lalao fampisehoana nahafinaritra!

1. jentilisa ( 13/03/2006 06:30)
Notontosana omaly ny fihaonana telo tonta nifanandrinan'ny artista sy ny mpanazatra aloha, dia nitohy teo amin'ny fihaonan'ny vehivavy artista sy ny vehivavy mpanao gazety. Ny lalao fahatelo farany dia ny artista sy ny mpanao gazety ihany fa lehilahy kosa indray.
Tonga maro teo Mahamasina ny olona, tsy mifidy io fa na lahy na vavy na ankizy samy vory lanona avokoa. Ny fihaonan'ny vehivavy moa no tena nandrasan'ny maro. Niala voly tokoa ny olona satria maro ny zavatra nihomehezana teo. Ny tsy fahalalana fitsipi-dalao moa no tena fototry ny zava-nahatsikaiky. Nisy izany handaka ny baolina eo amin'ny faritry ny 5,50m ny goal no ihazakazahan'ilay lohalaharana ny baolina hampidiriny any anaty harato. Tokelaka tsy tokelaka ny teo Mahamasina.
Ny niafaran'ny baolina moa dia 4 sy 1 no nandresen'ny mpanazatra ny artista; 2 sy 0 kosa no nandresen'ny vehivavy artista ny vehivavy mpanao gazety ary tsy afa-bela fa mbola resy teo amin'ny fandakana penalty penalty kosa ny artista lehilahy nanoloana ny mpanao gazety.
Tombanako ho any amin'ny 14.000 - 17.000 any ho any ny mpijery nanatrika io fihaonana omaly io. Ny ampahan'ny vola azo moa dia entina hanohanana ny ekipa solotena malagasy ao amain'ny lalao baolina kitra ihany dia ny USjf sy ny USCAFoot izany.
novalian'i jentilisa ny 16/03/2006 13:24
2. Fiffi ( 13/03/2006 06:40)
Ny resy tsy akoraina, ny maharesy tsy hobiana” Tenim-pahendrena napetraky ny ntaolo izany izay anehoan’ny artista sy ny mpanao gazety ny firaisan-kinany nandritra ny lalao baolina kitra teo Mahamasina omaly. Saika ny fanamarihana ny andron’ny vehivavy moa no anton’iny ka nandraisan’ireo vehivavy mpampita hafatra anjara. Ny an’ireo lehilahy rahateo efa fanalana vela sisa. Maro amin’ireo mpilalao no sambany mba nanitsaka ity kianja iraisam-pirenena ity izay tsikaritra ho nanavao tokoa. Marevaka ery Mahamasina itsahin’ireto andriambavilanitra ka azo lazaina ho zava-baovao hitan’ny mpankafy baolina kitra. Toa rivotra hafa mihitsy no niainana tamin’iny andro iny satria na ny mpijery koa aza dia betsaka no sambany niditra tao Mahamasina.
Ireo mpilalao no nahatsikaritra ny lesoka, mpanao gazety rahateo moa ny ankamaroany ka zary voafitaky ny endrika teny ivelany hatramin’izay ary sahy nilaza fa kianja manara-penitra i Mahamasina. Ao anatiny ao kay ka tsy dia manjary loatra. Tsy lazaina intsony ny fifanjevoana amin’ny loto, ankoatry ny fahateren’ny efitra fisoloan’ny mpilalao akanjo. Efitra tokana, ifandimbiasan’ny mpilalao hidirana no misy ao. Tamin’ity baolina omaly ity no tena nisongadina ny olana naterak’ity trano fisoloana akanjo ity. Tsy natao hidiran’ny vehivavy tokoa angaha satria tsy misy ny mahakasika ny filan’ny vehivavy mihitsy. Ny varavaran’ny trano fandroana ohatra dia tsy misy hidiny avy any anatiny, sns...
Dia mba ahoana re ny fahitan’ireo mpilalao vahiny miditra ao e ? Isika no tsy mahalala fa ry zareo mety hilaza hoe “Madio ivelany”.
Hery A. pour Madagascar Tribune
3. yonikafopl ( 13/03/2006 13:47)
misaotra an'i jentilisa nampita vaovao
Fiffi, hummmmm,nefa de tsara jerena ety ivelany ery ilay Mahamasina eeeeeeee
4. Veloo ( 15/03/2006 02:43)
jentilisa a misaotra e:wink:
5. jentilisa ( 16/03/2006 13:24)
Ka isika koa mbola tsy nanitsaka ireny kianja malaza ireny ahitana ny hatsarany akaiky koa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3343