kely isika,samy olona tia mitsiky,fa isika raha niditra ny vahiny hanjanaka,dia nilaozantsika niady antrano sy nifanoro,ry zareo kosa niady sy tsy nanaiky mihintsy ary na ny amerikanina sy ny hareny ary ny heriny rehetra aza dia lao nandositra fostiny.

izay toetsaina izay no mba tokony hoalaina tajaka.
12. Vaika ( 17/03/2006 21:38)
fijo : tsy azoko loatra ny hidiran'ny resaka fanjanahan-tany. Efa afaka isika ankehitriny noho ireo ray aman-dreny nitolona ho an'ny fahaleovan-tena. Tsy niady an-trano isika na nisy aza ireo mpamadika, fa noho ny tolon'ireo razan-tsika tsy an-kanavaka no nahatonga antsika ho mahaleo tena ankehitriny. Amin'iny lafiny iny dia tena fier ary mankasitraka ny nataon'ireo ray aman-dreny taloha aho ary tsy manaiky mihintsy ny ho amabanin'ny hafa ny vitan-dry zareo taloha na dia ampitoviana amin'ny vitan'ny vietnamiana aza isika.
Ka nahoana no heverina fa hanjanaka foana ny vazaha rehefa mitsikera ny any amintsika e ????
Olona tokana anie no nanao ilay émission e (L. Bignolas no responsable) fa tsy complot namboamboarin'ny governemanta frantsay akory !
Matahotra kosa ny vavan'ny olona nahita iny émission iny angamba ianao (mati-kena-maso), nefa tsarovy fa tsy ny émission kely tsy misy dikany ohatran'ireny no hampitsoaka ny touristes tsy ho any M/kara. Mahay misaina sy mahay mandanjalanja ny olona fa tsy azo sous-estimer-na, mazava ho azy fa ny amintsika koa dia torak'izany.
13. Vaika ( 17/03/2006 23:08)
fijo :
Matahotra kosa ny vavan'ny olona nahita iny émission iny angamba ianao (mati-kena-maso),

azafady fa somary entim-po kely aho, efa andro vitsivitsy mantsy no niresahiko an'io zavatra io ka nony ela ny ela dia lasalasa ny tànana.
Tsy izany mantsy fa ireo 4-mis roahina sy darohana rehefa misy vahiny no mampangotsoka ny foko, efa mba mafy ny mianjady azy ireo dia mbola ohatran'ny hadisoan-dry zareo indray no mampahantra an'i M/kara ka ny henatra-ntsika dia mbola ry zareo ihany no mibaby azy.
Tsy dia lavitra an'iny lalam-by iny mantsy izahay no nipetraka taloha ka hitako tsara ny tena fiainan-dry zareo . Indray mandeha saika nandoa aho(mafy loatra tamiko) nahita ireto fianakaviana kely nahandro sakafo, tsinain'akoho nitsindrohany teny amin'ny zôridira no kaly ary kapôka no handrahom-bary... Tadidiko koa hatramin'izao nony nody alina aho indray mandeha ka nahita ny alikanay mihinana zôridira dia sady nibetroka no nandaka ilay alika. Vao lasa ilay alika dia nisy feon-jaza re-ko : afatory ramose ny alikanareo fa laniny ny anjaranay... Tsy hiditra amin'ilay resaka film tragico-mélodrame aho akory fa izao : tsy rariny raha ny mafy ady no atao an-kilabao fa tena mafy mihintsy ny adiny. Tsy menatra aho na hitan'ny firenena eran-tany aza fa mbola misy 4-mis be dia be any amintsika. Ary tsoriko fa tena ohatran'ny faly kely ihany aho na izany aza nahita an'i Mme Victoire nanao kaly be (na dia sdf aza), toa tena nilendalenda kely mihintsy. Efa mba tsy tsinain'akoho intsony !!!!!!!
14. fijo ( 18/03/2006 04:20)
vaika,aza hadino fa ny fandaharana toa ireny dia misy akony be raha miparitaka.
ekeko tokoa fa tokony heverina ny momba ireo mahantra any amintsika,fa aoka hazava,fa ny ahy ny tsy ekeko,dia ny vahiny tsy mampiseho hafatsy ny tsy mety misy any.izay no tena fototry ny resako.
15. Fiffi ( 18/03/2006 07:30)
tsy azoko koa aloha ilay izy hoe ny ratsy foana no hampisehovana eh! nefa anie raha ry zareo no mba kitiana na kely monja aza dia asa fotsiny re no valin'izany re eh ?
16. Vaika ( 18/03/2006 09:17)
fa ny ahy ny tsy ekeko,dia ny vahiny tsy mampiseho hafatsy ny tsy mety misy any

tsy mba hitanao kosa angamba ireo émissions maro be midoka ny zava-boary any amintsika. Hadinonao angaha ilay Ra8 ni-pointy taty dia nivoaka tamin'ny 20 h, "M/Car, un pays en pleine croissance" ny commentaire. Tsy mba re-nao angaha fa ny "petite pervenche" de M/kara dia lazain'ny scientifiques fa à 70% miditra amin'ny composition-n'ny chimiothérapie, ets...
Araka ny nolazaiko, dia mbola misy ratsy lavitra noho ireny fa tsy nasehony, 4am's nasehony teo anie dia ilay sokajy ambony indrindra e ! Raha ny tena izy ny 4am's izany dia tena mitafy gony fa ianao angaha ahoana.
aza hadino fa ny fandaharana toa ireny dia misy akony be raha miparitaka

inona ohatra ?
17. Fiffi ( 18/03/2006 09:42)
mampiheritreritra tokoa izy zany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1949